Rafitra fiahiana ara-tsosialy tsimialonjafy, tsy misy fandraisana anjara

Ny UNICEF dia manohana ny politikam-pirenena mikasika ny fiahiana ara-tsosialy, izay manana tanjona hampihenana 15% ny isan'ny mponina miaina ao anaty fahantrana lalina, amin'ny alàlan'ny fikendrena manokana ireo tena marefo indrindra.

Une mere et son enfant, beneficiaires d'un programme de protection sociale
UNICEF/UN0231291/Ramasomanana

Ireo fanamby

Eto Madagasikara, 91 isan-jaton'ny mponina no miaina ambanin'ny fetran’ny fahantrana tena lalina eto amin’ny firenena. Ny firenena ihany koa dia mora tratran’ny loza voajanahary – toe-javatra izay misy fiantraikany amin’ny antoka ara-tsakafo sy fahatomombanana ara-tsakafo eo amin’ny mponina: olona 5 tapitrisa, izany hoe 22 isan-jaton'ny mponina no miaina any amin'ny faritra tena mora voan’ny rivodoza, tondra-drano na haintany. Mba hampihenana ny fiantraikany ratsy vokatry ny fahantrana sy ny loza voajanahary, dia tena ilaina tokoa ny fahafahan’ny vondrom-piarahamonina miatrika toe-javatra tena sarotra.

Ny fiahiana ara-tsosialy, izay azo lazaina ho zava-baovao ihany eto  Madagasikara, dia iray amin'ireo fomba enti-mamporisika ireo vondrom-piarahamonina marefo indrindra hampitombo ny fahafahany miatrika toe-javatra mafy. Ny politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy dia nolaniana tamin'ny taona 2015. Ny UNICEF, amin’ny maha-anisan’ny mpitarika ny fiahiana ara-tsosialy azy, dia manohana ny Governemanta amin'ny fanatanterahana io politika io.

Ireo hetsika notanterahan’ny UNICEF

Fametrahana ny rafitra ara-dalàna sy ara-panjakana

Ny UNICEF dia nanohana ny fametrahana ny lalàna mikasika ny fiahiana ara-sosialy tsy misy  fandraisana anjara ara-bola sy ireo didim-panjakana mifandraika amin'ny lisitry ny mpisitraka izany ary ny fandrindrana ny fiarovana ara-tsosialy.

Miditra an-tsehatra ny UNICEF ankehitriny mba handraisana anjara amin’ny fanavaozana ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny famolavolana ny drafitry ny hetsika. Ankoatr'izay, ity drafitra ity dia hamaritra amin'ny an-tsipiriany ny hetsika tokony hatao mba hanamafisana ny rafi-panjakana, hampitomboana tsikelikely ny fivelaran’ireo tetik’asa misahana ny fiahiana ara-tsosialy, ary hanamafy ny fahafahan'ny rafitra eto amin’ny firenena miatrika zava-tsarotra.

Fandrindrana sy fandaminana ireo hetsika mikasika ny fiahiana ara-tsosialy

Satria moa ny UNICEF dia anisan’ny mpitarika eo amin’ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara miaraka amin'ny Ministera misahana izany, dia manohana ny fampandehanana ny Vondrona miandraikitra ny fiarovana ara-tsosialy izy. Io vondrona io dia  sehatra iray lehibe handrindrana ireo hetsika mifandraika amin'izany lafiny izany, manerana ny nosy sy isam-paritra (Androy , Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Haute Matsiatra, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany).

Amin'ny ambaratonga nasionaly dia vondrona 4 no niorina: fiahiana ara-tsosialy rehefa misy trangana hamehana sy fanampiana ara-tsosialy, fanatsarana ny fahazoana ireo tolotra ara-tsosialy fototra, fampitomboana ny fidiram-bolan'ireo tena mahantra indrindra ary fanamafisana tsikelikely ny rafitra fandraisana anjara.

Ho fanamafisana ny fandrindrana dia nanohana ny fametrahana fitsipika miisa 11 ny UNICEF. Izany fitsipika izany dia mikasika ny fandefasana fanampiana rehefa misy trangana hamehana, ny tondrozotra ho fampiharana izany ary fanadihadiana momba ireo fomba samihafa fandefasana vola.

Fanatanterahana tetik’asa misahana fiahiana ara-tsosialy

Ny UNICEF dia nanolotra fanohanana ara-teknika sy ara-bola ho an’ny fanatanterahana tetik’asa momba ny fiahiana ara-tsosialy vitsivitsy :

- Fiavota: izay tetik’asa niantomboka tamin’ny taona 2016 entina mandefa vola tsy misy fepetra, hiatrehana ny krizy teo amin’ny tsy fahampian-tsakafo naterak’i El Nino, dia nivadika ho tetik’asa fandefasana vola ho an'ny fampandrosoana ny maha-olona. Ny fandefasana vola dia nanjary nisy fepetra izay miankina amin’ny fandehanan’ireo ankizy any amin’ny  sekoly ambaratonga voalohany. Nahazo famatsiam-bola niaraka tamin'ny Banky Iraisam-pirenena ity tetik’asa ity ary nahakasika tokantrano miisa 65.000 tany amin'ny faritra Anosy sy Androy.

- Let Us Learn: izay tetik’asa niatomboka tamin'ny Oktobra 2016, dia mifameno amin'ny tetik’asa fandefasana vola ho an'ny fampandrosoana ny maha-olona. Mikatsaka ny hahafahan’ny ankizy mifindra avy ao amin’ny ambaratonga voalohany mankany amin’ny ambaratonga faharoa io tetik’asa io ary mbola mikendry ihany koa ny hijanonan’ireo ankizy ireo ao amin’ny ambaratonga faharoa.  Ankizy miisa 14.000 no kendrena  amin’izany ao amin'ny faritra Atsimo Andrefana, Atsinanana, Haute Matsiatra, Vakinankaratra ary Vatovavy Fitovinany.

Raha misy trangana hamehana, ary miankina amin’ny filàna, dia afaka  miditra an-tsehatra ny UNICEF, mba hahafahana manatanterakana fanampiana ara-tsosialy tsy misy fepetra ho an’ireo traboina, toy ny tamin’ny fandalovan’ny rivodoza

Enawo tamin'ny taona 2017.

Fanatevenam-pahaizana sy serasera manodidina ny fiahiana ara-tsosialy

Satria moa ny fiahiana ara-tsosialy dia somary zava-baovao ihany eto Madagasikara, dia manohana ny ekipan'ny Minisitera miandraikitra ny fiarovana ara-tsosialy ny UNICEF, amin'ny alàlan'ny fandraisana anjara amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena isan-karazany, fandefasana manam-pahaizana iraisam-pirenena, fikarakarana atrikasa  momba ireo lohahevitra fototra manodidina ny fiarovana ara-tsosialy.

Ny UNICEF dia manohana ny Ministera miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialy amin'ireo ezaka sahaniny, mba hisian'ny serasera mahomby amin'ny fiarovana ara-tsosialy eto amin’ny firenena. Ao anatin'izany ny fanapariahana ny vokatry ny fandalinana sy fanadihadiana momba ny fiahiana ara-tsosialy, ny famolavolana sy fampielezana  vaovao mikasika ny fiarovana ara-tsosialy, ireo fitaova-mpifandraisana hafa,  ary ireo  fivoriana samihafa ho fanentanana ny fandraisana andraikitra amin’izany sehatra izany.

Ressources

Léonie,misitraka ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira

Leonie sy ny zanany dia misitraka ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira

Jereo

Tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy atỳ Madagasikara

Tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy atỳ Madagasikara

Haka ilay tahirikevitra

Let Us Learn, fanohanana ara-bola hoan'ny ankizivavy

10 taona teto Madagasikara izao ny fandaharana Let Us Learn

Jereo

FIAVOTA, fandaharanasa fanohanana ara-bola

FIAVOTA,fandaharanasa fanohanana ara-bola hanampiana ireo fianakaviana tratry ny haintany any atsimo

Jereo

Fiahiana ara-tsosialy faobe sy tsimialonjafy ho an’ny ankizy

Mizotra mankamin’ny fiahiana ara-tsosialy faobe sy tsimialonjafy ho an’ny ankizy eto Madagasikara

Vakio ny andinindininy

Ny ankizy manoloana ny ny fandraharahana ara-pambolena

Famakafakana mikasika ny fiantraikan'ny sehatry ny fandraharahana ara-pambolena sy ny voly manoloana ny zon'ny zaza any amin'ny faritra Sava, Analanjirofo

Vakio ny andinindininy

Ireo mety ho vokatry ny COVID-19 eo amin'ny ankizy

Ireo vokatry ny krizy ara-toe-karena eo amin’ny fahantran’ny ankizy sy ny anjara asan’ny fiahiana ara-tsosialy mba hanalefahana ny vokatry ny krizy.

Vakio ny andinindininy