Fanamafisana ny tohibely any an-tsekoly mba hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro.

Ny UNICEF dia niditra an-tsehatra mahakasika ny fampiharana ny fandaharan’asa maharitra eny anivon’ireo sekoly, izay mahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny Zonta International, ary mikendry indrindra ireo tovovavy adolantsento.

Ny Hasina Ramahenina
Affiche sur la Gestion de l'Hygiène Menstruelle
UNICEF/UNI474534/Ramasomanana
21 Desambra 2023

Madagasikara dia anisan’ny firenena tena iharan’ny loza ateraky ny fikorontanan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokany, tsy mahatratra ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD) ny firenena eo amin’ny lafin’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana. Raha ny eny anivon’ny sekoly no resahana manokana, 81%-n’ny mpianatra no tsy mahazo rano fisotro madio ary 31% no tsy manana kabone, araka ny tombana avy amin’ny UNICEF France. Mba hiatrehana amim-pahombiazana sy amin’ny fomba maharitra izany toe-javatra izany, ny UNICEF, miaraka amin'ny fanohanan'ny mpiara-miombon'antoka maro, dia mandray andraikitra manodidina ny fanatanterahana ireo fandaharan'asa maharitra vatsian'ny Zonta International vola, izay mikendry indrindra ireo tovovavy tanora.

Sekoly fanabeazana fototra miisa 5 any amin’ny faritra Androy no nisitraka kojakoja WASH feno: toerana fanovozan-drano efa misy, ny fizarana fitaovana fanasan-tanana ary tsy ho ela ny fananganana kabone mahatanty ny fikorontanan’ny toetrandro sy kabone misaraka ho an’ny ankizilahy sy ankizivavy. Ankoatra izany, ny mpampianatra sy ny mpianatra dia mandray anjara amin’ny fiofanana mahakasika ny tontolo iainana izay mampiditra ny lalao iKa’lio – fitaovana entina hampiroboroboana ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana (MHM). Izany dia miantoka fa ny vondrom-piarahamonina dia mianatra amin'ny fomba mahafinaritra ao amin'ny toerana azo antoka sy tsimialonjafy, manova azy ireo ho lasa tompon’andraikitry ny fanovana afaka manangana vondrom-piarahamonina afaka miatrika ireo fanamby mahakasika ny fiovaovan’ny toetr'andro.

Présentation de Ika'lio

Fampisehoana ny iKa'lio, lalao fanabeazana natao hanentanana ny zatovovavy momba ny fahadiovana mandritra ny fadim-bolana, nalaina tamin'ny lalao nentim-paharazana malagasy Katro. Bodo sy Lalatiana, avy ao amin’ny UNICEF, dia manampy ny mpampianatra hahatakatra ilay lalao sy hahazo tsara ny maha-zava-dehibe ny fananana fahazarana tsara, fahalalana, fihetsika ary fomba fanao manodidina ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadim-bolana.

Les élèves découvrent Ika'lio avec joie

Anjaran'ny mpianatra izao no mikaroka sy milalao ny iKa'lio. Tena mandray anjara tanteraka amn’ilay lalao ireo zazavavy ary maneho ny fahafaham-pony izy ireo.

Les enfants apprennent les bonnes pratiques et les mesures d'assainissement et d'hygiène à l'aide de divers supports.

Mianatra ireo fomba fanao tsara sy ireo fepetra mahakasika ny fanadiovana sy fidiovana ny ankizy, amin'ny alàlan’ny fampiasana fitaovana isan-karazany. Eto i Tema, 12 taona, dia mijoro amim-pireharehana manoloana ireo mpiara-mianatra aminy mampiseho peta-drindrina mikasika ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, ary i Clarisse, mpampianatra ao amin’ny kilasy T5 kosa indray dia manazava ny votoatin’ilay afisy.

les bénéfices du respect de l'environnement à l'aide d'une affiche accrochée au mur

Any amin’ny kilasy hafa, i Niaina, mpampianatra ao amin’ny kilasy T1, dia mitantara ireo tombontsoa azo amin’ny fanajana ny tontolo iainana, amin’ny alàlan’ny afisy mihantona amin’ny rindrina. Ny rindrina tokoa mantsy dia voaravaka afisy maromaro ahitana fanentanana momba ny fanabeazana mahakasika ny tontolo iainana.

Les écoles bénéficiaires du programme WASH de résilience climatique

Ireo sekoly dimy nahazo tombontsoa tamin’ny fandaharan’asa fanohanana izay novatsian’ny Zonta International vola, ary nampiharin’ny UNICEF, dia nisitraka kojakoja WASH ihany koa: fitaovana fanasan-tanana, kojakoja fanadiovana sy fitantanana ny fako, eny fa na ny fikarakarana zaridaina aza, ary koa ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny rano sy ny fanadiovana.

Florentine se lave les mains après allée aux toilettes

Mba hiantohana ny fahasalaman'ny ankizy sy hiantohana ny fanarahana ny fenitra momba ny fahadiovana sy ny fahazoana aina, ny sekoliny ao Behabobo dia ahitana kabone mitokana ho an'ny ankizilahy sy ankizivavy. Ireo trano fidiovana ireo dia naorina niaraka tamin'ny trano sekoly rehetra araka ny fenitra, noho ny fandraisana andraikitry ny UNICEF.

Les toilettes séparées pour les garçons et les filles à l'école de Behabobo

Manana fitaovana fitrohan-drano amin'ny alàlan'ny vatoaratra fahanan’ny herin’ny masoandro (“panneau solaire”) ihany koa ilay sekoly, ahafahana mahazo rano amin'ny fomba mikajy ny tontolo iainana sy lovainjafy. Ankoatr'izay, ny sinibe fitehirizan-drano amin’ny toerana avo dia ahafana mitahiry rano mandritra ny andro tsy misy tara-masoandro.

L'école est également équipée d'un système de pompage d'eau alimenté par des panneaux solaires

Manana fitaovana fitrohan-drano amin'ny alàlan'ny vatoaratra fahanan’ny herin’ny masoandro (“panneau solaire”) ihany koa ilay sekoly, ahafahana mahazo rano amin'ny fomba mikajy ny tontolo iainana sy lovainjafy. Ankoatr'izay, ny sinibe fitehirizan-drano amin’ny toerana avo dia ahafana mitahiry rano mandritra ny andro tsy misy tara-masoandro.

Sijahanitra, 11 ans, et Lahaminosoa, 13 ans, arrosent les plants de légumes dans la cour de leur école à Ankilimilopake.

Ny famatsian-drano ho an’ny sekoly dia ahafahan’ny mpianatra mampihatra ny lesona momba ny tontolo iainana nianarany tany an-dakilasy; anisan’izany ny fambolena legioma. Sijahanitra, 11 taona, sy Lahaminosoa, 13 taona, manondraka ny legioma eo an-tokotanin’ny sekoly misy azy ao Ankilimilopake.