Miaina anaty toe-javatra sarotra ireo ankohonana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

Araka ny tombana, zaza dimy hetsy latsaky ny dimy taona farafahakeliny no lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo lalina, ka 110 000 amin’izy ireo dia anaty toe-java-misy henjana, any amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara voakasiky ny hain-tany.

Abela Ralaivita
Enfants mangeant les figues de barbarie
UNICEF/UN0496488/Andrianantenaina
04 Aogositra 2021
Quelques ustensiles de cuisine
UNICEF/UN0496501/Andrianantenaina

Fitaovan-dakozia vitsivitsy sisa no tavela ao an-tokatranon’izy ireo, satria voatery nivaro-pananana izy ireo mba hivelomana! Ity fianakaviana ity dia isan’ireo mponina sahirana tamin’ny fahazoana  sakafo nandritra ny efa-taona nisesy, nohon’ny fahapotehan’ny voly rehetra tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara vokatry ny haintany.

Au coin du feu
UNICEF/UN0496500/Andrianantenaina

26 taona i Vaha Soagnaveree, monina ao amin’ny kaominin’Ambohimalaza, distrikan’Ambovombe. Manambady izy ary manan-janaka enina. Tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ny roa amin’izy ireo nohon’ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fahampiana fahazoana rano sy ny fahadiovana ary koa ny tsy fahampiana fikarakarana ho an’ny ankizy.  

Sur un attelage tiré par les zébus
UNICEF/UN0496498/Andrianantenaina

Tantsaha i Vaha Soagnaveree  fa tsy maintsy nampifanaraka ny fiainany tamin’ny haintany ny ankohonany.  Mivarotra kitay izay tateriny mankany Ambovombe amin’ny alàlan’ny sarety hofainy amin’ny olona mpiray tanàna aminy no hahazoan’i Vaha Soagnaveree vola. Isan’ireo olona an’arivony misedra ity fahasahiranana ara-tsakafo izay mahakasika ny mponina any atsimon’ny Madagasikara ity i Vaha sy ny fianakaviany.

Figues de barbarie
UNICEF/UN0496463/Andrianantenaina

Ny « raketa mena » izay hotazana eo ankaikin’ny tanàna no hany mba sakafo sisa tavela ho azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoanan’ny maitso ahitra, fotoana izay mahakely ny tahirin-tsakafo, dia vao maika hihamafy ny krizy. Olona maherin’ny 1,14 tapitrisa no miaina ao anatin’ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo any Atsimon’i Madagasikara, ary ahiana hitombo avo roa heny ny isan’ny olona anaty toe-draharaha  « mampivarahontsana » (Dingana faha-5 ao amin’ny IPC) ka hahatratra 28.000 izany hatramin’ny volana Oktobra.

En famille
UNICEF/UN0496478/Andrianantenaina

Nifanena tamin’i Sorognasae sy ny zanany fito izahay, 5 kilaometatra miala teo, ka ny roa tamin’izy ireo dia tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ihany koa. Ao anatin’izany toe-piainana ratsy izany dia ny zanany lahimatoa, Laha Tsimatahotse, 14 taona, izay toa andry iankinan’ny fianakaviana no manohana azy.

Travailler le sisal
UNICEF/UN0496570/Andrianantenaina

Lanian’i Laha hanampiana ny reniny amin’ny raharaha andavan’andro ny fotoanany malalaka : manangona rano amin’ny vatana baobaba, miambina omby ary mikarakara ny taretra sy kitay izay ho amidin’ny ankohonana any Ambovombe mba hazahoana vola kely.

Marche à pied
UNICEF/UN0496479/Andrianantenaina

Nody avy any an-tsenan’Ambovombe niaraka tamina vomanga vitsivitsy sy vary kely i Sorognasae sy ny roa amin’ireo zanany androany. Nahalafo kitay izy ireo ka nahazo vola kely mba hividianana ireo sakafo haharitra roa andro ireo.

La main d'un enfant souffrant de malnutrition
UNICEF/UN0496476/Andrianantenaina

« Sarotra ho ahy sy ireo zanako ny miaina izao toe-javatra izao fa tsy maintsy miatrika izany izahay », hoy i Vahy taminay, nitazona ny tanan’ny zanany lahy. Ireo tokantrano ireo dia samy manana zanaka tsy ampy sakafo ianjadian’ny fahavoazana tsy voaavotra amin’ny fitomboany sy ny fivelarany.

Surveiller les poids des enfants
UNICEF/UN0496509/Andrianantenaina

Misitraka fanohanana ara-pitsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana Ambohimalaza ireo ankizy ireo. Lanjaina, refesina ary mahazo fitsaboana sahaza azy izy ireo. Ny distrikan’i Ambovombe-Androy izay faritra tena voakasik’izany, izay ahitana tahan’ny tsy fahampian-tsakafo lalina 27 isan-jato –  taha tena mampivarahontsana – dia tandindomin’ny mosary raha toa ka tsy misy fepetra maika raisina mba hisorohana ny fihitaran’ny toe-draharaha.

   

Mise en place pour la remise des ATPE
UNICEF/UN0496544/Andrianantenaina

Mpitsabo mpanampy/mpampivelona telo mpilatsaka an-tsitrapo no miara-miasa ao amin’io toeram-pitsaboana io. « Maherin’ny 200 ny trangana tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika no raisinay an-tanana amin’izao fotoana izao», hoy ny fanazavan’ny iray amin’izy telo vavy.   

Surveiller le périmètre brachial des enfants qui suivent les traitements
UNICEF/UN0496522/Andrianantenaina

Mandrindra sy manara-maso i Asaaze Angeline mandritra ny tontolo andro.  Hita fa sitrana i Mara (36 volana) izay zandrin’i Laha lahy, taorian’ny fandanjana sy ny fandrefesana sandry, na “périmètre brachial” tamin’iny andro iny, saingy mitohy ny fanaraha-maso momba ny fisakafoanany any amin’ny toerana misy azy.

Remise d'ATPE
UNICEF/UN0496550/Andrianantenaina

Ho an’i Vaha indray dia faly izy fa nahazo sakafo fitsaboana efa vonona ho ampiasaina (ATPE) izay homeny ireo zanany roa mba ho fitsaboana azy ireo, ary manantena izy fa  ho sitrana haingana izy ireo. Ireo sakafo fitsaboana efa vonona ho ampiasaina (ATPE)  ireo dia natolotry ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF) noho ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola toy ny ECHO, UN CERF ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), ny governemanta Anglisy, Ambatovy …

Point d'eau potable
UNICEF/UN0496515/Andrianantenaina

Misitraka rano roa barikana roampolo litatra isan'andro ihany koa ireo ankohonana ireo. Tena ilaina ny hetsika ifotony miady amin’ny olana rehetra mifandraika amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy maintsy mifanindran-dàlana amin’ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo ny drafitra fisorohana sy fitadiavam-bahaolana matotra avy amin’ny sehatra marolafy, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ireo manam-pahefana eto amin’ny firenana.

Remise de bulletin scolaire
UNICEF/UN0496485/Andrianantenaina

Nandritra izay fotoana izay, i Laha, ilay zaza be herim-po dia nahazo ny laharana faharoa tany am-pianarana, teo anatrehan’i Sorognasae reniny, izay mirehareha tokoa.

Puiser de l'eau à la rivière
UNICEF/UN0496548/Andrianantenaina

Na dia nisy aza ny rotsak’orana tao amin’ny distrika tamin’ny atsasaky ny volana jolay dia mbola mijanona ho olana lehibe ihany ny fahazoana rano madio. Ny fandraisan’andraikitra amin’izao fotoana izao, ankoatra ny zavatra hafa, dia ny fanampiana ara-tsakafo, ny fanamafisana ny fahazoana fikarakarana ara-pahasalamana sy rano fisotro madio. Na izany aza anefa, raha toa ka tsy hamafisina sy haely patrana ireo fidirana an-tsehatra marolafy dia fiainan’olona maro no ho tandindomin-doza satria hitombo hatrany ny isan’ny ankizy ianjadian’ny tsy fanjarian-sakafo mahery vaika.