Nahy, reny iray miroboka tanteraka ao anatin’ny asa fambolena any Ehavo.
Mandray anjara amin’ny famelomana ny ankohonany sy ny fiarahamonina misy azy i Nahy amin’ny alalan’ny fanaovana zaridaina hamokarana sakafo iombonana izay naorina taorian’ny fampidirana rano fisotro madio tao an-tanàna.
Nahy, 34 taona, dia reny feno fanoloran-tena tanteraka, manan-janaka valo: efa-dahy sy efa-bavy. Tany an-tsaha no nahitanay azy io andro io, niara-niasa tamin’ireo mpiray fikambanana mpamboly ao an-tanàna. Miara-mamboly legioma toy ny voatabia, korizety sy anana izy ireo. Telo taona lasa izay no niorenan’ity fikambanana ity, taorian’ny foto-drafitr’asa vaovao, namboarin’ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’ antoka aminy, ka nahazoana nampiditra rano fisotro madio maharitra sy mahatanty ny fiovaovan’ny toetr’andro tao an-tanàna, sady tetikasa mitondra fiovana ho an’ny mponina ao aminy
Taloha dia nandeha an-tongotra maharitra ny adiny iray i Nahy vao mahita loharano. "Izao izahay afaka mifantoka bebe kokoa amin’ny asa fambolena, ," hoy ny fanazavany. Sady mitrotro ny zanany farany, Natrefendraza, vao herin-taona sy folo volana monja sady miasa ihany. Ho an’i Nahy, « ny zanaka no harena ». mpamboly koa ny vadiny saingy tsy tafiditra tao amin’ny fikambanana fa voafetra ny isan’ny mpikambana.
« Ny zanako no hareko»
Fikambanana natao ho an’ny rehetra
Misy 30 eo ny isan’ny mpikambana mavitrika ao anatin’ity fikambanana ity, izay manome fahafahana ny mpamboly hiara-miasa ny tany sy hiara-mivarotra ny vokatra, hizara ny vidim-bokatra sy hanokana ampahany harotsaka ao anaty tahirim-bokatra. Amin’ny lafiny iray ity modely ity dia mamporisika ny fiaraha-misitraka ny vokatra azo ka manamafy ny fahavitàn-tena ara-tsakafo’ny fianakaviana. Ankoatran’izay koa i Nahy dia mandray anjara amin’ny fanaovana tahiry iombonana ka mandrotsaka 2500ar isan-kerinandro ao anatin’izany tahiry izany izy. Ny tahiry iombonana dia tsinjaraina indray isaky ny sivy volana ka amin’izay dia mitombo avo roa heny ny tahiriny ary aminy dia tombontsoa izany. Tamin’ny vola niditra taminy dia afaka nividy akoho sy sakafo ary nahavita ny fandaniana ho amin’ny fianaran’ny zanany izy.
Misy ampahany amin’ny vokatra ihany koa ampiasaina ao amin’ny ivon-toeran’ny fanjarian-tsakafon’ny fiaraha-monina eo an-tanàna. Misy ireo mpanentanana ny fiaraha-monina ao izay mampianatra karazana nahandro sy mamporisika mikasika ireo fahazarana tsara tokony hananana mikasaka ny sakafo. Afaka mianatra mahandro sy mampiasa ireo vokatra misy eo an-toerana araka izany ny ray aman-reny raha avela milalao sy misy mpanara-maso kosa ny zanany mandritra io fotoana io. Ity hetsika ity dia tohanan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana iray eo an-toerana, ary manampy amin’ny fanatsarana ny fanjariantsakafon’ny ankizy sy manao izay hahamora kokoa ny fiainan’ny ray amendreny monina ao Ehavo.
Fanamarihana : ny « écovillage » dia tetikasa napetraky ny UNICEF ary vatsain’ny Komity nasianalin’ny UNICEF Belgique, Pays-Bas, Royaume-Uni, France, Andorre ary Allemagne,sy ny « fondations Moondance sy Eleva”.