Notanterahana ny fiahiana ara-tsosialy any amin'ny faritra an-tanàn-dehibe sy ny tanàna ambanivohitra enti-miatrika ny COVID-19
Ny Governemanta, miaraka amin’ny fanohanan’ireo mpiaramiombon’antoka aminy, dia nanao hetsika ho fanampiana ireo mponina niharan’ny vokatra ara-ekonomika nateraky ny fiobohana eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa
25 aprily 2020 – Miatomboka ireo fiahiana ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny fandefasana vola tsy misy fepetra (TMNC) any amin'ny faritra an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra entina manampy ireo fianakaviana marefo sy niharan’ny vokatra ara-ekonomika nateraky ny COVID-19. Anisan’ny niantraika tamin’ireo tokantrano ireo ny vokatry ny fepetra noraisin’ny fanjakana malagasy mikasika ny fihibohana. Nisy ny fepetra vaovao momba ny fampihenana amin’ny ampahany izany fihibohana izany ao amin’ireo faritra voalaza ireo, araka ny nambaran’ny filohan'ny Repoblika. Noho izany, afaka manohy ny asany mandritra ny tapak’andro (manomboka amin'ny 6 ora ka hatramin'ny 1 ora) ny mponina. Kanefa, mbola misy fiantraikany amin'ny tokantrano maro izay tokony miasa tontolon’ny andro sy amin’ireo izay manana fidiram-bola efa marefo io fepetra io.
Manodidina ny 189 400 ny tokantrano avy amin'ny fokontany 769 ao amin'ny distrika valo eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa no hisitraka ny TMNC, antsoina hoe TOSIKA FAMENO, izay ao anatin’ny drafitra stratejika mikasika ny hamehana ara-tsosialy Covid-19 novolavolain’ny Governemanta Malagasy.
Ireo misitraka ny TOSIKA FAMENO, izay voafaritra eo anivon’ny fokontany ka voasoratra ao anaty lisitry ny olona izay hahazo izany, araka ny fandaminan’ny kaominina tsirairay, dia ireo tokantrano tena mahantra sy marefo, ireo izay tena atahorana ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ireo izay manana fidiram-bola tapaka nohon’ny fihibohana. Mitentina 100 000 Ariary isan-tokantrano, mandritra ny iray volana ny TOSIKA FAMENO, ary aloa indray mandeha izany. Ny fandoavana io vola io amin’ireo tokantrano mahazo izany tombontsoa izany dia amin’ny alàlan’ny finday mba hamerana ny mety hisian'ny fifampikasoana. Afaka alain’izy ireo eny amin’ny toerana fisintomana vola toy ny orin’asam-pifandraisana, na Paositra Money na Western Union izany vola izany, mba hialana amin'ny fitakosenana mivantana amin'ny olona.
"Fianakaviana aman'arivony maro, izay mitady ny ho hanina isan'andro ka tapaka asa fivelomana noho ireo fepetra mikasika ny fihibohana, no tsy manana fidiram-bola intsony. Ny fametrahana rafitra fanampiana ara-tsosialy dia hanampy azy ireo hameno ny banga amin’ny fidiram-bolany sady hanohana azy ireo amin’ny filàna ara-tsakafo ihany koa”, hoy i Lucien Irmah NAHARIMAMY, Minisitry ny Mponina, Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. "Feno fankasitrahana ny Governemanta fa afaka miantehitra amin'ireo mpiara-miombon' antoka maro teo amin’ny fanatanterahana ny drafitra hamehana ara-tsosialy tao anatin’ny fotoana fohy. "
Ny Fanjakana Malagasy dia niara-niasa tamin’ireo mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hanatanterahana ity hetsika ity; tsy iza izany fa ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny alàlan'ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID), ny Fandaharan’asa maneran-tany ara-tsakafo (PAM), ny Vondrona Eropeana, ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD), ny UNICEF, ny Vokovoko Mena Malagasy, ny CARE ary ny Hetsika manohitra ny hanoanana (ACF).