Famakafakana mikasika ny fiantraikan'ny sehatry ny fandraharahana ara-pambolena sy ny voly

Manoloana ny zon'ny zaza any amin'ny faritra Sava, Analanjirofo ary Atsinanana

Enfant malgache
UNICEF/UN0373773/Ralaivita

Lafiny mampahatanjaka

Eto Madagasikara, ny voka-pambolena mampidi-bola dia maneho ny 22%-n’ny fampidiram-bola vahiny eto amin'ny firenena araka ny antontan'isa azo farany. Ny lavanilina sy ny jirofo dia mitana ny toerana roa voalohany amin’izany ka ny lavanilina dia 52% ary ny jirofo dia 33%n’ny totalin'ny vola miditra, raha toa ka 4% kosa no ampidirin’ny litchis. Ny famarotana ireo vokatra ireo eto an-toerana dia tokony hitarika fidiram-bola lehibe ho an’ny kaominina, amin'ny alàlan'ny tamberim-bidy mba hiantohana ny fampandrosoana eny ifotony, ary indrindra ny fahazoana tolotra ara-tsosialy ifotony ara-kalitao ho an'ny mponina.

Na eo aza izany firoboroboana ara-toekarena izany dia mbola mampanahy tokoa ny toejavatra iainan’ireo zaza roa tapitrisa monina ao amin'ireo faritra telo ireo. Tsy izany mantsy fa tena voafetra tokoa ny fahazoana ireo servisy ara-tsosialy ifotony ary tsapa ihany koa ny olana amin'ny fiantohana ara-tsakafo mandritra ny taona ho an'ny ankohonana sy ny olana atrehin’ireo tanora mikasika ny resaka fahasalamana sy fiarovana. Tokantranon’ny mpamokatra izay tombanana ho miisa 80.000 eo amin'ny sehatry ny lavanilina ao SAVA, 30.000 mahery kosa eo amin'ny sehatry ny jirofo ary 20.000 eo amin'ny sehatry ny litchis any amin'ny morontsiraka atsinanana no miaina anaty fahasahiranana ary tena marefo hatrany manoloana ireo fiovaovana rehetra eo amin'ny tsenan'ny vokatra mampidi-bola sy ny loza ateraky ny toetrandro. Amin'ny antsalany, ny fianakaviana tsirairay dia manan-janaka 2 na 3.

Ny fampiasana zaza tsy ampy taona amin'ny sehatry ny fambolena sy ny rojom-pihariana eo amin’ny fandraharahana ara-pambolena dia mijanona ho laharam-pahamehan'ireo orin’asa raha ny resaka zon'ny ankizy no asian-teny, saingy mbola betsaka ny zavatra tokony ho tanterahina. Na dia nisy fiantraikany tsara tamin'ny famerana ny fampiasana ny ankizy aza ny ezaka hiadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny endrika « tsy hita maso » hafa dia mazàna miroborobo fatratra ka mitaky fahamailona manokana. Mbola tsy ampy ny fanolorana tontolo mikasika ny asa mendrika ho an’ny ray aman-dreny sy ireo mpikarakara ankizy ary misy akony amin'ny fiainan'ny ankizy izany.

Analyse d’impact des activités du secteur de l’agro-industrie et des cultures de rente sur les droits de l’enfant à Madagascar
Mpanoratra
UNICEF
Daty famoahana
Fiteny
Frantsay, Anglisy, Malagasy