Sarah sy Stella, fiainana mahaleo tena ho an'ireo tanora vavy miaina anaty hafaliana
Fantaro amin'ny alalan'ity tantara ity ny nahavitan'ny fianaran’ireto tovovavy mahafinaritra roa ireto teo amin'ny fampianarana ankapobeny, dimy taona taorian'ny nianarany teny amin'ny ambaratonga faharoa.
« Mirehareha amin'ny lalana nodiavin’ireto zanako vavy telo ireto aho satria izy ireo no voalohany tao amin'ny fianakaviana nahazo ny diplaoma bakalorea. Na dia maty vady sy reny tokan-tena aza aho, dia mbola afaka nikarakara irery ny zanako. » hoy ny reniny tamin’ny antso an-telefaonina.
Ny fahavitan-tenan’ny zatovovavy
Ny fandaharan’asa Let Us Learn dia paikady entina mihazona amin’ny fianarana ary misoroka ny tsy fianarana, ka miteraka soa fanararaotra ho an'ny zatovo marefo, indrindra fa ny zatovovavy, ary koa hahatanteraka ny zony hianatra ao anaty tontolo azo antoka sy voaaro. Ny fandaharan’asa dia mifantoka amin'ny andry telo ara-drariny: ny fijerena ireo ankizy tsy mianatra, ny fanitarana ny fanabeazana ny zazavavy ary ny fanatsarana ny vokatra avy any amin’ny mpianatra. « Izay fianarana nataoko rehetra izay dia nanampy ahy hanatsara ny fahaiza-manao ananako sy hahatonga ahy ho tompon'andraikitra bebe kokoa. Ankehitriny dia manampy hatrany ny reniko aho amin’ny fandrariana satroka mba ho fivelomana”, hoy i Stella nijoro vavolombelona. Nandritra ny fotoana tsy nahateo ny reniny izay nandeha tany amin’ny faritra hafa hanatrika lanonam-pianakaviana dia nahaleo tena tanteraka ireto tovovavy ireto. Eo ambany fanaraha-mason’ny raibe sy renibeny izay mifanila trano aminy dia mbola mikarakara an’i Sonia zandriny vavy kely izy ireo, izay vao 11 taona monja ary vao nifindra kilasy faha-7 tao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany tao an-tanàna. « Zava-dehibe ny fianarana, indrindra ho an’ny zazavavy, satria ahafahantsika manatratra ny tanjontsika sy hahatanteraka ny nofinofintsika izany. Mbola lavitra ny lalana nefa tsy maintsy miara-miady isika mba hanantena fa hanana hoavy tsara kokoa. Amin'izao fotoana izao aloha dia mankafy ny fahatanoranay miaraka amin'ny namana sy ny fianakaviana izahay », hoy i Sarah namarana.
Naoty : Ny fandaharan’asa “Andao hianatra” (Let Us Learn) dia afaka notanterahana noho ny famatsiam-bolan’ireo komity nasionaly ho an’ny UNICEF Alemana (Findel) ary Amerikana (Zonta international).