Mamelom-bolo ireo mponina any atsimon’i Madagasikara ny famatsian-drano fisotro
Hatramin'ny nampiharan'ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy ilay rafitra antsoina hoe « Fampiasana rano amin’ny lafin-javatra maro » tamin'ny taona 2020, niroborobo ny fiveloman' ireo mponina 500 ao amin'ny tanànan'i Ehavo

Ao anatin’ny masoandro migaingaina amin’ny mitatao vovonana no nahitanay vehivavy vitsivitsy eo afovoan’ny zaridaina fambolena legioma ao amin’ny fokontany Ehavo – Faritra Androy, atsimon’i Madagasikara. Amin’izao andro tsy mahazatra anatin’ny volana novambra izao, dia mbola mando ny tany, voatondraky ny orana tsy fahita firy, izay nilatsaka omalin’iny. Amin’ireo vehivavy ireo dia misongadina i Mamy nohon’ny fahalehiazany kanefa dia mbola mampiseho tsikitsiky mamiratra foana. 56 taona izy, manan-janaka fito sy zafikely 12. Na izany aza, mbola tena mavitrika miasa hatrany izy na dia misoratra eo amin'ny tarehiny aza ny ketrona navelan'ny taona niasany mafy, manoloana ny hain-tany izay mamely ny faritra. Ireo vehivavy rehetra ireo dia mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mponina izay mikarakara fambolena legioma. Tokantrano 25 no mandray an-tanana izany isan’andro sy mahazo tombony amin’izany. « Mamboly kôkômbra, korizety ary legioma hafa izahay vokatry ny fametrahana ity fomba fanondrahana rano mitete ity. Mandritra ny fiakara’ny vokatra dia mahazo vola amin'ny fivarotana vokatra eo an-toerana iahay. Ny ambiny dia hohaninay ihany, » araka ny filazan’i Mamy.
Ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no nanangana ity rafitra famatsian-drano fisotro ity izay ampiasain’ny mponina 500 ao an-tanàna. Ity fandaharan’asa ity, izay vatsian'ny KIWI vola, amin'ny alàlan'ny Komity Nasionaly ho an'ny UNICEF any Norvezy, dia tafiditra ao anatin’ny fametrahana tolotra maharitra, mba ahafahan'ny mponina miatrika ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro. Ny angovo azo avy amin'ny masoandro no ampiasaina amin'ny fampandehanana ny fitaovana fanondrahana rano ao anaty sinibe mirefy 7m3. Izany fotodrafitr’asa izany dia ahitana ihany koa paompin-drano iombonana, fitaovana fanondrahana ny voly ary fanasan-tanana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Tanàna miisa 160 ahitana olona 80.000 avy any amin’ny faritra telo ao anatin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no nisitraka ity fandaharan’asa antsoina hoe « Fampiasana rano amin’ny lafin-javatra maro » ity.

Tohi-bely manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro
Eo amin’ny paompin-drano iombonanana mifanila amin’ny sekoly no nahitanay an’i Vitasoa, vadin’i Mamy. Izy no tompon’andraikitra amin’ny fitantanana izany paompiy izany ary koa ny fitsinjarana rano ho an’ireo mponina tonga eny mba haka rano. « Tsy maintsy nandeha an-tongotra adiny dimy izahay teo aloha mba hitady rano, izay nololohavinay, tamin’ny alàlan’ny voatavo izay navadika ho siny. Amin'izao fotoana izao dia mavitrika kokoa ny olona satria akaikin'ny tranony no misy ny rano fisotro, ary mora kokoa ny sarany, » hoy izy. Filohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra ihany koa i Vitasoa. Telo amin’ireo zafikeliny no mianatra ao; tsy iza izany fa i Fanampime (12 taona), Manompiaze (10 taona) ary Sambotodisoa (7 taona). « Mifantoka tsara amin’ny fianarako foana aho satria te ho lasa mpampivelona sy te hanampy ny mpiara-belona amiko aho ho amin’ny fampandrosoana, » hoy i Fanampime, zokiny indrindra amin’izy telo mianadahy.
Tena zava-dehibe ho an'ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy ny fahazoan'ny mponina rano maharitra. Ao anatin'ny fandaharan'asa fiaraha-miasa 2021 – 2023, ny UNICEF dia mikendry olona 1.500.000 eo ho eo any atsimon'i Madagasikara, izay hisitraka ireo tolotra feno mahakasika ny rano, fanadiovana ary fidiovana (WASH). Ny faharetan'izany fandraisana’andraikitra izany dia hiantoka fanamaivanana ho an’ny mponina izay hiaina ao anatin'ny tontolo mahatanty ny fiovaovan’ny toetr'andro. Efa nanomboka nanorim-ponenana tany Ehavo ny mponina sasany avy any amin’ny tanàna manodidina. Araka ny fanazavan’ny talen’ny sekoly, Gege Jean Chrisostome, dia « tsy nitsaha-nitombo hatrany ny isan’ny mpianatra hatramin’ny nahatongavan’ny rano tao an-tanàna ».

Fanamarihana fanampiny: eo amin'ny sehatry ny WASH, ny UNICEF dia tohanan'ny mpamatsy vola maro; anisan’izany ny Banky Iraisam-pirenena, USAID, CERF, ECHO, FCDO, KFW, ny governemantan'i Japana - Norvezy - Korea ary Italia, ary ireo Komity nasionalin’ny