Na dia efa mandroso tsikelikely aza ny ezaka maneran-tany amin’ny fandraketana an-tsoratra ny kopiam-pahaterahana ho an’ny ankizy dia mbola mbola misy ankizy 150 tapitrisa no “tsy hita soritra”. - UNICEF

Misy tatitra vaovao mitantara ireo fandrosoana vita sady manasongadina koa ireo fahasamihafana nisy (indrindra aty amin’ny faritra atsimon’i Sahara aty Arika) izay ahitana ankizy an-tapitrisany maro tsy manana kopiam-pahaterahana.

12 Desambra 2024
Portrait of a mother with her children.
UNICEF/UNI587859/Ramasomanana

NEW YORK, 11 desambra 2024 — Ankizy latsaky ny dimy taona mihoatra ny 500 tapitrisa (izany hoe manodidina ny ankizy valo isaky ny folo), no efa nahazo kopiam-pahaterahana tao anatin’ny dimy taona farany. Manaporofo ny fandrosoana lehibe maneran-tany amin’ny fampanarahan-dalàna ny ankizy ity tarehimarika ity, araka ny tatitra vaovao navoakan’ny UNICEF androany.

Tamin’ny fankalazana ny faha-78 taonan’ny UNICEF no namoahana ity tatitra mitondra ny lohateny hoe “The Right Start in Life: Global levels and trends in birth registration, 2024 update” izay azo adika hoe “Fanombohana fiainana ara-dalàna : Maridrefy sy ezaka maneran-tany amin’ny fanomezana kopiam-pahaterahana – Angon-drakotra nasiam-panavaozana 2024”. Ity no angon-drakitra farany mikasika ny ezaka fandraketana an-tsoratra sy fanomezana kopiam-pahaterana vita nanomboka tamin’ny taona 2019. Tafakatra 77 % amin’izao fotoana ny taha maneran-tany amin’ny fandraketana an-tsoratra ny fahaterahana, raha 75 % izany taloha. Na izany aza, mbola misy ankizy miisa 150 tapitrisa latsaky ny dimy taona — izany hoe ankizy roa isaky ny folo eo ho eo — mbola tsy voarakitra an-tsoratra ara-dalàna ao anatin’ny rafitra ofisialim-panjakana.

Ankoatra izay, araka ny voalazan’ity tatitra ity ihany, dia mbola mihoatra ny 50 tapitrisa ny ankizy efa voarakitra an-tsoratra ara-panjakana ny fahaterahany saingy tsy mbola nahazo kopiam-pahaterahana. Io kopia io anefa no porofo maha-olom-pirenena ny zaza iray, hahalalàna fa zaza mizaka zo maha-olom-pirenena izy ary afaka misitraka ny zo rehetra amin’ny maha-ankizy azy hatrany am-pahaterahana.

Nanazava Ramatoa Catherine Russell, Tale Jeneralin’ny UNICEF fa« Ny fandraketrana an-tsoratra ny fahaterahana no miantoka ara-pitsarana fa olom-pirenena ny zaza teraka ary izay no fototra ilaina hahafahany misitraka ny fiarovana amin’izay mety ho fanararaotana sy herisetra mianjady aminy sy hahafahany misitraka ihany koa ireo tolotra fototra toy ny fanaovam-baksiny, fitsaboana ary fanabeazana, » . «Manamarika ny faha-78 taonan’ny asa fiarovana ny zon’ny ankizy ny UNICEF androany, ary faly tokoa izahay mahita fa ankizy an-tapitrisany maro no efa manana kopiam-pahaterahana, nefa koa manentana ny rehetra hanamafy ny ezaka mba hahazoana antoka fa ny ankizy tsirairay, na aiza na aiza eto an-tany, dia voarakitra an-tsoratra ny fahaterahany. »

Misy izao fandrosoana hita maneran-tany izao satria maro ny firenena nanao ezaka goavana ka nametraka ny fandraketana an-tsoratana ny zaza teraka tao aminy ho isan’ny laharam-pahamehana. Nomena tombontsoa hisitraka ny rafitra ara-pahasalamana, fiarovana ara-tsosialy ary fanabeazana izy ireo. Nampitomboina koa ny isan’ny birao fanoratana anarana ary nampiasa rafitra nomerika ny fanjakana. Natao maimaimpoana ho an’ny vahoaka koa ny asa rehetra.

Eto amin’ny faritra Afrika Atsimon’i Sahara, dia hita fa tsy mitovy ny fandrosoana sy ny taha amin’ny fandraketana an-tsoratra ny zaza teraka. Raha mitana ny laharana voalohany i Afrika Atsimo amin’ny taha 88% amin’ny zaza voarakitra an-tsoratra ara-dalàna, dia Afrika Andrefana kosa no nahitana fandrosoana lehibe indrindra tao anatin’ny 15 taona, ka mahatratra 63% ny vokatra amin’izao fotoana izao. Etsy andaniny, Afrika Atsinanana sy Afrika Afovoany no manana ny taha ambany indrindra: 41% monja. Na izany aza, raha tsy misy fiovana haingana, dia mety ho tafakatra mihoatra ny 100 tapitrisa ny ankizy ao amin’ny Afrika Atsimon’i Sahara (faritra izay hisy ny ankamaroan’ny ankizy eran-tany ao anatin’ny am-polony taona ho avy). no tsy ho voarakitra an-tsoratra ara-dalàna ny fahaterahany mialoha taona 2030,

Ho an’i Madagasikara manokana, tao anatin’ny folo taona monja, dia nihena be ny taha nasionaly amin’ny firaketana an-tsoratana ny zaza teraka. Raha 83% izany tamin’ny taona 2012 dia nidina ho 74% kosa tamin’ny 2021. Ankoatra izany, mibaribary ny tsy fitoviana amin’ny amin’ny faritra samy hafa: 97% ho an’ny faritra Analamanga raha toa ka 42% any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Lasa miteraka tsy fitoviana lehibe eo amin’ny ankizy koa izany fahasamihafana izany, arakaraka ny toerana onenany.

Miantso ny hanatanterahana ireto dingana fototra manaraka ireto ny UNICEF mba hiantohana fa voarakitra an-tsoratra sy voaaro ny zaza tsirairay:• Soratana amin’ny fotoana ahaterahana anaran’ny zaza rehetra, mba hananany ny maha-izy azy ara-pitsarana mandritra ny androm-piainana ;

• Atao tsotra kokoa ny ny fepetra ara-panjakana takiana mba hanatsarana ny tolotra sy hanohanana ny fanavaozana nomerika ;

•Ampifandraisana ny fandaharanasa ara-pahasalamana, fiarovana ara-tsosialy ary fanabeazana mba hampitombo ny fandraketana an-soratana ny anaran’ny zaza vao teraka ;

• Tanterahina ny fanavaozana ara-pitsarana ilaina mba hananana rafitra fandraketana an-tsoratra ny maha-olom-pirenena sy ny angon-drakitra mikaiska ny olom-pirenena mampiaty sy mampitovy zo ny rehetra.

Voaresaka manokana ao anatin’ny tolo-kevitry ny Komity mpiaro ny zon’ny ankizy ao amin’ny Firenena Mikambana[3] , ny olana momba ny fandraketana an-tsoratra ny zaza vao teraka eto Madagasikara. Manome toromarika manokana toy izao izy ireo:“Tokony handray fepetra hentitra ny Fanjakana mba hanarenana ny fidinan’ny tahan’ny fanambarana ny fahaterahana, indrindra amin’ny alalan’ny fametrahana teti-bola ampy hanatanterahana ny drafitra nasionaly stratejika momba ny rejisitra sy ny antontan’isa ara-panjakana. Tokony horaisina ihany koa ny fepetra iarahana amin’ireo andrim-panjakana sy mpiara-miombon’antoka, toy ny fanafoanana ny fandoavam-bola amin’ny fahataran’ny fanambarana fahaterahana, ary ny fampitomboana ny tahan’ny fandraketana an-tsoratra ny zaza teraka any amin’ny faritra mbola ambany ny taha,toy ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.”

---

[1] Fanadihadiana EDS (Fanadihadiana ara-demôgrafika sy ara-pahasalamana) – INSTAT [2] Fanadihadiana ENSOMD (Fanadihadiana Nasionaly ho an’ny Fanarahana ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra) – INSTAT [3] Fanamarihana famaranan-kevitry ny Komity iraisam-pirenena momba ny Zon’ny Ankizy momba an’i Madagasikara (2022), Andininy faha-20, manamafy ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra faha-16.9 izay mikendry ny “hiantohana fa ny olona rehetra dia manana maha-izy azy ara-dalàna sy ara-panjakana amin’ny alalan’ny fisoratam-pahaterahana, alohan’ny taona 2030.”

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar
Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn