Miezaka mitazon’aina manoloana ny haintany ireo fianakaviana any atsimon’i Madagasikara
Manampy ireo ankizy anarivony iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’ny fiatrehana ny hamehana ara-tsakafo ny fanampian’ny UNICEF, amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID


Mipetraka miaraka amin’ny mpiray tampo aminy sivy mianadahy ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maroalipoty any Atsimon’i Madagasikara (faritra Androy) i Anjaramee (4 taona). Izy ilay eo ankavanan’ny reniny, Maho. Iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na ny ahiazana diso tafahoatra vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sy tsy fisian’ny rano fisotro madio izy.

Tratran’ny haintany vokatry ny fahakelezan’ny rotsakorana ary mbola nohasarotin’ny tranga El niño ity faritra iray eto Madagasikara ity. Ankoatra izay dia mbola nandrava ireo fambolena any amin’iny faritra iny ihany koa ilay rivotra any Atsimo antsoina hoe « Tiomena ».

Ontsa i Maho renin’ny Anjaramee mahita ny voly mangahazony ravan’ilay tafiotra mitondra jofon-tany matevina. « Efa ho taona iray izay no tsy nisy vokatra niakatra intsony ary efa tena tsy manan-kohanina intsony izahay », hoy i Maho izay mitondra vohoka.

Vary kely dia kely sisa no ananan’ity tokantrano ity. Na dia mbola voatazony aza ny fitiavana mizara dia voafetra ho indray mandeha isan’andro sisa no misakafo ity fianakaviana ity. Tsy ampy velively hitomboan’ny ankizy ara-batana sy ara-tsaina anefa izany.

Vokatry ny fisotroana rano maloto ihany koa no antony mahatonga ny ahiazana diso tafahoatra mahazo an’i Anjaramee. Io rano maloto io no iray amin’ireo antony mahatonga ny fivalànana sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tsy maintsy mandeha an-tongotra fito kilometatra avy eo an-tanàna vao mahazo rano; rano izay matetika amidin’i Maho amin’ireo olona tsy afaka mandeha hatrany Ampasipoty.

Toa an’i Maho dia maka rano any amin’io vovo io avokoa ny ankamaroan’ny olona eo Maroalipoty satria dia 500 hatramin’ny 2000 ariary ny « bidon » roapolo litatra ; vola be izany ho an’ny olona eo an-tanàna ka tsy mandany vola toy izany izy ireo raha tsy tena efa tonga amin’ny tsy azo anoharana.
*1USD = eo amin’ny 3,500 Ariary eo

Nahavita nangady lavaka lehibe nahitana rano ireo mponina any amin’ny tanàna sasany, saingy mbola maloto lavitra ny rano hita tao ary efa mahatratra ny fetra farany azo sotroina ny hasira ao anatin’izany.

Isan-kerinandro i Maho dia mitondra ny zanany vavy Anjaramee mankany amin’ny tobim-pahasalamana mba hahafahana manara-maso ny fitsaboana ilay zaza amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny fitsirihana sy ny fandraisana andraikitra mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika dia atao isaky ny Alarobia, ao amin’io tobim-pahasalamana io. Fanentanana mikasika ny fanao tsara momba ny resaka sakafo ara-pahasalamana, izay tanterahan’ireo mpisehatra ara-pahasalamana sy ireo mpanentana eny amin’ny fiarahamonina, no anombohana io tontolo andro io.

Aorian’izay dia lanjaina sy refesina ireo zaza toa an’i Anjaramee hahafahan’ny tompon’andraikitra manara-maso ny fivoaran’izy ireo ara-tsakafo sy mandray ireo fepetra ilaina.

Noho ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID sy ny fanampiana avy amin’ny UNICEF dia afaka misitraka fitsaboana amin’ny alàlan’ny sakafo azo hoanina avy hatrany i Anjaramee. « Tokony hihatsara ny fahasalamany raha laniny ny fatran-tsakafo asaiko hohaniny. Satria tsy misy fahasarotana ny tranga mahazo azy dia ny CRENAS (Centre de REcupération Nutritionnelle Ambulatoire pour la malnutrition Sévère) ihany no mandray an-tànana azy », hoy Myriam, lehiben’ny tobim-pahasalamana ao Maroalipoty.

Ho an’ireo tranaga misy fahasarotana ara-pitsaboana kosa dia any amin’ny CRENI (Centre de Récupération et d'Education Nutritionnelle Intensif) any Ambovombe (tanàn-dehibe ao amin’ny faritra) no andraisana an-tànana ireo ankizy. Misitraka ny fikarakarana natokana ho an’ny olona miditra hôpitaly izy ireo any.

Omena ronono mahavelona izy ireo mandritra ny fitsaboana, ankoatra ireo fanafody hafa hitsaboana ny fahasarotana. I Vaha Anakivoe, mpitsabo mpanampy ao amin’io toeram-pitsaboana io izay miasa an-tsitrapo, no manara-maso isan’andro miaraka amin’ny tsikitsiky raha tena manaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsaboana ireo marary.

Vokatr’io fanampiana io dia ankizy aman’arivony any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no ho tafita velona na dia eo aza ny haintany.

Manohy mamonjy isan-kerinandro any amin’ny tobim-pahasalamana i Maho sy ny zanany Anjaramee mandra-pivoaran’ny fahasalaman’ity farany sy mandra-pahatratrarany ny lanja tadiavina hahafahany mivoaka ao anaty tsy fanjarian-tsakafo.