Tsylavina, mpiantsehatra ara-tsosialy miasa ao anatin’ny sehatra fiarovana ny ankizy

Ireo mpiantsehatra ara-tsosialy dia eo anoloana hatrany amin’ny fanohanana ny ankizy sy ny fianakaviana mandritra ny fotoan-tsarotra, toy ny tondra-drano. Mijery, mihaino ary manohana azy ireo izy ireo mba hampiverina azy ireo anivon’ny fiaraha-monina.

Abela Ralaivita et Yvanna Karim
Photo portrait de Tsylavina
UNICEF Madagascar/2025
21 Martsa 2025

Razafinatolojanahary Mirana Tsylavina dia mpisehatra ara-tsosialy feno fanoloran-tena miasa eo anivon’ny Kaominina an-dRenivohit’Antananarivo. Manan-janaka lahy telo izy ary efa 17 taona no nanaovany ity asa ity ka anananany ny traikefa. Miasa tsy an-kijanona izy mba hanatsarana ny toe-piainan’ireo ankizy sy ny fianakaviana sahirana. Ary vao maika mihitatra izany iraka ampanaovina azy izany mandritra ny fotoanan’ny fahasarotana.

Tao anatin’ny herinandro mahery dia nahatratra 200 eo ho eo ny isan’ny fianakaviana tra-boina izay voatery nandao ny fonenany vokatry ny tondra-drano nateraky ny firotsaky ny orana tsy an-kiato nandritra ny vanim-potoanan’ny rivo-doza no nahazo fialofana vonjimaika ao amin’ny ivon-toerana fampiantranoana.

Mandeha isanandro any an-toby i Tsylavina mba hitondra fanohanana sy hamaly ireo filàna maika ho an’ny tra-boina. Maro ireo asa manan-danja ataony toy ny fanomezana tohana ara-tsaina ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana vesaram-pahoriana, manentana mikasika ny dingana tokony hizorana raha misy tatitra fanairana mifandraika amina tranga-na fampijaliana mihatra ny olona na ankizy iray tokony hatao, manazava ireo tolotra isan-karazany misy hoenti-manohana ny fianakaviana ary koa miresaka mikasika ireo fepetra mifandraika amin’ny fahadiovana izay tokony hajaina hatrany ao anatin’ireny toby fandraisana ny tra-boina ireny.

" Mandritra ny fotoan-tsarotra, dia zava-dehibe ny manentana ny fianakaviana mahakasika ireo fomba hiarovana ny ankizy amin’ny herisetra satria fianakaviana tra-boina maro no mifanosihosy ao an-toby " hoy Tsylavina

Tsylavina miresaka amin’ny ankizy iray sy ny fianakaviany.
UNICEF Madagascar/2025 Tsylavina miresaka amin’ny ankizy iray sy ny fianakaviany.
Tsylavina miresaka amin’ny ankizy iray sy ny fianakaviany.
UNICEF Madagascar/2025 Olona sasantsasany makamaka aina mandritra ny tontolo andro ao amin’ny toby fandraisana ny tra-boina.

Fidirana an-tsehatra voarindra

Eo anatrehan’ny toe-java-misy, ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia mitondra ny fanohanana ho an’ireo mpiantsehatra ara-tsosialy toa an’i Tsylavina  mba ahafahana manome ireo tolotra tena ilaina rehetra ho amin’ny fiarovana ny ankizy. Mifanindran-dalana amin’izay tohana izay dia misy koa ireo fidirana an-tsehatra samihafa napetraka mba hiantohana ny fitohizan’ny fisitrahan’ireo tra-boina rano madio mba hananany toe-pahasalamana tsara. Misy koa ireo fitaovam-pianarana nozaraina mba hahafahan’ny ankizy miverina mianatra malaky.

Tsapan’i Tsylavina tsara ny maha-zava-dehibe ny andraikitra raisiny ary miezaka izy miara-miasa amin’ireo mpiantsehatra samihafa eo an-toerana mba hanamafisana ny fahombiazana eo amin’ny fidirana an-tsehatra rehetra atao. Manao mihoatra noho ny asa fatao an-davanandro izy ary tena manoto-tena satria resy lahatra tanteraka izy fa ny ankizy tsirairay dia mendrika hitombo ao anaty tontolo azo antoka sy tsara fandraisana azy.

« Ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra dia mitaky faharetana sy toe-tsaina miabo. Ny mpiantsehatra ara-tsosialy dia natao indrindra indrindra hanome fitiavana be dia be, ary izay no iraka ampanaovina ahy. Miditra an-tsehatra tanteraka aho mba hiaro azy ireo sy hanohana ireo olona ao anatin’ny fiaraha-monina misy ahy », hoy izy nizara ny heviny taminay.

« Ny fanantenako dia mba ho voaaro, ho lavitry ny herisetra ny ankizy sy ny olon-dehibe».

Mitsiky ery ireto ankizy mandritra ny ora fisakafoanana na dia eo aza ny sedra tsy maintsy lalovany.
UNICEF Madagascar/2025 Mitsiky ery ireto ankizy mandritra ny ora fisakafoanana na dia eo aza ny sedra tsy maintsy lalovany.