Ireo mety ho vokatra ateraky ny valan’aretina COVID-19 eo amin’ny ankizy eto Madagasikara
-

Lafiny mampahatanjaka
Ato amin’ity naoty ity, izay novokarina niaraka tamin’ny Oxford Policy Management, dia averintsika hojerena ireo sasantsasany tamin’ireo vokatra lehibe izay noeritreretina hitranga ao anatin’ny fe-potoana antonony noho ny kirizy ara-pahasalamana sy ara-toekarena, araka ireo traikefa maneran-tany sy ny fikarohana vaovao mahakasika io aretina io.
Ety am-boalohany dia hijery ireo vokatry ny krizy ara-toe-karena eo amin’ny fahantran’ny ankizy sy ny anjara asan’ny fiahiana ara-tsosialy mba hanalefahana ny vokatry ny krizy isika, ary manaraka izany dia handinika ny fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny fanjariantsakafo.
Avy eo dia ny vokany eo amin’ny fanabeazana sy ny fampivelarana ny ankizy indray no hodinihantsika. Fahaefatra, hijery ny fiantraikany eo amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny miralenta isika. Ary farany isika dia hifantoka amin’ireo karazany marolafy mahakasika ireo tranga ara-pahasalamana sy ara-toe-tany ary ara-toe-karena tsy nampoizina. Ny fanamarihana dia manolotra tolo-kevitra mivaingana hiatrehana ny krizy, amin'ny fijerena ny filan'ny ankizy sy ny fianakaviany.
