Charlotte sy Jaonathan : Manorina tokantrano mandresy ny fitsaràna ivelany ataon’ny fiaraha-monina

Lalam-piainana samihafa no niainan’i Charlotte sy Jaonathan saingy samy niharan’ny fitsaràna ivelany nataon’ny fiaraha-monina izy ireo. Na izany aza dia nisafidy ny hanorina fianakaviana iray izay matanjaka lavitra nohon’ny fanavakavahana niainan’izy roa

Kesan Andrianarison & Clemence Andrianaivoson
Charlotte avec son mari Jaonathan et leur fils Johan, une famille heureuse malgré les différences
UNICEF Madagascar/2026/Andrianaivoson
13 Jona 2026

Lehibe tao anatin’ny fianakaviana nisy zaza efatra i Charlotte, ary izy irery no zaza varira tamin’izy mpiray tampo. Ao amin’ny Fokontanin’Ambalavola,  Faritra DIANA, avaratr’i Madagasikara no misy azy ireo. Nahazo tohana sy fitiavana avy tamin’ny havany hatrany izy, saingy tsy mba naneho hatsaram-panahy taminy loatra ny tontolo tokony nivelarany. Niaritra ny fanesoana, ny fanilikilihana sy ny fitsaràna an-tendrony hatrany izy na tany amin’ny sekoly ambaratonga fototra, na teo amin’ny manodidina. Na izany aza dia nahazo fampaherezana sy fiononana kosa izy tao anatin’ny fianakaviany, indrindra fa avy tamin-drainy, ka afaka niatrika ireo sedra rehetra ireo. Io rainy io dia mbola mijoro ho mpiaro sy andry lehibe indrindra iankinany hatramin’izao.

Tsy mora tamiko ny niaina ny maha-varira ahy nandritra ny fahazazako, saingy ny fianakaviako no andry voalohany niankinako sady nanampy ahy handresy izany rehetra izany.

Charlotte

Nihanatoky tena tsikelikely izy rehefa nandray anjara tao anatin’ny fiainan’ny fiaraha-monina nisy azy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fiainana tao an-tsekoly I Charlotte, teo anivon’ny Fokontany misy azy ary teo anivon’ny fiangonana koa. Tamin’ny alalan’ny andraikitra noraisiny tao anatin’ireo sehatra ireo dia nitombo ny fahatokian-tenany, afaka nanorina fifandraisana tamin’ny hafa izy ary afaka nianatra nanaiky tanteraka ny fahasamihafana misy teo aminy sy teo amin’ny hafa.

Nanampy ahy betsaka ny fandraisana anjara tao anatin’ny fikambanana. Nitombo ny fahatokisako tena ary tsapako fa afaka mitondra zavatra mahasoa ho an’ny hafa koa aho,” hoy izy manazava ny antony nanosika azy hirotsaka an-tsehatra.

Io fahavononany hirotsaka an-tsehatra io no nitarika azy hiditra tao amin’ny Fikambanan’ny « Namana Varira ». Tamin’ny voalohany dia ny fifanakalozana sy ny fizarana traikefa no nahasarika azy tao, saingy voafidy ho filohan’ny fikambanana noho ny fitokisana napetraky ny mpikambana taminy sy ny fahaizany mandray andraikitra izy tatỳ aoriana.

Fihaonana iray nanova fiainana

Tao anatin’ity fikambanana ity no nihaonan’i Charlotte tamin’i Jaonathan, varira ihany koa izy. Avy any Joffre Ville i Jaonathan, avy ao amin’ny faritra nisy an’i Charlotte ihany izy, ary somary niavaka kely ny fahazazan’i Jaonathan. Sarotra tamin’ny fianakaviany ny nanaiky fa varira izy, ka voatery nianatra niankina tamin’ny tenany samirery izy hatry ny fahakeliny.

Hatramin’ny fotoana nianarany tao amin’ny ambaratonga faharoa fototra no efa nanaovany asa tanana madinika sy nananany asa fivelomana isan-karazany mba hoenti-mamatsy ny fianarana sy hanohizany ny nofinofiny ho lasa dokotera. Mpianatra ao amin’ny taona fahenina amin’ny sampam-pampianarana ho mpitsabo i Jaonathan ankehitriny, ary mbola manohy ny diany amim-pahavononana sy faharetana na eo aza ireo sakana maro sedraina eny an-dalana.

Tamin’ny taona 2023 ny tantaran’izy ireo no niantomboka, nandritra ireo fivoriana sy hetsika tao amin’ny fikambanana. Tao anatin’ny fotoan-tsarotra manokana nolalovany no nifanenan’i Charlotte tamin’i Jaonathan izay teo hatrany nanohana azy tam-pitiavana. Nihamafy tsikelikely ny fifandraisan’izy ireo. Nanamora ny fifankazahoana ny toe-batana mahavarira azy ireo.

Lasa ray aman-drenin’i Johan, zazalahy kely iray izy ireo, taona vitsy tatỳ aoriana. Gaga ny maro. Na dia samy varira aza ny ray aman-dreniny, dia tsy varira kosa i Johan. Toe-javatra tsy fahita firy izany ka niteraka fanontaniana sy tsaho maro, ary indraindray aza nisy ny nametraka fisalasalana ny amin’ny fahatokian’i Charlotte tamin’ny vadiny. Niparitaka ny resaka sy fanehoan-kevitra maharary, eny na dia avy amin’ny olona akaiky sasany aza.

Na izany aza, tsy navelan’izy mivady hanohintohina ny tokantranon’izy ireo ny fitsarana ivelany sy ny tsikera. Niaiky i Charlotte fa talohan’ny niterahany ny zanany dia naniry mangina ny hanana zaza varira izy.

Natahotra aho sao misy andro iray handavan’ny zanako ahy raha tsy varira izy, satria hafa aho,” hoy izy nizara tamim-pahatsorana.

Levona tanteraka izany tahotra izany ankehitriny. Lasa rehareha lehibe indrindra ho an’i Charlotte i Johan. Zaza tiana izy, tsy voafetran’ny volon-koditra sy ny bika aman’endrika izany. Voakarakara tsara izy ary mitombo amim-pifaliana ao anatin’ny fianakaviana miray hina sy feno fitiavana.

Mahery noho ny fitsaràna ivelany ny fitiavana

Amin'ny alalan'ny fandraisany anjara ao amin'ny fikambanana sy ny traikefa manokana ananany dia vavolombelon’ny fivoarana miandalana tamin’ny fomba fijerin’ny olona momba ny varira ihany koa i Charlotte. Na tsy mbola levona tanteraka aza ny fitsarana ivelany sy ny fanavakavahana dia mino izy fa mihamaro ireo olona mahafantatra sy mahatakatra ny zava-misy iainan’ ny varira ary mihamandray azy ireo bebe kokoa ny fiaraha-monina.

Maniry ny hampita hafatra tsotra ho an’ireo tanora varira miaina anaty toe-javatra toy ny niainany i Charlotte mandritra ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fampahafantarana mikasika ny Varira: “Mireharehà amin’ny maha-ianareo anareo. Ekeo sy tiavo ny tenanareo araka ny maha-izy azy anareo.”

Manentana ihany koa ireo ray aman-dreny izy, ny fianakaviana ary ny havan’ireo olona varira, satria ny fanohanana sy ny fitiavana omen’izy ireo dia afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny lalan-kizoran’ireo olona ireo.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra izahay. Anisan’ny fiaraha-monina izahay. Koa aza ahilikilika, ary aza lavina.

Charlotte

Ankehitriny, mirehareha ny amin’ny lalana nodiaviny i Charlotte. Kanefa mihoatra noho izany aza, dia mirehareha ny amin’ny fianakaviana naoriny niaraka tamin’i Jaonathan sy Johan izy — fianakaviana iray izay manaporofo isan’andro fa mahery lavitra noho ny fitsarana ivelany sy ny fanavakavahana ny fitiavana.

Naoty: Ny UNICEF dia miasa mba hahafahan’ny ankizy rehetra mitombo ao anatin’ny tontolo iray manaiky sy mampiaty ny rehetra - anisan’izany ireo ankizy miaina anaty fahasembanana sy ny varira. Amin’ny alalan’ny Politika sy Paikady momba ny Fampiatiana ny Olona manana Fahasembanana (DIPAS 2022-2030), no anoloran’ity fikambanana ity tena hiady amin’ny fanavakavahana, ny fanilikilihana ary ireo sakana izay manemotra na manakana ny fandraisana anjara feno avy amin’ny ankizy eo amin’ny fiarahamonina. Manohana ny fahafahan’ny ankizy rehetra hahazo tolotra ara-pahasalamana, fanabeazana, fiarovana ary mandray anjara mitovy sy ara-drariny ny UNICEF, mba hahafahan’ny ankizy tsirairay hampivelatra ny fahaizany sy ny talentany ary ho ekena sy hajaina, na inona na inona maha-samy hafa azy.