Vita vakisiny fanefitry ny COVID-19 ny polisy eto Antananarivo ary te hijoro vavolombelona izy ireo

Ny fijoroana vavolombelona rehetra dia nangonina tamin'ny Jona 2021, taorian'ny fahatongavan'ny andiany voalohany amin'ny vaksiny ho an'i Madagasikaran ao anatin'ny fanentanana voalohany amin'ny ady amin'ny COVID-19.

Ny Hasina Ramahenina
L'inpscteur Ratsikitsiky montrant son carnet de vaccination
UNICEF/UN0518433/Ramasomanana
17 Septambra 2021

Resadresaka nifanaovana tamin’ny polisy inspektera Raharison Venance, fantatra amin’ny solon’anarana Ratsikitsiky 

Vaccination de Ratsikitsiky
UNICEF/UN0518429/Ramasomanana

UNICEF: Afaka mampahafantatra ny mombamomba anao ve ianao?

Raharison Venance: Izaho no Inspektera Raharison Venance, fa Ratsikitsiky no iantsoan'ny olona ahy. Polisy misahana ny fifamoivoizana aho; ny asako dia mandrindra ny fifamoivoizana eny an-dalambe eto an-drenivohitra.

UNICEF: Afaka fantarina ve ny antony nandrisika anao hanao vaksiny?

Raharison Venance: Nisafidy tsotra izao ny hanao vaksiny aho satria, araka ny torohevitry ny mpiasan'ny fahasalamana ombieny ombieny, dia manampy amin'ny fisorohana ny fahasarotana aterak’ilay tsimok’aretina izany.

UNICEF : Ho an’ny Malagasy izay mbola misalasala hanao vaksiny, inona no hafatra tianao ampitaina amin’izy ireo?

Raharison Venance : Eny tokoa, manana hafatra ho an’ny mpiray tanindrazana aho. Tonga ny vaksiny; izao no fotoana tokony hanaovana vaksiny. Raha mbola tsy tonga teto Madagasikara ny vaksiny dia nitaraina mafy isika noho ny fahatarana. Koa ankehitriny, tsy tokony hisalasala intsony isika fa efa tena mafy ny toe-draharaha. Fahasalamana no resaka eto. Ary izany no fomba tsara indrindra hisorohana ny “forme grave” amin'ilay aretina.

 

>> Miverina eny ambony

Resadresaka nifanaovana tamin’Atoa Ralaimora Tahiry Arivelo, miasa eo anivon’ny « Forces d’Intervention de la Police » ao Antanimora

Tahiry élément des Forces d'intervention
UNICEF/UN0518430/Ramasomanana

UNICEF : Ianao ve no Andriamatoa Ralaimora Tahiry Arivelo miasa eo anivon’ny « Forces d’Intervention de la Police » etsy Antanimora?

Ralaimora Tahiry Arivelo: Eny, izaho mihitsy.

UNICEF: Azo fantarina ve ny antony nandrisika anao hanao vaksiny?

Ralaimora Tahiry Arivelo: Eny, nanapa-kevitra ny hanao vaksiny aho, voalohany indrindra mba hiarovana ny tenako, hiarovana ny fianakaviako, hiarovana ny havako sy izay rehetra ao anatin’ny tontolom-piarahamonina misy ahy.

UNICEF: Azonay fantarina ve hoe oviana ary taiza ianao no nanao vaksiny?

Ralaimora Tahiry Arivelo : Mazava ho azy; ny 14 May 2021 no nahazo  ny fatra voalohany teny amin’ny hopitaly miaramila DSSM teny Ampahibe aho.

UNICEF: Rehefa nanao vaksiny ianao dia nandeha irery ve sa niaraka tamin’olon-kafa?

Ralaimora Tahiry Arivelo : Tsy nandeha irery aho fa niaraka tamiko koa ny mpiara-miasa amiko mba hanao vaksiny.

UNICEF : Farany, ho an’ny Malagasy izay mbola misalasala amin’ny fanaovana vaksiny, inona no hafatra tianao ampitaina amin’izy ireo?

Ralaimora Tahiry Arivelo : Iaraha-mahalala ny zava-misy iainan’ny firenena sy ny rehetra, ny maha-zava-doza sy mampidi-doza an’ity aretina ity. Koa manentana ny rehetra hanao vaksiny aho anio mba hisorohana ny fahasarotana amin'ny aretina any aoriana.

 

>> Miverina eny ambony

Resadresaka nifanaovana tamin’Andriamatoa Randriantsizafy Faralahy, mpitsabo mpanampy ao amin’ny tobim-pahasalaman’ny Polisim-pirenena etsy Antanimora

Faralahy, Infirmier au dispensaire de la Police Nationale
UNICEF/UN0518432/Ramasomanana

UNICEF : Atoa Randriantsizafy Faralahy, mpitsabo mpanampy ao amin’ny tobim-pahasalaman’ny Polisim-pirenena etsy Antanimora. Azo fantarina ve ny antony nandrisika anao hanao vaksiny?

Randriantsizafy Faralahy : Nanapa-kevitra ny hanao vaksiny hiadiana amin’ity fahavalo tsy hita maso ity aho. Mila fiarovana ny vatana alohan'ny handehanana eny amin'ny lohalaharana, ary amin'ity toe-javatra ity, izany fiarovana izany dia tsy inona fa ny vaksiny.

UNICEF: Azonay fantarina ve hoe oviana ary taiza ianao no nanao vaksiny?

Randriantsizafy Faralahy: Fatra voalohany, 14 May 2021 tao amin’ny Hopitaly Miaramila DSSM Ampahibe.

UNICEF: Rehefa nanao vaksiny ianao dia nandeha irery ve sa niaraka tamin’olon-kafa?

Randriantsizafy Faralahy: Maromaro izahay no niaraka. Nisy 30 teo ho eo ny mpiasan’ny “Force d’Intervention” nanao vaksiny niaraka tamiko tamin’izany.

UNICEF : Farany, ho an’ireo Malagasy izay mbola misalasala amin’ny fanaovana vaksiny, inona no hafatra tianao halefa amin’izy ireo?

Randriantsizafy Faralahy : Ry mpiray tanindrazana, fiomanana amin’ny fiatrehana ny aretina ny vaksiny; mampidi-doza sy tsy hita maso io aretina io. Ny vaksiny dia mampihena ny mety hahavoan’ny “forme grave” amin’ilay aretina. Noho izany, raha vao manomboka ny soritr'aretina voalohany dia azo resena izy io raha toa ka efa ao anatin’ny vatana ilay vaksiny.

 

>> Miverina eny ambony

Resadresaka nifanaovana tamin’i Razakatsioharana Baovola, mpianatra ho kaomiseran’ny polisy ao amin’ny sekoly fianarana ho polisy ENSP eny Ivato

Baovola, élève commissaire reçoit son vaccin
UNICEF/UN0518428/Ramasomanana

UNICEF : Ramatoa Razakatsioharana Baovola, mpianatra ho kaomisera eo anivon’ny sekoly fianarana ho polisy ENSP eny Ivato. Fanontaniana voalohany, azonay fantarina ve ny antony nandrisika anao hanao vaksiny?

Razakatsioharana Baovola : Tsotra ny antony nanaovako vaksiny. Tsapako fa nila an'io vaksiny io ny toe-pahasalamako.

UNICEF: Afaka fantarainay ve hoe oviana ary taiza ianao no nanaovana vaksiny?

Razakatsioharana Baovola : Ny 04 jona teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nanao vaksiny aho ka fatra voalohany niaraka tamin’ireo mpianatra rehetra tao amin’ny sekolin’ny polisy izany.

UNICEF: Azonao lazaina aminay ve ny isa marina azafady?

Razakatsioharana Baovola : Miisa 37 izahay no vita vaksiny.

UNICEF : Farany, ho an’ny Malagasy izay mbola misalasala amin’ny fanaovana vaksiny, inona no hafatra tianao ampitaina amin’izy ireo?

Razakatsioharana Baovola : Manentana ny olona tsy hisalasala amin’ny fanaovam-baksiny aho satria resaka fahasalamana no resahina eto. Ny vaksiny dia fotoana ahafahantsika Malagasy misoroka ny aretina.

 

>> Miverina eny ambony

Marihina fa ny 27 jolay 2021 no tonga teto Madagasikara ny andiany faharoa amin’ny vaksiny fanefitry ny COVID-19 ao anatin’ny hetsika COVAX, narahin’ny andiany fahatelo izay tonga ny 15 aogositra 2021. Nanomboka ny 11 aogositra 2021 ny hetsika faharoa fanentanana mikasika ny fanaovam-baksiny. Ireo olona rehetra nijoro ho vavolombelona ato anatin'ity lahatsoratra ity dia nahazo ny fatra faharoa amin’ny vaksiny avokoa.

Tamin'ny alàlan'ny rafitra COVAX no nahatongavan’ireo fatran'ny vaksiny rehetra tonga teto Madagasikara. Io rafitra COVAX io dia fiaraha-miasa maneran-tany, ahitana ny Fikambanana Iraisam-pirenena amin'ny fisorohana ny valan'aretina (CEPI), GAVI, UNICEF ary OMS, izay natsangana mba hahazoana antoka fa ny firenena rehetra dia afaka hisitraka vaksiny fanefitry ny COVID-19 amin'ny fomba mitovy.