Omena fahafahana hahomby ny zatovovavy ary havaozina ny fanabeazana eto Madagasikara

Eo amin’ny firenena dia zatovovavy iray amin’ny efatra ihany no mahavita fiaranana ambaratonga faharoa, i Jocelyne sy ireo tovovavy hafa dia mampiseho an-tsary ny fahavononany hianatra sy hanohy ny fianarany, na dia eo aza ny zava-tsarotra iainany.

Abela Ralaivita
Les élèves du collège d’Antanimora, dans le nord-ouest de Madagascar, avec leurs arrosoirs dans la serre de l’école durant la rentrée scolaire 2023-2024.
UNICEF/UNI441013/Andriantsoarana
02 Oktobra 2023
Portrait de famille de Jocelyne (au centre) avec ses parents et ses deux neveux devant leur maison
UNICEF/UNI441078/Andriantsoarana

Sarin'ny fianakavian'i Jocelyne (eo afovoany) miaraka amin'ny ray aman-dreniny sy ny zana-drahalahiny roa eo anoloan'ny tranony ao Antanambao Andranolava, any avaratra andrefan'i Madagasikara. I Jocelyne, 15 taona, no hany zazavavy amin’izy efatra mpiray tampo. Tamin’ity taona ity dia saika nijanona tamin’ny fianarana i Jocelyne satria tsy afaka nandoa ny saram-pianarany intsony ny ray aman-dreniny.

Jocelyne et son père cueillant des noix de cajou qu’ils plantent dans leur cour.
UNICEF/UNI441085/Andriantsoarana

Jocelyne sy ny rainy maka mahabibo hovolenin’izy ireo eo an-tokotaniny. « Ny famarotana io vokatra io dia tsy ampy hahasahana ny fivelomanay saingy nahatsiaro maivana aho raha vao nilaza ny renibeko fa hiantoka ny fianarako » hoy ny nambarany.

Au collège, Jocelyne reçoit des fournitures scolaires, fournies par l’UNICEF, dans le cadre du programme de retour à l'école et d'apprentissage, visant à aider principalement les enfants non scolarisés à retourner en classe et à y rester.
UNICEF/UNI441049/Andriantsoarana

Tany an-tsekoly, nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny UNICEF i Jocelyne, ao anatin’ny fandaharan’asa famerenana an-tsekoly sy fampianarana, izay mikendry indrindra ny hanampy ireo ankizy tsy mianatra hiverina an-dakilasy sy hitoetra amin’ny fianarana.

Chaque élève de l’école a reçu un sac, cinq cahiers, deux stylos, un crayon, une équerre et un compas. « C’est sûr que ces fournitures ne combleront pas les besoins jusqu’à la fin de l’année scolaire mais ça couvre déjà une grande partie des charges liées à mes études », dit Jocelyne.
UNICEF/UNI441067/Andriantsoarana

Ny mpianatra tsirairay eran’ny sekoly dia nahazo kitapo iray, kahie dimy, penina roa, pensilihazo iray, ekera ary kompà iray. « Azo antoka fa ireo fitaovam-pianarana ireo dia tsy hahafeno ny zavatra ilaina mandrapahatonga ny fiafaran’ny taom-pianarana fa kosa efa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fandaniana mifandraika amin’ny fianarako », hoy i Jocelyne.

Quant aux enseignants, ils reçoivent des livres d’auto-apprentissage pour toutes les matières.
UNICEF/UNI441031/Andriantsoarana

Ho an’ireo mpampianatra kosa dia nahazo boky fampianaran-tena amin’ny taranja rehetra izy ireo. « Tena ilaina ireny fitaovana sy fampiofanana miaraka aminy ireny satria maro ny mpampianatra no tsy dia ampy ny fahalalany », hoy ny fanazavan-dRabearivola Cécillien, talen’ny sekoly.

Un enseignant avec d’autres élèves lors de la distribution des fournitures.
UNICEF/UNI441038/Andriantsoarana

Mpampiantra iray miaraka amin’ireto mpianatra tamin’ny fotoana fizarana fitaovam-pianarana. Mpianatra manododina ny 290.000 sy mpampianatra miisa 8.000 eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa amin’ny faritra valo no nisitrika ireo fitaovana ireo. 

 

Jocelyne accompagnée de deux de ses camarades de classe à la sortie des cours, lors de la rentrée scolaire 2023-2024.
UNICEF/UNI441066/Andriantsoarana

Jocelyne miaraka amin’ireo namany ao an-dakilasy nivoaka ny trano fianarana, tamin’ny fanombohan’ny taom-pianarana 2023-2024. « Hanao izay rehetra azoko atao aho mba hahazoako ny diplaoma ary hifindra any amin'ny lisea amin'ny herintaona » hoy izy.

 

 

Trois collégiennes transportées par une charrette rentrent chez elles. Dans la région de Boeny, seulement une fille sur cinq termine le collège. 
UNICEF/UNI441074/Andriantsoarana

Ankizivavy telo mpianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa nandeha sarety hamonjy fodiana. Any amin’ny faritr’i Boeny dia zazavavy iray amin’ny dimy ihany no mahavita ny fianarana ambaratonga faharoa. 

 

Des élèves du collège Charles Renel, utilisant la salle informatique de l’école.
UNICEF/UNI441157/Andriantsoarana

Ireo mpianatra ao amin’ny kolejy Charles Renel, mampiasa ny efitrano fikirakirana informatika. Miroborobo ny fampianarana nomerika eo amin’ireo tanora noho ny fisian’ny fifandraisana amin’ny aterineto avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.

 

Passionnée de biologie, Rouweidah (14 ans) témoigne de l’utilité de ces outils d’apprentissage en ligne.
UNICEF/UNI441147/Andriantsoarana

Liana amin'ny biolojia, i Rouweidah (14 taona) dia nijoro vavolombelona fa ilaina ireo fitaovana fianarana ampitain-davitra « Ireo kilalao mahafinaritra anatin’io sehatra io dia manampy ahy hahatakatra mora foana ny lesona », hoy izy. 

 

Les élèves du collège d’Antanimora en train de planter des graines d’arbres dans la serre de l’école durant la rentrée scolaire.
UNICEF/UNI441002/Andriantsoarana

Ny mpianatra ao amin’ny kolejy Antanimora eo am-pambolena ireo voan’ny hazo ao anatin’ny toeram-pambolena eo amin’ny faritry ny sekoly nandritra ny fanombohan’ny taom-pianarana. Ny UNICEF dia manabe ny tanora hitandro ny tontolo iainany satria i Madagasikara dia anisan’ny firenena marefo amin’ny loza ateraky ny toetrandro.

Sarobidy (à droite), 15 ans, arrosant des boutures dans l’enceinte de l’école.
UNICEF/UNI440985/Andriantsoarana

Sarobidy (eo ankavanana), 15 taona, manondraka ireo zana-kazo ao anatin’ny faritry ny sekoly. « Ity no fandraisanay anjara mba hametrahana tontolo iainana tsara ho an'ny taranaka ho avy. Isan’ny fialambolinay koa ny mamboly hazo » hoy ny fanazavany.

Dans la région d’Analanjirofo au nord-est de l’île, Oxynah (au centre) fait partie des cent jeunes bénéficiant d'une formation professionnelle pour adolescents.
UNICEF/UNI444255/Andriantsoarana

Any amin’ny faritra Analanjirofo, avaratra atsinanan’ny Nosy, i Oxynah (eo afovoany) dia anisan’ireo tanora zato nisitraka fampiofanana arak’asa ho an’ny zatovo. Nandao ny sekoly teo amin'ny faha-15 taonany, izy dia nanaraka fiofanana momba ny fanjairana ary mikasa hanao izany ho asa any aoriana.

Oxynah (deuxième à partir de la gauche) et d’autres jeunes filles devant les machines à coudre, fournies dans le cadre du programme Let Us Learn.
UNICEF/UNI441170/Andriantsoarana

Oxynah (faharoa avy any ankavia) sy ankizivavy hafa eo anoloan’ny milina fanjairana, nomena tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Let Us Learn. Ity fandaharan’asa ity dia mikendry ny fihazonana ny ankizy hianatra sy hisorohana ny tsy fianarana any an-tsekoly, miteraka soa fanararaotra ho an’ny zatovo indrindra fa ny zatovovavy.

Portrait photo de Jocelyne avec d’autres élèves. Toutes ces jeunes filles espèrent accomplir leur rêve un jour.
UNICEF/UNI441061/Andriantsoarana

Sarin’i Jocelyne miaraka amin’ireo mpianatra hafa. Ireo zatovovavy rehetra ireo dia manantena hanatanteraka ny nofinofiny indray andro any. Ny fanabeazana no fomba mahomby hampahaleo tena ireo zazavavy no sady lalana mitondra amin’ny fiovana lehibe miantoka ny hoavy tsara kokoa.

Raha mila tantara bebe kokoa dia vakio azafady ny lahatsoratra eto ambany:

Sarah sy Stella, fiainana mahaleo tena ho an'ireo tanora vavy miaina anaty hafaliana

Fanamarihana: Ny fandaharan'asa "Miverena any an-tsekoly sy mianatra" sy "Andao hianatra" dia tanteraka noho ny famatsiam-bola avy amin'ny komity nasionalin'ny UNICEF Alemana, Amerikana (Zonta Intrnational), Danemark (Hempel Foundation) ary Japana.