Ny UNICEF sy ny Fikambanana Silamo eto Madagasikara dia miara-mampiroborobo ny fahasalaman'ny ankizy

02 Septambra 2025
Une élève dans sa salle de classe, à l’école primaire publique de Marovoay.
UNICEF Madagascar/2020/Ralaivita Mpianatra iray ao amin’ny efitrano fianarany ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra any Marovoay, any avaratra-andrefan’i Madagasikara.

Antananarivo, 02 Septambra 2025 – Androany ny UNICEF sy ny Fikambanana Silamo Malagasy (FSM) dia nanao fanokanana tamin'ny fomba ofisialy ny fampiasana ny "bokikely mikasika ny fomba amam-panao fototra ho an’ny fianakaviana mifanaraka amin'ny fomba fijerin'ny silamo". Ity torolalana ity dia mikendry ny hanamafisana orina ny fanekena momba ny fitondran-tena tsara ho an'ny fahasalaman'ny ankizy sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina, ao anatin’ny ny soatoavina sy ny fampianarana silamo. Izany dia natao indrindra ho an'ireo mpitarika ara-pivavahana sy mpiara-miombon'antoka eo anivon'ny fiarahamonina ary ny andrim-panjakana misy ao anatin’ity fiarahamonina lehibe ity mba samy hahazahoana tombony na  toeram-pivavahana na ny any an-tokantrano, ary hahazahoana antoka fa mandray anjara maharitra izy ireo amin'ny fampiharana ny zon'ny ankizy

Mahatratra hatrany 10-15% -‘ny totalin’ny mponina Malagasy ny isan’ny mpino silamo, ka ny faritra  atsinanana, atsimo-atsinanana ary avaratra-andrefan’ny nosy no tena toerana misy betsaka azy ireo. Zava-dehibe ny fahafahana miara-miasa amin’ny FSM satria izy no rafitra fenitra ("reny") ho an'ny fikambanana sy ho an’ny moske silamo rehetra eto Madagasikara, ary izay no hahafahana mivoy ny momba ny fahasalamana sy fivelaran’ny ankizy manerana an'i Madagasikara.

Misy sehatra enina lahara-mpahamehana aseho ato anatin’ity bokikely ity ho an’ny fampiroboroboana  ny zon'ny ankizy, mifanaraka ihany koa amin’ny  soatoavina ao anatin’ny  Korano Masina. Toy ny fanomanana sy fahaiza-miatrika ny loza (tohi-bely), ny fisitrahana rano fisotro madio, fahadiovana sy fidiovana, ny fanomezana nonon-dreny fotsiny ihany sy ny fanjarian-tsakafo ho an'ny zaza, ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly sy ny fihazonana azy ireo any, fiarovana ny ankizy amin'ny fanambadiana aloha loatra, ary ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora amin’ny fiainam-piarahamonina.

Ho an’ny Fiarahamonina Silamo eto Madagasikara, ny fanapariahana ity fitaovana ity dia vokatra azo avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny UNICEF tamin’ny fanatanterahana ireo fandaharanasa samihafa mikendry ny fanovana ara-tsosialy sy ara-pitondran-tena.

Ny UNICEF kosa, dia manohy ny asa ao anatin’ny faniriana hivoy ny  fiaraha-miasa miaraka amin’ireo antokom-pivavahana samihafa ka fombafombam-pivavahahan tsirairay avy sy ireo soatoavina mifandraika amin’izany avy dia handray anjara amin’ny fivelaran’ny ankizy. . Tamin’ny taona 2022, dia efa nanampy tamin’ny famokarana fitaovana mitovitovy amin’izao ko any UNICEF, izay natokana ho an’ny tamin’ny Soratra Masina Kristianina, niaraka tamin’ny Fiangonana Katolika, Protestanta ary Loterana.

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Mombamomba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny UNICEF Madagasikara sy ny asa ataony, dia tsidiho azafady ny tranonkala:www.unicef.org/madagascar . Araho ihany koa izahay ao amin’ny FacebookTwitterYouTubeLinkedIn