Ireo tsy fahampiana samihafa eo amin’ny ankizy eto Madagasikara
Ireo vokatra lehibe azo tamin'ny famakafakana ireo antontan’isa azo tamin’ny fanadihadiana MICS-6, amin'ny alàlan'ny teknika antsoina hoe « Analyse du chevauchement des privations multiples » (MODA) izay novolavolain'ny UNICEF
Lafiny mampahatanjaka
Ity naoty fampahalalana ity dia manolotra ireo vokatra lehibe azo tamin'ny famakafakana ireo antontan’isa azo tamin’ny fanadihadiana MICS-6, amin'ny alàlan'ny teknika antsoina hoe « Analyse du chevauchement des privations multiples » (MODA) izay novolavolain'ny UNICEF. Ity famakafakana ity dia natao niaraka tamin'ny Ivotoerampirenana Misahana ny Antontan’isa (INSTAT) ary tokony raisina ho toy ny teboka fiaingana ho an’nyfanaraha-maso ny ODD 1.2.2. momba ny fahantrana marolafy izay mianjady amin’ny zaza.
Ny famakafakana MODA dia ahafahana mandeha mihoatra lavitra ny fetra maromaro mikasika ireo fomba nentim-paharazana fanaovana famakafakana mikasika ny fahantrana; ka ny lafin’ny fandrefesana ny fahatsaran’ny fiainan’ny zaza no dinihana amin’izany. Voalohany, ny fomba fandrefesana mahazatra dia manombana ny tahan’ny fahantrana eo anivon’ny tokantrano ary noho izany dia tsy afaka mamantatra izay fanavakavahana mety hitranga ao anatin’izany tokantrano izany. Faharoa, ny fandrefesana nentim-paharazana dia mandinika ny fahantrana amin'ny fomba fijery ara-bola fotsiny, kanefa ny ankizy dia manana filàna maromaro izay manana fifandraisana ankolaka fotsiny ihany amin'ny lafiny ara-bola.
Iray amin'ireo tombony lehibe azo avy amin'ny fomba fiasa MODA ny fahafahana mahita ny fifanitsahan’ireo karazana tsy fahampiana maromaro sedrain’ny zaza. Ny hevitra azo tsoahina dia hoe arakaraka ny mahamaro ny tsy fahampiana mihatra amin’ny ankizy iray amin’ny fotoana iray, no mampitombo kokoa ny fijaliany. Ohatra, ny zaza iray izay tsy ampy sakafo ary mipetraka lavitry ny tobim-pahasalamana dia ho ambany ny fahafahany miatrika aretina. Noho izany antony izany dia mahaliana ny fahafantarana, tsy ny isan’ny ankizy tratran’ny tsy fahampiana isan-karazany fotsiny ihany, fa indrindra koa hoe ireo ankizy mitovy ireo ihany ve no ianjadian’izany tsy fahampiana samihafa izany.
