Politika sosialy
Ho an'ny ankizy tsirairay, fahafahana ara-drariny eo amin'ny fiainana

Ireo zava-tsarotra
Ambony dia ambony tokoa ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara satria 22 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny olona mivelona anaty fari-pahantrana ambanin’ny 1,90 Dolara amerikanina isan’andro. Tokony hiakatra aza izany isa izany vokatry ny COVID-19 amin’ny toe-karena. Eto Madagasikara, mihoatra ny zaza efatra amin’ny dimy (82,9%) no miaina anaty fahantrana ara-bola, ary mihoatra ny zaza roa amin’ny telo (67,6%) no miaina anaty endri-pahantrana marolafy ; ary tsy voatery hisy fanaraha-maso sy ady atao amin’izany fahantrana izany akory anefa. Ankoatra izany, ireo fandaharan’asa nasionaly misahana ny fiahiana ara-tsosialy dia tsy mahasahana afa-tsy ny 2,5 isan-jaton’ny mponina, ny 2,4 isan-jaton’ny tokantrano ary ny 3,1 isan-jaton’ny zaza eo ho eo.
Ireo hetsika notanterahan’ny UNICEF
Ny vina izay mandrafitra ny politika ara-tsosialin’ny UNICEF dia miompana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampihenana miandalana ny fahantrana ara-bola sy marolafin’ny ankizy ary ny fanatsarana ny zon’ny ankizy amin’ny alàlan’ny politika ara-tsosialy tsimialonjafy, izay mahakasika ny ankizy ary mitondra fiovana amin’ny lafiny maha-lahy sy vavy. Noho izany, tena zava-dehibe ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo raki-pahalalàna misy, ireo loharanon-karenam-panjakana ary ny fanamafisana ny rafi-piahiana ara-tsosialy nasionaly, mba hiantohana vokatra amin’ny sehatra lehibe izay maharitra ary handraisana anjara amin’ny fanafainganana ny fandrosoana ho amin’ny ODD sy ny Tanjona ho amin’ny 2030.
Mifantoka amin’ny vahaolana momba ny fahantrana sy ny faharefoan’ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy izay mila vahaolana mifampiankina amin’ny sehatra telo ny fandaharan’asa : (i) rafi-pitantanana angon-drakitra sy fanaraha-maso ary fanaovana tomban’ezaka nohavaozina, miaraka amin’ny fandalinana tsy tapaka mba hanamafisana ny fahafantarana ny toe-draharaha iainan’ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy, (ii) fandaminana sy fanapahana teti-bola mahasahana ny ankizy sy ny lafiny maha-lahy sy vavy- ary mifanindran-dàlana amin’izany, ny singa ara-toekarenan’ny fampivondronana ara-tsosialy - (iii) fiahiana ara-tsosialy tsimialonjafy, eny ifotony ary azo iantrehana ny krizy, sady mahakasika ny ankizy, ny lafiny maha-lahy sy vavy ary ny olona manana fahasembanana. Izany hetsika rehetra izany dia arahana adisisika sy fifanakalozana matetika amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajy.
Ny fahantran’ny ankizy
Ny angon-drakitra dia manana hery afaka manefy ny fiainana sy ny fari-piainan’ny ankizy. Amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fahafahan’ny fanjakana mamokatra, manadihady sy mampiasa ireo raki-pahalalàna sy angom-baovao, arahin’ny fametrahana ireo rafitra fanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka nohavaozina mikasika ny zon’ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy, ny UNICEF dia mikendry ny hanatsarana ny fampahafantarana ny politikam-panjakana, ny fanaraha-maso ary ny fanaovana jery todika ny tondrom-pampandrosoana.
Fandrindrana sy famoahana teti-bola mahasahana ny ankizy sy ny lafiny maha-lahy sy vavy
Ny fandaniam-bolam-panjakana izay voatokana ho an’ny ankizy dia fampiasam-bola tsara azo tanterahina. Rehefa mampiasa vola amin’ny ankizy ny fanjakana dia miha tsara ny lafiny ara-pahasalamana, mitombo ny fidiram-bola, miroborobo ny toe-karena ary miha-manana firaisan-tsaina ny fiarahamonina.
Ny tanjon’ny UNICEF arak’izany dia ny hanamafy ny fahafahan’ny fanjakana hampandroso sy hametraka amim-pahombiazana ny politika, ny drafitr’asa ary ny teti-bola ara-toekarena tsimialonjafy, mifototra ary miantraika amin’ny ankizy sy ny lafiny maha-lahy sy vavy.
Fiahiana ara-tsosialy tsimialonjafy
Ny fiahiana ara-tsosialy dia mahafaoka ny fitambaramben’ny politika sy ny fandaharan’asa izay ilaina mba hampihenana ny vokatry ny fahantrana sy ny fanavakavahana mandritra ny androm-piainana. Ny tanjon’ny UNICEF eto Madagasikara dia ny hanamafisana orina ny paik’ady nasionalin’ny fiahiana ara-tsosialy mba hahatonga azy hahasahana kokoa ny ankizy, mba hanaja kokoa ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy vavy ary mba hisian’ny fampiatiana bebe kokoa
Ny UNICEF dia miara-mitantana ny vondron’asa ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ihany koa sy ny Cash Working Group miaraka amin’ny fanjakana, entina manamafy ny fampifandrindrana ny politika sy ny paik’ady nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fandaharan’asan’ny fiahiana ara-tsosialy mifanaraka amin’ny voina sy ny fiovan’ny toetr’andro.