Hetsika fampirantiana sary “Humainement possible – Vaksiny ho an’ny rehetra” eto Ambovombe / Fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny trano vaovaon’i UNICEF ho an’ny faritra Androy
Ambovombe, 15 Jolay 2025 – Mandritra ny efatra andro dia mandray ny hetsika fampiratiana sary mikasika ny vaksiny ny tanànan’i Ambovombe, mitondra ny lohahevitra “Humainement possible - Vaksiny ho an’ny rehetra”. Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’Andriamatoa Governora ny Faritra sy ireo manampahefana eto an-toerana, ary natrehan’ny Solontena Maharitra ny UNICEF eto Madagasikara. Natao izany nandritry ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny trano vaovao ho biraon’ny UNICEF eto Ambovombe.
Androy no faritra fahatelo hanatanterahina ity hetsika ity tao arian’i Atsimo Andrefana. Ho an’ny taona 2025, faritra efatra no ho tetezin’ity hetsika fampiratiana sary momba ny vaksiny ity. Tanjon’ity hetsika ity ny fanehoana ny maha-zavadehibe ny ady amin’ny lefakozatra na polio, ny ezaka fanamafisana ny fanaovana vaksiny mahazatra, ary ny fanaovam-baksiny andavanandro sy ho an’ireo zaza tsy mbola natao vaksiny mihitsy na ireo tsy vita vaksiny tanteraka. Ho an’ny faritra Androy dia 69% ny taham-panaovam-baksiny ny zaza, izay mbola ambany noho ny tanjona nasionaly. Antso ho an’ny rehetra ity hetsika ity ho fampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny sy ho fanamafisana ny fandraisan’anjara ataon’ny fiaraha-monina manoloana ity laharam-pahamehana ara-pahasalamana ity.
Ireo sary aseho dia maneho ireo ezaka atao amin’ny sehatry ny fanaovam-baksiny: ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpanentana ara-pahasalamana, ireo ray aman-dreny manolo-tena, ary ireo mpiara-miombon’antoka maro miasa andro aman’alina mba ho vita vaksiny ny ankizy rehetra, na dia any amin’ny toerana lavitra indrindra aza.
Ny 20 mey 2025, nandritra ny Fivoriambe Iraisampirenena momba ny Fahasalamana tany Genève, nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS), ny UNICEF ary ny Initiative Mondiale pour l’Eradication de la Poliomyélite fa nifarana ny valanaretina Poliomielita eto Madagasikara. Maherin’ny 19 tapitrisa ireo ankizy latsaky ny 5 taona no nahazo vakisiny fiarovana. Natao laharam-pahamehana ny fidiran’ny Vakisiny manerana ny faritra lavitra, marefo sy saro-dalana.
Maro anefa ny ezaka tokony hatao, momban’ny fampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny, ny fanatrarana ireo zaza "zéro dose", izany hoe ankizy mbola tsy natao vaksiny mihitsy ary ny fanarahana ny tetiandrom-baksiny. Ity hetsika fampiratiana sary ity dia maneho ny fanohanan’ny UNICEF ny fanjakana mba ho vita vaksiny ny zaza rehetra. Misy ireo fanohanana ara-pitaovana amin’ny rojo mangatsiaka, fanofanana iro mpiasan’ny fahasalamana, ary fampiharana tetikady manokana amin’ny fanavaom-baksiny mifanaraka amin’ny zava-misy, any anivon’ny tanan-dehibe.
Ankoatra izany, fanehoana sy fanamafisana ny fahavononan’ny UNICEF amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny fiarahamonina eto amin’ny faritra ny fanokanana ny trano ho birao vaovao eto Ambovombe. Manakaiky kokoa ny ankizy sy ny vahoaka ny UNICE, amin’ny fiaraha-miasa amin’ny manampahefana eto an-toerana, ary hanatsarana ny ezaka amin’ny sehatra maro sahaniny: fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fanabeazana, fiarovana ny ankizy ary fahazoana rano madio, izay sitrahan’ny ankizy maherin’ny 750 000.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn