Ny tsara indrindra no tianao ho an’ny zanakao ? Ataovy vakisiny izy !

Jean Francois Basse – Solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara

Jean Francois Basse - Représentant de l'UNICEF à Madagascar
Jean Francois Basse - Représentant de l'UNICEF à Madagascar
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana
20 Aprily 2023

Samy te-hanome ny tsara indrindra ho an’ny zanany ny ray aman-dreny tsirairay avy. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny dia mifototra amin’ny tanjona hanome ny tsara indrindra ho azy ireo avokoa. Tsy hieritreritra ny tsy hanome azy fialofana na sakafo mihitsy isika raha mbola misy azontsika atao koa. Koa nahoana ary no mihoatry ny ampahatelon’ny ankizy eto Madagasikara no tsy vita vakisiny?

Efa mihoatry ny roanjato taona izao no nahitana fa ny vakisiny no fiarovana ny ankizy azo antoka indrindra amin’ny aretina mety mahafaty. Tsara kokoa ny vokatry any am-pianarana ho an’ny ankizy vita vakisiny sady mampisy tombony ny fiharian-karena eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireny izany. Ny fanaovam-bakisiny ny zaza mandritra ny taona voalohany sy faharoa no tsara indrindra, mandritra ireo taona ireo mantsy no ambany indrindra ny hery fiarovana ao amiy, ka mahatonga azy ireo ho marefo miatrika aretina maro. Ny vakisiny no toy ny ampinga miasa sy miaro ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Na dia maro aza ny tombotsoa azo amin’ny fanaovam-bakisiny, na dia maimaimpoana aza izany, dia mbola maro ny ray aman-dreny no tsy manao izany ho laharam-pahamehana. Saika ny ampahaefatry ny ray aman-dreny nanontaniana tamin’ny fanadihadiana mikasika ny ezaka fandrakofana vaksiny an’i Madagasikara tamin’ny 2021étude de la couverture vaccinale à Madagascar datant de 2021 dia nanambara fa tsy vita vakisiny ny zanany satria « sahirana loatra izy ireo». Ny halaviran’ny toby fanaovam-bakisiny no mazàna aroson’ny ray aman-dreny ho antony tsy mahavita vakisiny ny zanany. Isan’ny voalohany amin’ny firenena manana taha ambony amin’ny zaza « 0 daozy », izany hoe zaza tsy nahavita vaksiny mihitsy na iray aza i Madagasikara. 

Mihoatry ny 300,000 ireo ankizy latsaky ny herintaona tafiditra ao anatin’izany zava-misy izany, izany hoe zaza iray amin’ny telo, araky ny vinavina nataon’ny OMS sy ny UNICEF.

Manaitra tokoa izany isa izany satria dia fatra-mbakisiny 16 no tokony hositrahan’ny zaza tsirairay ao anatin’ireo fandaharan’asa 6 mikasika ny vakisiny natokana ho an’i Madagasikara.

Mampanahy ny toe-javatra notaterin’ny UNICEF mikasika ny toe-javatra mitraga maneran-tany satra dia mahatratra 67 tapitrisa ny zaza tsy vita vakisiny teo anelanelan’ny 2019 sy 2021, ary nihena ny fandrakofana vakisiny tany amin’ny firenena 112.

Raha toa ka tsy vita vakisiny ny ankizy iray dia tsy hahatohitra ny areti-mandozae toy ny kitrotro na ny lefa-kozatra izy mety fahafatesana na takaitra mandra-maty ho azy izany. Raha maro no tsy vita vakisiny dia hihitatra ireo aretina amin’ny kitrotro sy ny kefa-kozatra ary mety hanapotika ny fiaraha-monina.

Ny antony voalohany nampirongatra ny aretina lefa-kozatra tato Madagasikara tamin’ny volana septambra 2020 izao dia vokatry ny  havitsian’ny ankizy vita vakisiny miady amin’ny lefa-kozatra. Ny antontan’isa navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia maneho fa latsaky ny antsasaky ny ankizy avy amin’ny faritra 23 ihany no nisitraka ny fatram-bakisiny voalohany miaro amin’ny lefa-kozatra raha vao teraka. Mbola lavitra ny tanjona napetraky ny firenena hanao vakisiny ny 90%-n’ny zaza vao teraka hiadiana amin’io aretina io. Mora mifindra izaitsizy ary mamely ny rafitry ny hozatra sady mety hitarika kilema mandrapahafaty na fahafatesana mihitsy aza io aretina io.  Kanefa dia aretina mora sorohina amin’ny alalan’ny fanaovam-bakisiny.

Tokony hataon’ny ray aman-dreny ho azo antoka mihintsy ny hahavitan’ny vakisiny BCG raha vao teraka, fa izany no hiaro azy amin’ny tiberkilaozy, toy izany koa ny vakisiny fanefitry ny lefakozatra (OPV0). Tokony ho entin’ny ray aman-dreny any amin’ny tobim-pahasalamana na fanaovam-bakisiny ny zaza araka ny fandaharam-potoanan’ny fanaovam-bakisiny. Tokony hataon’ny ray aman-dreny ho azo antoka ny fanaovana vakisiny mandritra ny hetsika natokana hiadiana amin’ny lefakozatra sy ny nendra. Tokony hatao izany na dia efa nahavita ny vakisiny mahazatra aza ny ankizy, amin’izay azo antoka mandrapahafatiny tsy ho tratr’ireo areti-mandoza ireo.

Maro ny andraikitry ny ray aman-dreny. Kanefa azo antoka fa ny fahasalaman’ny zaza no laharam-pahamehana ho antsika. Ireo mpitarika sy ray aman-dreny rehetra na ara-politika na ny ara-pivavahana na  ara-drazana, ary ireo seraseram-piarahamonina, dia hihena be dia be ny isan’ny zaza 0 daozy (tsy nahavita vakisiny na iray aza). Ny hiarovana ny zanatsika amin’ny aretina azo sorohina no tsara indrindra : ho azy ireo, ho an’ny fiarahamonina ary ny firenena.

Tokony hatao izay azo atao rehetra mba hahafahan’ny fianakaviana manatona ny toby, ka hahafahan’ny reny na ny ray na ny lpitaiza mitondra ny zaza hatao vakisiny.

Mbola marina hatrany ankehitriny ilay fahendren’ny ohabolana malagasy hoe: « Aleo misoroka toy izay mitsabo ; « Ny fahasalamana no voalohankarena » ; « Izay tia mahafoy ».

Nanamarika ny herinandron’ny fanaovam-bakisiny maneran-tany isika, koa andeha hanolo-tena hamorona ho avy vaovao ho an’ny ankizy amin’ny fiarovana ny fahasalamany. Andeha hatao vakisiny ny zanatsika.