Manao antso fanairana mikasika ny mety ho fiantraikan’ny toetrandro, ny ny fivoaran’ny mponina ary ny tsy fitovian’ny fahafaha-misitraka ny teknolojia amin’ny hoavin’ny ankizy any amin’ny taona 2050 ny UNICEF
Antananarivo, 27 novembre 2024 – Nanao antso fanairana ny UNICEF fa raha tsy misy fepetra haingana horaisina ho fiarovana ny zon’ny ankizy maneran-tany dia mety ho tandindomin-doza ny hoavin’izy ireo vokatry ny fivadibadiky ny toe-javatra mitranga eto amin’izao tontolo izao. Nisongadina tao anatin’ny tatitra manokana navoakany ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy ity antso fanairana ity.
Fironana telo lehibe no tsikaritra maneran-tany izay mety hisy fiantraikany amin’ny ho avin’ny ankizy manomboka ny taona 2025 no mankany. Ary izay no voambaran’ity tatitra mitondra ny lohateny hoe “Ny toe-javatra iainan’ny ankizy tao anatin’ny tontolon’ny taona 2024 : ny hoavin’ny ankizy ao anatin’izao tontolo mitsimbadimbadika izao” , Ireto avy izany fironana telo lehibe telo izany: : ny fitomboan’ny mponina, ny krizy ara-toetr’andro sy ny tontolo iainana, ary ny fivoaran’ny teknolojia. Ireo no fomba handrefesana ny fihaikana sy ny zavatra azo atao hiantohana ny ho avin’ny ankizy manomboka amin’ny taona 2050 .
Eto Madagasikara, toy ny amin’ny firenena hafa, dia takiana ny fandrindrana ara-politika haingana sy ny ny fitadiavana loharanom-bola hoenti-mamaly ny filàn’ny ankizy ao anatin’izao tontolo iainana mivoatra be izao.
Mikasika ny fitombon’ny mponina: ao anatin’ireo am-polo taona ho avy dia hisy ireo faritra eto amin’izao tontolo izao ho antitra koka ireo mponina ao aminy, raha toa ka hijanona ho tanora kosa ny any amin’ny faritra sasany. Miisa 14,4 tapitrisa ankehitriny ny isan’ny ankizy eto Madagasikara ary heverina fa hiakatra 24 tapitrisa izany amin’ny taona 2050. Na dia efa azo lazaina midina aza ny taha satria ho 41%-n’ny mponina izy ireo amin’izany raha toa ka 50% ankehitriny. Midika izany fa ho anisan’ireo firenena manana fidiram-bola ambany nefa manana ankizy marobe i Madagasikara.
Efa loza mananontanona ny firenena isanandro ny olana ara-toetrandro sy ara-tontolo iainana. Firenena iray amin’ireo 10 manana ankizy mizaka ny vokatry olana ara-toetrandro mafy indrindra i Madagasikara araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF tamin’ny taona 2021. Manelingelina ny fahasalamana, ny filaminan-tsaina sy ny fitombon’ny ankizy ireo olana ireo satria dia mampitombo ny trangan’aretina ny fiovaovan’ny toetrandro be loatra sy ireo loza voajanahary mahery vaika. Nitombo be ny trangan’ny tazomoka noho izany. Niakatra ho 2,9 tapitrisa ny tranga hita tamin’ny taona 2023. Tandindomin-doza ny fahafahana misitraka rano fisotro madio sy ny sakafo ara-pahasalamana. Mahatratra 24% ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika eo an-toerana. Tsy mihinana afatsy sokajy iray na roa amin’ireo sokajy 8 misy ireo ankizy ireo. Eo koa ny fahalotoan’ny rivotra izay manimba ny fahasalaman’ny zaza, Farany dia lasa fihaikana lehibe koa ny fanabeazana. Voalazan’ny BNGRC na ny birao nasionaly miandraikitra ny fitantanana loza voanjanahary faefitrano fianarana 7.450 no rava na simba tao anatin’ny telo taona noho ny fandalovan’ny rivodoza..
Eo ihany koa ny fihaikana mifandraika amin’ny resaka teknolojia vaovao. Ny angon-drakitra azo avy amin’ny ARTEC dia nanambara fa 32,57%-n’ny mponina monja no afaka misitraka aterineto tamin’ny taona 2023. Toa voahilika araka izany ireo tsy afa-misitraka ny tontolo niomerika satria tsy afaka mahita ireo soa fanararaotra misy ankehitriyn sy amin’ ny ho avy. Eo ko any tsy fahampian’ny herinaratra sy ny tsy fisian’ny foto-drafitrasa manara-penitra izay vao maika mampitombo ny tsy fitoviana amin’ny fisitrahana ny teknolojia niomerika. Ho an’ Madagasikara manokana dia olona fito isaky ny olona folo ny tsy misitraka herinaratra[2] ao an-tranony.
Ankoatri’izay dia anisan’ireo firenena 28 voasikajy ara-toe-karena ho firenena manana fidiram-bola ambany indrindra i Madagasikara. Betsaka ny fihaikana ho an’ireo ankizy ho velona any amin’ny taona 2050 ho an’ireo sehatra fito hitarafana ny toe-java-misy sy anaovana fanadihadiana: fahavelomana sy taha-pahavelomana, fivoarana ara-tsosialy sy ara-toe-karena, , fanabeazana, miralenta , fifandirana, fanitarana ny tanàna, ary tontolo iainana. Ny tatitra “Toe-draharaha maneran-tany momba ny ankizy ao anatin’ny tontolo 2024 : Ny hoavin’ny ankizy amin’ny tontolo miovaova” dia manasongadina fa ilaina ny fametrahana ny zon’ny ankizy — toy izay voalaza ao anatin’ny ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy — izay ivon’ny fitambaran’ny paikady sy ny politika ary ny fepetrarehetra raisintsika. Ary izany no mahatonga ny UNICEF hanao antso fanairana ho an’ny hetsika sy fandaharanasa azo tsapain-tanana ho fanohanana ny ankizy, indrindra amin’ny sehatra manaraka ireto:
Famatsiam-bola goavana ho an’ny fanabeazana, ary indrindra ny fampiroboroboana talenta ho an’ny ampitso ao anatin’ny fanabeazana tsara kalitao sy ny fananganana foto-drafitrasa niomerika mba hiantohana ny fahafaha-misitrakaho an’ny rehetra ao anaty fandraisan’andraikitra.
- Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro : fametrahana tolotra afaka miatrika zava-tsarotra sy rafitra fanairana mialoha sy politika sy fepetra mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro sy fanatsarana mitohy ny rafitra fiomanana sy fiatrehana ny loza izay manome lanja ny filaminan-tsain’ny ankizy..
- Fampahaleovan-tena ny ny ankizy vavy amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. Fanovana koa ny fenitra ara-piaraha-monina amin’ny alalan’ny fametrahana fandaharanasa mamporisika ny miralenta.
[1] FRENCH-child-food-poverty-2024-brief.pdf
[2] Accès à l'énergie à Madagascar-Banky Iraisam-pirenena- Septambra 2024
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn