Politika ara-tsosialy sy fitantanana volam-panjakana ho fanasoavana ny ankizy

Ny UNICEF dia manamafy ny fanekena noraisina, ny fanatontosana andraikitra ary ny fahafahan’ny firenena manao lalàna sy mandrafitra teti-bola, ho an'ny politika sosialy tsimialonjafy sy fitantanana ny volam-panjakana ho fanasoavana ny ankizy.

Ireo zava-tsarotra

Ny fampiasam-bola amin'ny sehatra ara-tsosialy dia misy fiantraikany amin'ny fianakaviana sy ny ankizy, ka izay no antony mahatonga azy hanampy amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara- kolotsaina ao amin'ny firenena iray. Na izany aza, eto Madagasikara, ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana (amin'ny isanjaton'ny harin-karena faobe) dia tsy mbola mahatratra ny fetra mifanaraka amin’ny tolo-kevitra iraisam-pirenena, ho tombontsoan'ny fianakaviana sy ny ankizy. Tamin'ny taona 2017, ny teti-bola ho an'ny Ministeran'ny fahasalamana dia 6 isan-jaton'ny tetibolam-panjakana ary ny fampianarana dia 18 isan-jato.

Ankoatr'izay, ny 91 isan-jaton'ny mponina Malagasy dia miaina ambanin'ny fetran’ny fahantrana eto amin’ny firenena; any amin'ny faritra ianjadian’ny haintany dia mahatratra 98 isan-jato izany. Ny ankizy no anisan'ireo tena voakasik'izany, ka ankizy 4 ao anatin’ny 5 no miaina ao anatin’ny fahantrana ara-bola. Hahatratra 20 tapitrisa ny isan'ny ankizy hatramin'ny taona 2050. Ity fivoarana haingana ity dia mety ho tombony lehibe ara-demografika na fanamby lehibe ara-toekarena sy ara-tsosialy, raha toa ka tsy raisina ho laharam-pahamehana ny olana mahakasika ny ankizy.

Ny fanohanana ny politika ara-tsosialy sy ny fandresen-dahatra mirindra notanterahan’ireo mpisehatra ara-tsosialy samihafa dia ilaina mba hiatrehana ireo fanamby ireo.

Ireo hetsika notanterahan’ny UNICEF

Fandresen-dahatra momba ny fampiasam-bola amin'ny sehatra ara-tsosialy sy ny fangaraharana mikasika ny tetibolam-panjakana

Nanomboka tamin'ny taona 2016 dia nikarakara hetsika isan-karazany ny UNICEF mba hanatanterahana fandresen-dahatra mikendry ny fampiasam-bola amin'ny sehatra sosialy (fahasalamana, fanabeazana, sakafo ara-pahasalamana, fiahiana ara-tsosialy, rano ary fanadiovana) sy ny fahazoana tetibola mangarahara.  Izany fangaraharahana izany dia hahafahana manaraka akaiky ny fitsinjarana sy ny fandaniam-bola ho an'ny sehatra ara-tsosialy sy ny ankizy, amin'ny alalàn’ny fiaraha-miasa amin'ny Tale Jeneralin'ny Tetibola ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola. Ireo hetsika ireo dia ahitana ireto:

• Fanohanana ny famolavolana sy fampahalalana ny vahoaka momba ny tetibola ho an’ny daholobe ary fanaovana tatitra mikasika izany ho an’ny olom-pirenena;
• Fanohanana ny famolavolana sy ny fanapariahana fandaharana mikasika ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana;
• Famoronana sy fampandehanana tranonkala iray momba ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana;
• Fanohanana ny famokarana tatitra an-dahatsary mikasika ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara
 

Fanatevenam-pahaizana ho an’ireo mpiara-miombon'antoka eto an-toerana hanatsarana ny famolavolana ny tetibola ho an’ny sehatra ara-tsosialy

Ny UNICEF dia nikarakara fifanakalozan-dresaka ara-politika teo amin’ny mpiaramiombon’antoka eto an-toerana sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena mba hahazoana tetibolam-panjakana mifanaraka amin'ny tanjona kendrena eo amin'ny sehatra samihafa (fahasalamana, fanabeazana, sakafo ara-pahasalamana, fiahiana ara-tsosialy, rano ary fanadiovana).

Ity fifanakalozan-dresaka ity dia manampy amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanatanterahana izany ary ny fampitomboana ny fahafahan'ny firenena manao lalàna, mandrindra ary mamolavola teti-bola ho an'ny politika ara-tsosialy tsimialonjafy.

Ny fampielezana ny tetibolam-panjakana mikasika ny sehatra ara-tsosialy eny anivon’ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety ary ireo mpikambana amin'ny sehatra tsy miankina dia tafiditra ao anatin'ny fanatevenam-pahaizana izay nokarakarain’ny UNICEF.

Ressources

Léonie,misitraka ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira

Leonie sy ny zanany dia misitraka ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira

Jereo

Let Us Learn, fanohanana ara-bola hoan'ny ankizivavy

10 taona teto Madagasikara izao ny fandaharana Let Us Learn

Jereo

FIAVOTA, fandaharanasa fanohanana ara-bola

FIAVOTA,fandaharanasa fanohanana ara-bola hanampiana ireo fianakaviana tratry ny haintany any atsimo

Jereo

Fiahiana ara-tsosialy faobe sy tsimialonjafy ho an’ny ankizy

Mizotra mankamin’ny fiahiana ara-tsosialy faobe sy tsimialonjafy ho an’ny ankizy eto Madagasikara

Vakio ny andinindininy

Ny ankizy manoloana ny ny fandraharahana ara-pambolena

Famakafakana mikasika ny fiantraikan'ny sehatry ny fandraharahana ara-pambolena sy ny voly manoloana ny zon'ny zaza any amin'ny faritra Sava, Analanjirofo

Vakio ny andinindininy

Ireo mety ho vokatry ny COVID-19 eo amin'ny ankizy

Ireo vokatry ny krizy ara-toe-karena eo amin’ny fahantran’ny ankizy sy ny anjara asan’ny fiahiana ara-tsosialy mba hanalefahana ny vokatry ny krizy.

Vakio ny andinindininy

Valin’ny MICS faha-6 (2018)

Ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-demografikan’ny tokantrano dia mbola marefo hatrany eto Madagasikara. Izany no nivoitra tamin’ny valin’ny MICS2018

Jereo

Ireo tsy fahampiana samihafa amin’ny ankizy eto Madagasikara

ireo vokatra lehibe azo tamin'ny famakafakana ireo antontan’isa azo tamin’ny fanadihadiana MICS-6

Vakio ny andinindininy