Misitraka ny zony ny ankizy amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy
Nahazo tosika fahazotoana vaovao ny zafikelin’i Lignesoa hiatrika ny ho aviny noho ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy Zara Mira
Mpamboly sy mpandrary Lignesoa, 54 taona. Mpanjono Emahavahy vadiny, 63 taona. Mandray andraikitra mikarakara ireo zafikeliny 22 izy roa. Lasa niasa lavitry ny tanàna ipetrahany mantsy ny ray ama-drenin’ireo. Ny zanany vavy sasany indray tsy manam-bady fa miasa an-trano any aman’olona.
Hazavain’i Lignesoa fa amin’ny maha-mpamboly azy dia miankina betsaka amin’ny toetr’andro ny vokatra amin’iny tapany Atsimo Andrefana iny. Indrisy anefa fa tato ho ato tsy nitsahatra nihasimba foana ny toetr’andro ka nisy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’ny fianakaviana. Sarotra ho an’i Lignesoa sy ny vadiny, efa zokinjokiny ny misahana isam-bolana ny filàn’ny fianakaviany. Hita taratra eo amin’ny fivelaran’ny zafikeliny izany fahabangana izany. Tsy tena misitraka ny zony ireo ankizy. « Tsy maintsy zaraina amin’olona maro ny zara sakafo. Na dia mankany am-pianarana aza ny ankizy, dia tsy manana ny fitaovam-pianarana ilainy ary indrindray dia fitaovana efa tonta be no ampiasainy. Tsy mianatra ihany koa izy ireo indraindray fa tsy vitanay ny manefa ny saram-pianarany. Ary raha vao misy marary dia tsy maintsy ny fitsaboana nenti-paharazana ihany no iononana fa ireny no mba moramora kokoa ».
Fandaharan’asa novolavolain’ny Ministeren’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny fampivoarana ny vehivavy (MPPSPF), na programa fiahiana ny ankizy miaraka amin’ny UNICEF ny fandaharan’asa Zara Mira, ka ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID) no manatanteraka azy. Satria fandaharan’asa ho an’ny rehetra sy mampiaty izy io, dia mikendry hanome fiahiana mitovy ara-tsosialy sy miahy akaiky ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy 0 ka hatramin’ny 15 taona, sady manohana ny fianakaviana hanokana hery ho an’ny hanatsara ny fiainan’ny fianakaviana. Omena vola tsy misy tambiny 10.000 ariary isam-bolana ny mpahazo tombotsoa. Misy fiarahan-dia matanjaka mifamatotra amin’io fandaharan’asa io hahatonga fiovam-pihetsika misy fiantraikany ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny ankizy sady misy fiovam-pisainana ho an’ny ray aman-dreny. Manamafy ny rafitry ny firenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny fametrahana fanolorana asa tokana hahamora ny fisitrahan’ny mpandray tombotsoa avy amin’ny fandaharana asa, hahazo tolo-draharaha tsara satria toerana tokana no handraisana izany.
Ny governemanta alemana (KFW) sy ny German Committee, Findel ary ny vola manokan’ny UNICEF no mamatsy ankehitriny ny fandaharan’asa Zara Mira an’ny kaominina Tataho sy Ifotaka.
Nanatsara ny fidiram-bolan’ny fianakaviana maro io fandaharan’asa io. Ankizy 18 240 sy vehivavy bevohoka 201 avy any amin’ny fianakaviana 5 689 ao amin’ny kaominina Itampolo, Distrikan’Ampanihy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, no efa nisitraka ny fandaharan’asa Zara Mira ho an’ny ankizy, nandritra ny volana mai 2023.
Noho io fandaharan’asa io dia nahazo ny tombotsoa 10.000 ariary isam-bolana ny zafikelin’i Lignesoa sy Emahavahy latsaky ny 15 taona, nanampy azy ireo handray 180 000 ariary isaky ny roa volana izany. « Mino tanteraka aho ankehitriny fa ho afaka hifantoka bebe kokoa amin’ny fianarana ny zafikeliko noho ny fisian’ny fandaharan’asa Zara Mira, raha tsy nihinana ara-pahasalamana sy mitohy izy ireo teo aloha. Tsara kokoa sady mahavoky izao ny sakafony. Ambonin’izay afaka namatsy azy ireo fitaovam-pianarana araka ny tokony ho izy izahay no tsy ho tapaka fianarana izy ireo satria voaloha avokoa ny saram-pianarany ».
Nahafahan’i Lignesoa nitantana tsara kokoa isan’andro ny filàn’ny fianakaviana ny vola azony avy amin’ny fanadaharan’asa Zara Mira sady nahazoana antoka ny fampianarana ny zafikeliny, ary indrindra nahafahany nikarakara ny fahasalamany. « Manantena ho avy mamirapiratra kokoa ho an’ny zafikeliko aho ka ho tonga tabia sy reharehan’ny fianakavianay izy ireo ary koa handray anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra ».