Ny UNICEF sy ny Airtel Afrika dia nanambara fiaraha-miasa mba hanohanana ny ankizy sy ny fianakaviana iharan’ny COVID-19

25 Jona 2020
Des enfants de la campagne découvrant la technologie mobile
UNICEF Madagascar/UN0288401

Raha ankizy an-tapitrisany no lasibatry ny fanidiana sekoly noho ny COVID-19, ny Airtel Afrika dia hanampy amin'ny fanomezana azy ireo fomba hahafahany misitrika fandaharam-pianarana amin’ny alàlan’ny aterineto, ary hanamora ihany koa ny fandefasana vola ho an'ny ankizy sy ny fianakaviany any amin’ireo firenena Afrikanina ao atsimon’i Sahara

DAKAR / NAIROBI, 20 May 2020 – Ny UNICEF dia nanambara ny fanombohana fiaraha-miasa miaraka amin’i Airtel Afrika entina manampy ny akizy hahafahany manaraka fampianarana ampitain-davitra sy hanolorana fanampiana ara-bola ho an’ny fianakaviany amin'ny alàlan'ny fandefasana vola amin'ny telefaona finday. Ao anatin'io fiaraha-miasa io dia hampiasa ny teknolojia finday ny UNICEF sy Airtel Afrika ho tombontsoan’ny ankizy manodidina ny 133 tapitrisa izay tokony handeha an-tsekoly, kanefa lasibatry ny fanakatonana sekoly any amin'ny firenena Afrikanina 13 any atsimon’i Sahara, noho ny valanaretina COVID-19.

Ny vokadratsin’ny fikatonan’ny sekoly eo amin'ny fianaran’ny ankizy dia tena voarakitra tsara anaty tahirin-kevitra. Mampitandrina ireo matihanina amin’ny sehatry ny fanabeazana fa ny vokatra azo avy amin'ny fanatsarana ny fahafahana miditra an-tsekoly tao anatin’ny folo taona lasa dia mety ho very, na tena fongana tanteraka mihitsy aza. Ary ho an'ny tokantrano mahantra manerana an'izao tontolo izao, ny valan'aretina dia midika ho fampihenana na fahaverezan’ny fidiram-bola tanteraka noho ireo famerana ny fivezivezena isan-karazany izay tsy maintsy arahina. Ny fampianarana ampitain-davitra izay tohanan'ny fitaovana nomerika, no fototry ny ezaka ataon’ny UNICEF, mba hanomezana toky fa hitohy ny fampianarana ho an'ny ankizy izay manana teknolojia nomerika ao an-trano. Airtel Afrika dia hisafidy tranonkala maimaim-poana misy votoatiny mikasika ny fanabeazana, mba hahafahan’ny ankizy mahazo ireo votoatiny dizitaly ampitain-davitra amin'ny vidin'ny zero.

"Ny COVID-19 dia misy fiantraikany lehibe izay mbola tsy fahita hatrizay amin'ny fahazoam-baovao sy ny fanabeazana," hoy i Fayaz King, Filoha lefitry ny UNICEF misahana ny vokatry ny tetikasa sy fanavaozana. “Manerana izao tontolo izao, ny ankamaroan'ny ankizy dia tsy mandeha mianatra, izay fantatsika fa mety hiteraka fahavoazana sy kilema marobe. Napetraka  ity fiaraha-miasa ity eo amin'ny Airtel Afrika sy ny UNICEF, mba hanomezana fanantenana tsara kokoa ho an’ireo ankizy sy ny fianakaviana iharan’ny fihitaran’ireo fanakatonana."

Ity fiaraha-miasa ity dia hanolotra ihany koa fomba iray ho an’ny UNICEF hanamorana ny fahazoana fanampiana ara-bola ho an'ny fianakaviana sasany izay tena marefo avy any amin'ny faritra, mba hanamaivanana ny sakana ara-bola mianjady aminy ; maro amin'izy ireo tokoa matsy no iharan’ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ara-ekonomika izay mitombo hatrany, nohon’ny fampiatoana ny asa mampidi-bola. Noho izany dia hanampy amin’ny fiantohana loharano fanampiny ho an’ny fianakaviana ity fiaraha-miasa ity entin’izy ireo miatrika ny krizy ara-pahasalamana sy ara-ekonomika ateraky ny valan'aretina COVID-19.

"Fomba iray mahomby hiarovana ny fianakaviana amin'ny vokatry ny krizy ny fanomezana azy ireo fahafahana mahazo aterineto maimaim-poana amin'ny toerana fampianarana, entina manampy ny ankizy hanohy ny fianarany mandritra ny fikatonan’ny sekoly, ary koa ezaka fandefasana vola mba hampihenana ny fifampikasohana eo amin’ny fifanakalozana ara-bola," hoy i Raghunath Mandava, Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny Airtel Afrika. "Ankoatra ny hetsika isan-karazany mifandraika amin'ny COVID-19 sy ireo fanampiana izay atolotray ny governemanta sy vondrom-piarahamonina, dia faly izahay miara-miasa amin'ny UNICEF amin’ny fanohanana ny zaza.”

Ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny Airtel Afrika dia tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa maneran-tany momba ny Hetsiky ny UNICEF ho an’ny Akizy ( « Agenda global pour l’action de l’UNICEF »). Ny drafitr’asa dia manasongadina ireo hetsika eran'izao tontolo izao izay azon'ny mpiaramiombon’antoka miankina sy tsy miankina tanterahina, mba hitsinjovana ny fahasalamana, ny filaminana ary ny fianarana ho an’ny ankizivavy sy ankizilahy an-tapitrisany maro – anisan’izany ireo izay very fianakavina nohon’ny ady, ny ankizy manana kilema, sy ny ankizivavy tandindomin-doza amin’ny herisetra.

Ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNICEF sy Airtel Afrika dia tokony hahasoa ny ankizy sy ny fianakaviana ao amin'ny firenena 13 any amin'ny faritr'i Afrika atsimon’I Sahara: Gabon, Kenya, Madagascar, Malawi, Niger, Nigeria, Uganda, Rwanda, Repoblika Kôngô, Repoblika Demokratikan'i Kongo, Tanzania, Chad, sy Zambia.
 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra eto ambonin’ny tany ny UNICEF mba hanatonana ireo ankizy sy tanora marefo indrindra - ary miaro ny zon'ny ankizy rehetra manerana izao tontolo izao.

Araho koa ny kaonty @UNICEFMada amin'ny  TwitterFacebook et Instagram