Tandidomin-doza ny ain’ny ankizy marefo any atsimo atsinanana noho ny tsifanjariantsakafo

Tombanana ho 115,000 ireo ankizy mila fitsaboana noho ny tsifanjariantsakafo mahery vaika nihatra taminy tamin’ity taona 2023 ity

Abela Ralaivita
Soa, emmenant ses jumeaux (sept mois) atteints de malnutrition aigüe au centre de santé d’Anosy Tsararafa, dans le sud-est de Madagascar.
UNICEF/UN0794136/Andriantsoarana
02 Martsa 2023

Aman-jatony ireo reny omban-janaka tonga manatona vao maraina eo anoloan’ny tobim-pahasalaman’Anosy, Tsararafa – any atsimo atsinanan’i Madagasikara. Voatery mipetraka amin’ny tany noho izany ny ankamaroan’izy ireo satria tsy ampy intsony ny dabilio noho ny fahabetsahan’ny olona tonga. Tonga mitondra ny telo amin’ireo zaza efatra naterany koa i Soa, 24 taona isan’izany, ka kambana vao fito volana monja ny roa amin’ireo dia i Marina sy Julien. Sady mitrotro izy no mibaby ary manao hazakaza-madinika eo anilany kosa ny fahatelo. Niolomay nanatona teny amin’ireo reny hafa teo i Soa.

« Entiko ho zahana ety amin’ny tobim-pahasalamana ny zanako fa efa ho efatra herinandro izy ireo izao no nihamahia hatrany. Aty izy mba mahazo ny fitsaboana sahaza azy», hoy i Soa. Samy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ireto zaza kambana. Ny an’i Julien mba azoazo ihany fa i Marina kosa dia tratran’ilay tsy fanjarian-tsakafo mitarika ho amin’ny fahafatesana mihitsy.

Vetas, mpiasan’ny fahasalamana antsitrapo, mandanja an’i Marina, nandritra ny fandraisana an-tanana ny tsifanjarian-tsakafo nahazo azy.
UNICEF/UN0794139/Andriantsoarana
Vetas, mpiasan’ny fahasalamana antsitrapo, mandanja an’i Marina, nandritra ny fandraisana an-tanana ny tsifanjarian-tsakafo nahazo azy.
Rehefa norefesina mihodidina ny sandrin’i Marina, fito volana, dia hita fa tafiditra ao anatin’ny faritra mena izy satria 109 milimetatra monja no refin’ny sandriny mihodidina. Midika izany fa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izy.
UNICEF/UN0794141/Andriantsoarana
Rehefa norefesina mihodidina ny sandrin’i Marina, fito volana, dia hita fa tafiditra ao anatin’ny faritra mena izy satria 109 milimetatra monja no refin’ny sandriny mihodidina. Midika izany fa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izy.

Nifantoka tanteraka ireo reny rehefa nanomboka ny fanentanana mikasika ny fanjariantsakafo, ny fanomezaka sakafo ary ny fahadiovana ny mpanentana ara-pahasalamana Kamosa Arisaina Vetas. Niroso tamin’ny fandanjana tsirairay ny zaza sy ny fakana ny refin-tsandriny izy. « 109 mm », hoy izy tamin’ny mpiara-miasa aminy rehefa nizaha ny an’i Marina izy. Na dia nahazo 100 g tao anatin’ny herinandro aza i Marina, dia mbola ao anaty faritra mena ihany izany refy izany. Midika izany fa mbola ao anatin’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika izy. Notolorana ny anjara sakafo hoenti-mitsabo ny tsifanjarian-tsakafo tonga dia azo ampiasaina avy hatrany avy amin’ny UNICEF i Soa hitsaboana an’i Marina. Nomena sakafo mifanaraka amin’ny tsifanjarian-tsakafo antonontonona mahazo azy kosa ho an’i Julien, ilay kambana aminy ; ny Fandaharana iraisam-pirenena ho an’ny sakafo kosa na ny PAM no manolotra izany.

« Sady tonga hitily ny mety ho tsifanjarian-tsakafo mahazo ny zanany ireo reny no tonga ihany koa mba hampisitraka azy ireo ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Rava nohon’ny fandalovan’ny rivodoza ny famokarana.Vokany, ianjadian’ny tsifanjarian-tsakafo ny ankizy avy amin’ireo tokantrano efa marefo hatrizay », hoy ny fanazavan’i Vetas. Eo ho eo amin’ny 874.000 ny olona mijaly nohon’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny faritra midadasika any atsimo atsinanann’i Madagasikara, raha ny vokatry ny fanadihadiana natao mahakasika ireo sokajy misy mifandraika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Marina,eo antrotroan-dreniny, mihinana ny anjara sakafo natokana ho azy isanandro ho enti-miady amin’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika.
UNICEF/UN0794154/Andriantsoarana
Marina,eo antrotroan-dreniny, mihinana ny anjara sakafo natokana ho azy isanandro ho enti-miady amin’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika.
Maromaro ireo reny tonga manatona tobim-pahasalamana ao Anosy Tsararafa mba hitily ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zanany sy hitady ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.
UNICEF/UN0794172/Andriantsoarana
Maromaro ireo reny tonga manatona tobim-pahasalamana ao Anosy Tsararafa mba hitily ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zanany sy hitady ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.

Antso manerantany

Nandefa antso maneran-tany tany amin’ireo fikambanana efatra hafa ao amin’ny Firenena Mikambana, ny UNICEF ny 12 janoary 2023,  mila hetsika  haingana hiarovana ny ankizy tena marefo ao anatin’ireo firenena 15 tena tratry ny kirizy ara-tsakafo sy tsifanjarian-tsakafo tsy misy toa azy, anisan’izany i Madagasikara. Mitombo hatrany ny ankizy mijaly vokatry ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny takaitra mbola mihatra noho ny fisian’ny COVID 19 ary nohon’ny fiakaran’ny fidim-piainana. 

Tafaverina soaman-tsara tany an-tokantranony Soa sy ny zanany rehefa nifarana ny maraina, na dia mbola tsy maintsy nanao dia an-tongotra nandritra roapolo minitra avy eny amin’ny tobim-pahasalamana aza vao tonga amin’ny toeram-ponenany. Vao avy nirava avy any amin’ny garabola eo an-tanàna koa ny vavimatoany, enin-taona, efa nahazo sakafo mafana tany am-pianarana izy, misy toeram-pisakafoanana any. Nanomana soanambo vitsivitsy hatao sakafo maraina i Soa. Sakafo maniriniry ho azy mantsy io ka azo atao sakafo, indrindra rehefa fotoan-tsarotra. Niverina avy nanjono koa Clovis, vadiny, miaraka amin’ny trondro madinika vitsivitsy.

« Ireto monja no azoko androany. Tsy maintsy ho hanina ireto fa tsy tia mividy trondro madinika ny olona. Ravan’ny rivodoza koa tanimbary, ka dia izay hita aloha no atao sakafo hatreto», hoy ny raim-pianakaviana

Niharatsy hatrany ny zavamisy any amin’ny faritra midadasika any atsimo atsinanana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ny 21 febroary 2023 lasa teo. Tombanana ho 115,000 ny ankizy mila fitsaboana vokatry ny fanjariantsakafo amin’ity taona ity. Mifantoka amin’ny asa voarindra sy mivelatra be ireo mpisehatra amin’ny fitsinjovana ny maha-olona, indrindra ny UNICEF, mba hisorohana ny fahafatesana sy hanohanana ny rafitra miadidy ny fahasalamana. « Miara-miasa akaiky amin’ny mpanentana ara-piarahamonina izahay mitily sy mandray an-tànana ny olan’ny tsifanjarian-tsakafo. Tsy maintsy ho tohizana ireo hetsika maro efa natomboka hahafahantsika miady amin’ny tsifanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampiantsakafo», hoy Vetas manamafy, feno tebiteby ny amin’ny zavamisy iainan’ny ankizy eny amin’ny fiaraha-monina misy azy.


Soa et ses enfants en train de manger des fruits à pain dans leur maison pendant le déjeuner.

© UNICEF/UN0794156/Andriantsoarana

Soa sy ny zanany, ao an-tokantranony mihinana soanambo atao sakafo atoandro.

Clovis, le mari de Soa, devant des barques apres avoir péché quelques poissons.

© UNICEF/UN0794161/Andriantsoarana

Clovis, vadin’i Soa, eo anoloan’ny lakana, avy manjono.

Portrait de Soa et de sa famille debout devant leur maison.

© UNICEF/UN0794157/Andriantsoarana

Sarin’i Soa miaraka amin’ny fianakaviany eo anoloan’ny trano fonenany.