Vita vaksiny ihany aho tamin'ny farany ary afaka mahita asa matotra hanatsarana ny fari-piainanay
Any Nosy-Be, paradisan’ny fizahantany any avaratra andrefan’i Madagasikara, ny fahaveloman’ny mponina dia miankina feno amin’ny fanarenana ara-toekarena, izay tsy ho tanteraka mihitsy raha tsy tena “azo antoka”ny ao an-toerana.

Ny valan'aretina COVID-19 dia nanimba ny fizahantany, izay sehatra fahatelo mpampidi-bola vahiny be indrindra eto Madagasikara. Tsy ny mponina ao Nosy-Be no hilaza ny mifanohitra amin’izany: io nosy io izay miaina tanteraka amin’ny fizahan-tany, dia tena nisavorovoro tokoa tamin’ny fanakatonana ny sisin-tany hatramin’ny nisian’ny fotoana fihibohana tamin’ny volana martsa 2020. Nandritra ny volana maromaro dia ady ho amin’ny fivelomana no nisy tao. « Mpanao trano ny vadiko. Mpivarotra voankazo sy anana teny an-tsena aho, saingy tena sahirana ara-pivelomana izahay nandritra ny volana maromaro nifanesy, » hoy i Marie Ella Zarasoa, renim-pianakaviana manan-janaka telo.
Nanapa-kevitra ny hiova asa izy ankehitriny, satria miha-tsy mahazo tombony firy izy amin’izany. « Niova tanteraka ny zava-nisy taorian'ny COVID-19. Nitombo be ny vidim-piainana ary nihasarotra ny fitazonana tsena. Tsy maintsy nitady fomba hafa izahay mba hamelomana ny zanakay 3, » hoy izy. Nanontanintany olona izy momba ny zavatra tokony atao mba hahalasa mpanadio trano na mpandroso sakafo ao amin'ny hotely iray eo an-tanàna, saingy tsy afaka mampiditra fangatahan’asa ny olona iray raha tsy voamarina fa vita vaksiny izy. « Tonga dia napetraka tamiko hatrany ny fanontaniana raha vita vaksiny aho. Izay no antony nahatonga ahy nanararaotra ity trano heva fakan-kevitra ity teo an-tsena mba hahafantarako ny mombamomba ny vaksiny ary namita izany tao amin’ny toerana fanaovam-baksiny eo akaiky, » hoy ny fanazavany. Io no fatra voalohany sady fatra izay nahafahany nahazo ilay fanamarinana fa olona vita vaksiny tanteraka izy, satria nisafidy ny vaksiny Jansen izy.
Afaka manomboka ny dingana rehetra amin'ny fitadiavana asa ihany izy amin'ny farany. Tao amin'ilay trano heva fakan-kevitra dia notoroina hevitra izy mba hanantona ny tobim-pahasalamana fototra akaiky azy indrindra mba hahazoany ny fatrana vaksiny fanampiny ao anatin'ny enim-bolana. « Tsy hisalasala ny hiverina aho satria miankina amin’izany ny fiainam-pianakavianay, » hoy izy.
Fanaovam-baksiny sy fizahantany mba hahatonga an’i Nosy-Be ho toerana “azo antoka”.
Nanantona ny iray tamin’ireo toeram-panaovana vaksiny natsangan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-pahasalamana, tao anatin’ny Festival Marokintana tao Nosy-Be, i Marie Ella Zarasoa. Ny 3 ka hatramin’ny 5 novambra ho avy izao no hampiantrano ny hetsika ara-pizahantany sangany, eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika. i Nosy Be. Ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Fahasalamam-bahoaka dia manohy ny fanairana amin'ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny fanefitry ny COVID-19, mba hitazomana ny fizotry ny fanokafana ny sisintany sy ireo hetsika ara-toekarena. « Tsy azo antsoina hoe 'azo antoka' izany faritra izany raha tsy eo ho eo amin’ny 80 isan-jaton’ny mponina ao aminy no vita vaksiny feno, » hoy ny fanazavana azo. Hatreto dia 21 isan-jaton’ny mponin’i Nosy-Be ihany no nahazo ny fatra voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny COVID-19.
Mbola lavitra ny làlana, izay no antony niteraka ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fizahantany, ny Fahasalamam-bahoaka, ny UNICEF miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hafa, anisan’izany ny Sampan-draharahan'ny fanampiana maha-olona sy ny fiarovana sivily (ECHO), ny GAVI ary ny iraka nataon’ny Fiaraha-miombon’antoka Maneran-tany momba ny Fitsinjarana ireo Vaksiny iadiana amin’ny COVID-19 (COVDP) teto Madagasikara farany teo. Ny fiantohana izany faritra izany mba ho azo antoka dia andraikitry ny tsirairay ary misy ireo hetsika lehibe izay karakaraina mahakasika izany.
Nandritra ny Festival Marokintana, ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka dia nanangana toerana telo misahana ny ara-pahasalamana izay ahitana toerana fanaovam-baksiny, trano heva fakan-kevitra, torana fitiliana ny diabeta, fitiliana ny tsimokaretina VIH-SIDA ary koa ny fanaraha-maso ny sakafo ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona.
Izany toerana izany dia tsy azo antsoina hoe "azo antoka" raha toa ka tsy eo ho eo amin’ny 80 isan-jaton’ny mponina ao aminy no vita vaksiny feno.
