Tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy atỳ Madagasikara
Dosie politika

Mahakasika
Ny tsy fitoviana amin’ny maha-lahy na vavy dia hita taratra amin’ny lafiny maro amin’ny fahasalamana sy fiadanana (“bien-être”) sy amin’ny fanatanterahana ny zon’ny ankizy; zava-dehibe araka izany ny hanaovana fanadihadiana ny hery aman-ketsika mifandraika amin’ny maha-lahy na vavy izay manamafy ny tsy fahampiana eo amin’ny ankizy, mba hijerena ireo antony amin’ny sehatra isam-batan’olona, fianakaviana ary fiarahamonina. Araka izany, ny tanjona fototr’ity fikarohana ity dia ny handalina ny tsy fitoviana mifototra amin’ny maha-lahy na vavy amin’ny resaka zon’ny ankizy, miainga amin’ny antontanisa MICS (Ny Multiple Indicator Cluster Survey nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Institut National de la Statistique (INSTAT) sy ny fiaraha-miasa tamin’ny UNICEF) sy angon-kevitra ara-kalitao vaovao. Nampiasa fomba fiasa mifangaro ny fikarohana. Ny fanadihadiana araka antontanisa dia niainga tamin’ny valin’ny fanadihadiana MICS tamin’ny 2018, fa ny fanadihadiana ara-kalitao kosa dia niainga tamina angonkevitra ara-kalitao nangonina teo anelanelan’ny septambra sy desambra 2021 tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Betsiboka sy Atsinanana, teo ihany koa ny resadresaka tamina tompon’andraikitra manokana teo amin’ny sehatra nasionaly. Ny vokatr’ity fikarohana ity dia hampiasaina mba hitarihana tsara kokoa ny fijerena ireo olana mahakasika ny miralenta amin’ireo fandaharan’asa isankarazany, indrindra fa mandritra ny fandaharanasan’ny UNICEF eo anivon’ny firenena ho an’ny 2021-2023 ary mba hanohanana ny fitondrana feo hanairana ny fitondram-panjakan’i Madagasikara mba ho tombony ho an’ny fampidirana ny miralenta ho ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fampandrosoana ny firenena.