Miara-misalahy ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy noho ny trangana tazomoka any Ikongo
Noho ny fitomboan'ny trangan'ny tazomoka any Ikongo, nanomboka ny volana Jiona 2025 ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka aminy no manao asa vonjy maika mandritra ny telo volana, ahitana toeram-pitsaboana mitety tanàna ny hetsika
Ao anatin’ny toe-draharaha mampanahy amin’ny resaka valan’aretina ao amin’ny distrikan’i Ikongo, faritra Fitovinany, dia nanatanteraka fandraisan’andraikitra vonjy taitra amin’ny sehatra maro ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, manoloana ny fitomboan’ny trangan’aretina tazomoka tsy fahita firy, ka ny volana Jiona 2025 no nanombohana ny asa.
Izany fanampiana izany izay voafaritra haharitra telo volana (jona hatramin'ny aogositra 2025) dia nafantoka any amin'ireo toerana ambanivohitra tena lasibatra sy saro-dàlana, amin'ny alalan'ny paik'ady manakaiky vahoaka. Toeram-pitsaboana mandehandeha, miaraka amin’ny hetsika fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fanampiana ara-panafody fototra ilaina no nanatanterahina izany.
Fanetsehana ireo toeram-pitsaboana mandehandeha
Nanomboka ny fiandohan'ny volana jona 2025, ekipan'ny toeram-pitsaboana mandehandeha roa no nalefa tany amin'ireo toerana lasibatra indrindra ao amin'ny distrika, indrindra tany amin'ny fokontanin'ireo kaominina voakasika indrindra (Ambatofotsy, Belemoka, Ikongo et Maromiandra). Ny ekipa tsirairay dia ahitana mpiasan'ny fahasalamana telo mandeha moto (moto iray isaky ny mpiasan'ny fahasalamana), izay nanatanteraka iraka 15 andro isam-bolana mandritra ny telo volana naharetan’ny hetsika.
Ireo toeram-pitsaboana mandehandeha ireo dia natao indrindra ho an’ireo toerana saro-dalana sy mitoka-monina; matetika mantsy am-polony kilaometatra maro miala amin'izany toerana izany vao mahita tobim-pahasalamana akaiky indrindra. Ho famonjena aina dia tolotra ara-pahasalamana mitambatra no omena, ka ahitana : fandraisana an-tànana ny tazomoka (ho an'ny ankizy, ny olon-dehibe ary ny vehivavy bevohoka), fizaham-pahasalamana arahim-pitsaboana, fandraisana an-tanana ifotony ireo aretina mahakasika ny zaza (PCIME), fanaovam-baksiny, fizaham-pahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka (CPN), ary fitiliana ireo tranga-na tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny zaza sy fanondroan-toerana hitsaboana manokana izany.
Manampy amin'ny fanohizana ireo fitsaboana ao anatin'ny toe-draharahan'ny krizy izany paik'ady izany, ary manamafy orina ny fanarahamaso ny valan’aretina eo anivon'ny fiarahamonina sy ny fifandraisana eo amin'ny vahoaka marefo sy ny rafitra ara-pahasalamana.
Nandritra ny hetsika nosahanin’ireo toeram-pitsaboana mandehandeha ireo ny volana jona sy jolay, dia zazavavy miisa 1.498, zazalahy 864 ary olon-dehibe 1.774 no noraisina an-tànana ny fitsaboana azy, ka zaza sy tanora mitotaly 1.180 ary olon-dehibe 219 tamin'izany no tratran'ny tazomoka, izany hoe 34 isan-jaton’ny olona natao fizaham-pahasalamana.
Fanomezana fanafody fototra ilaina
Farany, ny UNICEF dia nanohana ny famatsiana sy ny fandefasana ireo fanafody fototra ilaina (ho fanampin'ny fanafody fanefitry ny tazomoka, izay noraisin'ny Programa Nasionaly mikasika ny Ady amin'ny Tazomoka an-tànana) mba hahasahana ny filàn'ny olona 13.000 ao anatin'ny telo volana. Natao voalohany indrindra ho an'ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy bevohoka izany famatsiana izany, ary ahafahana manohy tsy tapaka ny fikarakarana ara-pahasalamana fototra amin'ny alalan’ny toeram-pitsaboana mandehandeha. Vitsy dia vitsy tokoa mantsy ireo toerana ahitana tobim-pahasalamana raikitra.
Ny 8 May 2025, nisy fampitandremana mampanahy voarain’ny Fitalevam-paritry ny Fahasalamam-bahoakan'i Fitovinany, tamin'ny alalan'ny rafi-panahara-maso mifototra amin'ny tranga miseho (SBE), izay nampahafantatra trangam-pahafatesana eo anivon'ny fiarahamonina, ka nahitana soritr'aretina mitovy amin'ny tazomoka. Na dia efa fantatra hatramin'izay aza fa faritra ahitana tazomoka Ikongo, dia mampiseho toe-javatra tsy fahita firy ity tranga ity ka mitaky fandraisana an-tànana haingana. Ho setrin'izany dia nanentana ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola ny Fitalevam-paritry ny Fahasalam-bahoakan'ny (DRSP) Fitovinany sy ny Servisy misahana ny Fahasalamana eo anivon'ny Distrikan' Ikongo (SSD), anisan'izany ny UNICEF izay namaly izany antso izany.
Fanentanana eo anivon'ny fiarahamonina sy fanadihadiana haingana ny toe-draharaha
Mifanindran-dàlana amin'ny fitsaboana izay natao, ny ekipa ihany koa dia nanatanteraka fanentanana eo anivon'ny fiarahamonina mahakasika ireo fomba fisorohana ny tazomoka : fampiasana tsy an-kiato ny lay misy odimoka, famongorana ny toerana fitomboan'ny moka, famantarana mialoha ireo soritr'aretina sy fanatonana toeram-pitsaboana faran'izay haingana. Mba hanamafisana ny fiantraikan'ireo hafatra ireo dia nisy serasera natao teny anivon'ny haino vaky jery, ankoatra ny fanentanana teo anivon'ny fiarahamonina. Narahana fandefasana fanentanana any amin'ny radio hatrany izany, mba hanaparitahana amin'ny mponin'ny fokontany voakasika ireo hafatra fisorohana.
Nampitombo ny fahalalan'ny mponina sy ny fahatakarana ny antony mahatonga ny valan’aretina tsy mbola mety ho fongotra ireo hetsika ireo. Nanampy tamin'ny fandrafetana paik'adin-tserasera voakendry sy hetsika ara-tsosialy fanampiny koa ireny.
Nisy fanadihadiana haingana ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay notanterahina mba ahafahana mandrindra tsara ny hetsika fandraisan’andraikitra sy hamantarana ireo toerana izay mila fanohanana mafonja kokoa.