Ny fandaharan’asa Zara Mira, fanohanana entina manatsara izay mahasoa ny zaza
-

Ny vanim-potoan'ny rivodoza eto Madagasikara mandritra ny telo volana voalohany amin'ny taona dia miteraka faharavana manerana ny nosy, ka miantraika amin'ireo olona marefo indrindra eo amin'ny fiarahamonina. Mpanenona tsihy i Ravololo, 30 taona, ary mpamboly i Fabrice vadiny, 35 taona. Manan-janaka enina izy ireo, lahy efatra ary vavy roa: 13, 9, 7, 5, 3 taona ary 10 volana. Tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 2022 dia nisy rivodoza maro namely ny faritra nisy azy ireo izay nisy vokany tamin’ny fianakaviana.
Nandritra ny rivo-doza dia afaka nandositra niaraka tamin'ny fokonolona hafa izy ireo ka namonjy efitrano fianarana tao amin'ny sekoly teo an-toerana. Rava ny tranon’izy ireo, niaraka tamin’ny antontan-taratasy ara-panjakana manan-danja momba ny fananany. Soa ihany fa azon’izy ireo natao ny nikarakara ilay taratasy fototra teo anivon’ny sampan-draharaham-paritry ny minisitera. Nisy fiantraikany tamin’ny fambolen’izy ireo ihany koa ilay rivodoza. Tsy namoa ny vary sy ny mangahazo satria ravan’ny rivo-doza.
Sarotra ny fiainana talohan'ny nisitrahan’izy ireo ny fandaharan’asa Zara Mira ary tsy afaka nanefa ny saram-pianarana na ny fitaovam-pianarana ho an'ny zanany rehetra ilay fianakaviana. Ankehitriny, vokatry ny fanohanana ara-tsosialy dia afaka mandefa ny zanany dimy any an-tsekoly izy ireo. Laharam-pahamehana ho azy ireo ny fandoavana ny saram-pianarana, ny fitaovam-pianarana, ny sakafo ary ny fitafiana ho an’ny ankizy. Noho izany tohana ara-bola izany dia azon’izy ireo natao ihany koa ny nandefa ny zanany lahikely mialoha ny farany any amin’ny akanin-jaza, izay tsy voatery atao akory, kanefa noho ny fanirian’ilay zaza hianatra dia nampidirin’ny ray aman-dreniny izy. Ny vola nositrahan’izy ireo farany dia nahafahany nankalaza ny fetin’ny fahaleovantena.
Tamin’ny alàlan’ny ambim-bava nananany dia afaka nampiasa vola nananganana ny orinasany i Ravololo sy Fabrice. Nividy akora fototra hanenomana tsihy i Ravololo ary nividy masomboly tamin’ny ampahan’ilay vola kosa i Fabrice, ho an’ny fotoam-pambolena manaraka.
Ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo dia ahitana tahirim-bolam-piarahamonina izay ahafahan'ny mpikambana mandray anjara tsy tapaka. Raha sendra misy vonjy taitra na filàna maika dia afaka mindrana vola ny fianakaviana ary mamerina izany amin'ny volana manaraka. Ravololo dia mikasa ny handray anjara ao amin’ilay tahirim-bolam-mpiarahamonina, amin’ny alàlan’ny vola fanampiana manaraka. Miaraka amin'ny vadiny, manantena ny ho afaka hanomboka hanorina ny tranony izy ireo.
Amin’ny alàlan’ny fanohanana sosialy Zara Mira dia afaka mandefa ny zanany any an-tsekoly i Ravololo sy Fabrice