Eto Madagasikara, porofo mivaingana amin’ny fampiatiana eny anivon’ny sekoly

Ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'i Emma dia midika ho fahafahana mampihatra ny fiofanana azony avy amin'ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka toy ny ny Hempel Foundation, mahakasika ny fanabeazana mampiaty.

Francis Randriamanantena
Eleves de l'école primaire
UNICEF/UN0571783/Ramasomanana
13 Desambra 2022
Emma pose fièrement avec son élève, ayant une difficulté d’écoute
UNICEF Madagascar/2022/Randriamanantena I Emma mijoro miaraka amin'ny mpianany, izay manana kilema amin'ny lafin’ny fandrenesana

Nahafahana naka tsoan-kevitra ireo volana voalohany tamin'ny taona ho an'ny mpianatra iray manokana izay manana olana goavana amin'ny lafiny fandrenesana.

Topimaso momba ity traikefa vaovao ity

Nahafeno ny fepetra rehetra tokoa mantsy i Emma mba hisitrahana ny fandaharan'asa « Back To School and Learning » (BTS&L) na « Miverina an-tsekoly sy mianatra », izay mirakitra fitambarana hetsika fiofanana ary fanomezana fitaovam-pianarana sy fitaovam-panabeazana any amin'ny toerana misy azy. Tamin’ny volana septambra 2022, ny fiofanana mikasika ny fanabeazana mampiaty no tena nahitany soa ka nampihariny avy hatrany tamin’ny mpianany.

Manana olana amin’ny fandrenesana ho an’ny sofina havia io mpianatra 12 taona io. Niditra an-tsekoly teo amin’ny faha-enintaonany izy; tsy nisy mpampianatra nijery akaiky izany fahasembanany izany tao amin'ity sekoly ity ka namerina kilasy roa izy vokatr’izany. I Emma irery ihany no nahatsikaritra izany, rehefa nifanerasera bebe kokoa tamin'ireo mpianany izy – fomba fanao vaovao izay namporisihina tao anatin’ilay fiofanana azony izany. Isan’andro rehefa tapitra ny fianarana dia mijanona miaraka amin'io zaza io izy mba hanaovany tombana kely na koa hanazavany indray ny lesona raha ilaina. « Tamin'ny voalohany dia nanano sarotra kely ihany izany saingy nahita fivoarana lehibe aho tao anatin'ny roa volana monja. Matoky aho ary miezaka ny hanohy izany làlana izany mba hahazoana vokatra tsara kokoa, » hoy izy nirehareha. Ny zavatra niova dia ny fahaizany manaraka tsara ny lesona tahaka ny mpianatra hafa rehetra noho ilay fomba fiasa vaovao nampiasain'ilay mpampianatra.

« Ny BTS&L dia tsy fandaharan’asa fotsiny ihany, fa fampivoarana ny olona manokana ihany koa ho antsika mpampianatra, » hoy i Emma. Rehefa nahatsikaritra ireo vokatra voalohany teo amin’ilay fomba fiasa nandritra ny roa volana voalohany tamin’ny taona ny Talen’ny sekoly iasan’i Emma, dia mikasa ny hanokana toerana manan-danja ho an’ny fampianarana ny maha-zava-dehibe ny fampiatiana eo amin’ny fanabeazana, mba hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Tokony hiteraka zava-baovao tsara ny vokatra amin’ny faran’ny taom-pianarana.