Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny rafitra famatsian-drano fisotro telo ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Androhimpano, Ampanihy Andrefana, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana

05 Aogositra 2022
Village et adduction d'eau
UNICEF/UN0508299/Ramasomanana

Antananarivo, 05 aogositra 2022 – Notokanan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, izay notarihin’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, miaraka amin’ny UNICEF sy ny UKAid, ny rafitra famatsian-drano fisotro telo ao anatin’ny fokontany Androhimpano, Nisoa ary Ambalatsimiviky, ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Androhimpano, ao Ampanihy Andrefana ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Ireo fotodrafitrasa ireo dia saika miantoka fanombohana vaovao ho an’ny mponina any an-toerana, izay mahazo rano fisotro madio manomboka hatreto, ka ahafahan’izy ireo manatsara ny fahazoana ny tolotra rehetra mifandraika amin’ny fahadiovana sy ny fidiovana. Mifanojo amin’ny vinan’ny fanjakana mahakasika ny fampiroboroboana ny fahazoana rano ho an’ny rehetra ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo, araka ny voalazan’ny Velirano faharoa napetraky ny Filoha Andry Rajoelina, filohan’ny Repoblika, ary koa ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra izay mikendry ny fampitomboana ny loharanon-drano.

Raha ny marina, ny tsy fahampian-drano amin'izao fotoana izao dia misy fiantraikany amin'ny 40 isanjaton'ny mponina maneran-tany, ary eto Madagasikara 2 amin'ny olona 3 monina any ambanivohitra no tsy mahazo tobin-drano nohatsaraina. Vao mainka mihasarotra ny toe-draharaha any amin’iny faritra iny noho ny fisian’ny loza mitatao ateraky ny toetr’andro, indrindra ny hain-tany izay manamainana ny loharano.

Manoloana ireo toe-javatra sarotra ireo dia mikendry ny fanamafisana ny tohibelin’ny mponina any an-toerana ny rafitra famatsian-drano fisotro madio. Olona mihoatra ny 5.000 no misitraka ilay rafitra iray manontolo, izay ahitana asa fandavahana lava-drano, paompin-drano mandeha amin'ny herin'ny masoandro, paompin-drano iombonana, fitaovana fanasan-tànana ho an'ny sekoly ary koa fantsona famatsiana sy fitsinjarana rano miaraka amin'ny kojakoja rehetra. Fotodrafitrasa vaovao ihany koa izany ary hitondra fanatsarana misongadina, indrindra eo amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fampandrosoana ny tontolo iainana, ny fokontany, ny vondron’ny Fokontany niavian’izy ireo. Hisotro rano madio ny mponina ary ho afaka hanasa tanana ny ankizy. Etsy andaniny, andrasana ny fampandrosoana ny fambolena satria velaran-tany maherin’ny 5.000m2 no antenaina ho voavoly.

Nifarana tamin’ny volana martsa 2022 ny asa taorian’ny 11 volana nanatanterahana ny fanorenana, niaraka tamin’ny famatsiam-bola avy amin’ny UNICEF sy UKAid izay mitentina 1,200 miliara Ariary mahery.

« Ity fiaraha-miasa ity dia ohatra tsara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, izay mikendry ny fampandrosoana ny firenena, ary indrindra ny faritra Atsimo, » hoy ny Minisitra tamin’ny lahateny nataony.

« Ny fisitrahana rano dia tolotra fototra tena ilaina ho an'ny ankizy iray mba hananany fahasalamana sy fiandohana tsara indrindra eo amin'ny fiainany. Ho an'ny UNICEF, ny fametrahana ity rafitra famatsian-drano fisotro madio ity dia zava-dehibe indrindra satria ahafahana mamaha olana maro izany, indrindra ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka izay mampitombo ny loza ateraky ny aretim-pivalanana na ny pnemonia; izy ireo tokoa mantsy no mbola  aretina mahafaty indrindra ho an’ny zaza latsaky ny dimy taona eto Madagasikara », hoy i Jean-François Basse, Solotenan’ny UNICEF.

« Betsaka ny zavatra azo atao noho ny fahazoana rano fisotro madio. Ny rano dia sady fanamby no antony lehibe mahatonga ny fampandrosoana ho an'ity faritra ity. Raha tsy misy rano madio dia mety harary ny ankizy madinika. Ny vehivavy sy ny tovovavy dia mandany fotoana sy hery betsaka amin’nty fandehanan-tongotra lavitra mba hahazoana rano ho an'ny fianakaviana, kanefa izy ireo dia afaka manao asa mamokatra kokoa toy ny fandehanana any an-tsekoly. Azontsika ankalazaina amin’izao fotoana izao ny fahafahan’ny mponina manao fambolena ho atao sakafo sy manome rano ny biby fiompy; ary am-pilaminana no ahazoany rano madio tsara ho an’ny fahasalamany sy ny fahadiovany », hoy Andriamatoa David Ashley, lehiben’ny Masoivoho Britanika eto Madagasikara.

Inauguration officielle de point d'eau à Ampanihy
Inauguration officielle de point d'eau à Ampanihy
Inauguration officielle de point d'eau à Ampanihy

 

Chateau d'eau
UNICEF Madagascar/2022/Andrianantenaina
Pompe d'eau
UNICEF Madagascar/2022/Andrianantenaina
Panneau solaire
UNICEF Madagascar/2022/Andrianantenaina

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram