Ady amin’ny fampiasaina zaza tsy ampy taona eto Madagasikara : fanamafisana ny fandraisana andraikitra miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny OIT sy UNICEF

22 Aprily 2025
Signature de l'engagement contre le travail des enfants
UNICEF Madagascar/2025/Andriantsoarana

Antananarivo, 22 aprily 2025 – Nanamafy indray ny fandraisany andraikitra amin’ny fanomezana tohana ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampanana asa ary Asam-panjakana, ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ary ny UNICEF tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana (Protocole d’accord) ho an’ny fandrafetana ny Tetik'asa Nasionaly ho amin'ny Ady amin'ny Fampiasana Zaza tsy ampy taona – Dingana faha-2 izay natrehin’ny Minisitry ny Asa, ny Fampanana asa ary Asam-panjakana.

Araka ny tombatombana nomen’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) tamin’ny taona 2017 dia mahatratra 152 tapitrisa ny zaza tsy ampy taona vokasik’ity olana maneran-tany ity (42% vavy, 58% lahy). Eto Madagasikara, dia 47%-n’ny ankizy ao anatin’ny sokajin-taona 5 ka hatramin’ny 17 taona no ampiasaina ary matetika dia ao anatina tontolo mampidi-doza sy tsy afaka hivoarany no hampiasana azy.. Ny faritra Matsiatra ambony (65%) sy Androy (62%) no tena voakasika indrindra amin’izany zava-misy izany (loharano : MICS 2018).

Tamin’ny taona 2018 dia nanaiky ho Firenena mpisava lalana ao amin’ny Alliance 8.7 i Madagasikara. Mikendry ny hamongorana ny fampiasaina zaza tsy ampy taona amin’ny endriny rehetra ity fikambanana manerantany ity. Nanao fihaikana i Madagasikara fa hanao mihoatra noho ny fandaharanasa efa novolavolaina ka hanavao ny rafitra sy ny lalàna hoenti-manohitra izany.

Efa nisy dingana lehibe vitan’i Madagasikara hatramin’ny nandraisana ny Tetik'asa Nasionaly voalohany natao tamin’ny taona 2004: fanavaozana ny lalàna nasionaly sy fametrahana ireo Komity isam-paritra miady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona (CRLTE). Tamin’ny taona 2022, ny Komity iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy dia nanoso-kevitra an’I Madagasikara mba hanafaingana ny fandaniana ny tetikasa nationaly vaovao miady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy hampitombo avo roa heny ny ezaka ho famongorana ny tranga-na fampiasana zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vahoaka sy ny fampitomboana ny isan’ny inspekitera mpanara-maso ny asa. Ity hetsika ity dia mifanaraka tanteraka amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona izay andry lehibe iray ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny rahateo.

Nankatoavin’ny Minisiteran’ny Asa ny lalàna vaovao n°2024-014 natao tamin’ny 14 aogositra 2024 izay niarahana ombonantoka tamin’ny OIT sy UNICEF. Manome alalana ny inspekiteran’ny asa hanitatra ny ambaindain’ny asany any amin’ny amin’ny sehatr’asa tsy ara-

dalàna toy ny asa an-trano io lalàna vaovao io —satria ireo koa no sehatra tena ahitana betsaka ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

Na eo aza izany ezaka izany dia mbola maro ny sehatra eto Madagasikara no ahitana fampiasana zaza tsy taona. Teo koa indrindra indrindra ny akon’ny ny COVID-19 teo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-piarahamonina. Manoloana ny Antso ho amin’ny hetsika natao tany Durban – Afrika Atsimo tamin’ny 2022 (nandritra ny Fihaonambe maneran-tany faha-5 ho amin’ny famongorana ny fampiasana zaza tsy ampy taona) sy ho fanatrarana tanjon’ny ODD 8.7, dia zava-dehibe ny mampitombo hatrany ny ezaka atao sy ny mandrafitra paikady azo ampiharina sy ahitana ny ankolafin-kery rehetra. Ao anatin’izay tontolon-kevitra izay no nandrafetana ny Tetik'asa Nasionaly ho amin'ny Ady amin'ny Fampiasana Zaza tsy ampy taona, taona 2025–2040.

Fifandraisana

Emma Raboanaly
OIT
Tel: 034 05 102 55
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn