Mizotra mankamin’ny fiahiana ara-tsosialy faobe sy tsimialonjafy ho an’ny ankizy eto Madagasikara

-

Enfants dans le Sud Est de Madagascar
UNICEF Madagascar/2021/Rakotovoahangy

Lafiny mampahatanjaka

Mipetraka eo amin’ny laharana faha-162 amin’ny firenena 189 i Madagasikara raha araka ny Mari-pamantarana ny Fivoaran’ny maha-olona (IDH) ka manasokajy azy ao anatin’ny kilasin’ny manana fampandrosoana ny maha-olona ambany indrindra . Amin’ny lafiny fahantrana ara-bola indray, 74,3%-n’ny mponina no mivelona amin’ny vola latsaky ny 1,90 USD isan’andro ary notombanana aza fa ny krizy vokatry ny COVID-19 dia mety hanosika ny 475 000 ka hatramin’ny 2,3 tapitrisan’ny Malagasy fanampiny ho anaty fahantrana ara-bola, arakaraka ny hamafin’ny krizy.

Raha araka ny Fanadihadihana Marolafin’ny tsy fananana mihatra amin’ny zaza (MODA) izay natao vao tsy ela izay dia voalaza fa mihoatra ny roa ampahatelon’ny zaza Malagasy (67,6%) no manana fahabangana farafahakeliny amin’ny roa amin’ny lafim-piainana manasoa azy, ary eo amin’ny iray ampahefany (23,7%) eo kosa no mijaly vokatry ny fahabangan’ny lafim-piainana efatra na mihoatra amin’ireo lafim-piainana fito manasoa azy. Ho setrin’izay taha-pahantrana lalina mianjady izay, ity naoty fampahafantarana ity dia mamintina ny fehin-kevitra lehibe sy ny sosokevitra vokatry ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF amin’ny anaran’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy (MPPSPF). Ny fanadihadiana dia mikendry ny fampitomboana ny fandrakofan’ny programa Fandaharan’asa nasionalin’ny haraton’aina fiahiana aratsosialy (PNFSS), ary mifantoka bebe kokoa amin’ireo ankizy marefo indrindra. Voalohany, hodinihina amin’izany ny vokatry ny fahantrana amin’ny mponina, ary indrindra amin’ny ankizy. Manaraka izany, hojerena ny fandrakofan’ny PNFSS ankehitriny, ary farany dia haseho ny fiantraikan’ny fampidirana fiahiana faobe ho an’ny ankizy eo amin’ny fampiasam-bola hoan’ny maha-olona. Ny famakafakana dia mifototra amin’ny fanadihadihana literatiora, fikarohana sy fidinana ifotony ary ny fanaovana kisary andrana ny fiantraikan’ny fandrakofana PNFSS bebe kokoa eo amin’ny fahantrana.

Mpanoratra
MPPSPF, UNICEF
Daty famoahana
Fiteny
Frantsay, Anglisy