Eto Madagasikara, fanentanana ho an’ny fanitarana ny fandaharanasa fiahiana sosialy ho an’ny ankizy

Ny programa fanohanana sosialy ho an’ny ankizy sy zara mira dia manome fanantenana ho an'ireo fianakaviana marefo an-jatony izay mivelona amin'ny fitrandrahana mika

Irenee Arimanana Ravelojaona Ep Ratovo
Familles Mica
UNICEF Madagascar/2022/Ravelojaona
14 Jolay 2022

Any Vohibola, 15 km miala an’Amboasary any atsimon’i Madagasikara, i Soja Molisoa sy Miza Razie vadiny dia mivelona amin’ny fitrandrahana mika miaraka amin’ny zanany folo. Rehefa nanao io asa io nandritra ny taona maro izy ireo, dia tena kivy amin’ny sarany ambany dia ambany mifanaraka amin’ny ezaka vitan’izy ireo tamin’ny fitrandrahana ity harena an-kibon-tany ity. Ny vola miditra amin’izy ireo isan'andro 3 000 Ariary (0,78 dollars) hatramin'ny 4 000 (0,98 dollars) Ariary dia tsy ahafahana mividy afa-tsy vary telo kapoaka fotsiny ihany. « Kely izany ho an’ny vava homana 12. Kanefa izany vola izany dia afaka miantoka ny sakafonay farafahakeliny indray mandeha isan’andro, » hoy ny fanazavan’i Miza Razie.

Amin’iny faritry ny Nosy iny dia tena nahazo vahana izany asa fitrandrahana mika izany noho ny hain-tany manjaka any. Nisafidy io asa fivelomana io ity fianakaviana ity satria tsy misy vokatra mahafa-po mandritra ny taona entina mamaly ny filàn’izy ireo rehetra. Vao mainka niha-sarotra ny toe-draharaha ho an’i Miza Razie sy ny fianakaviany izay tsy manana tany hovolena na biby fiompy. « Io asa io ihany no ahafahanay mivelona, » hoy izy.

Sahala amin'ity fianakaviana ity, ireo fianakaviana marefo manan-janaka kely no manao ny fitrandrahana mika. Toy izany ny fianakavian’i Soja Heritsivany izay miandraikitra zaza miisa 20. « 12 ireo zanaka naterako, 8 ny zafikeliko izay zanaky ny zanako vavy 4 tokan-tena avokoa. Ankoatra izay, 12 no latsaky ny 15 taona, » hoy ny fitantarany.

Ireo ray aman-dreny sy ny zanany dia miara-miasa anaty fitrandrahana mika ihany koa. Koa satria 100 Ariary  (0,024 dollars) hatramin'ny 150 Ariary (0,037 dollars) ny vidin’ny iray kilao amin’izany dia tena ilaina ny fanampiana mba hahazoana 3 000 Ariary (0,78 dollars) hatramin'ny 4 000 Ariary (0,98 dollars) ao anatin’ny iray andro. Ny ankizy dia tsy misitraka ny zony fototra, anisan'izany ny fahazoana fitsaboana fototra, na fanabeazana satria mahalana ireo ray aman-dreny no manana fahafahana mitsabo azy ireo na miantoka ny fianarany. Ny fananana fiahiana ara-tsosialy mampiaty, amin'ny alàlan'ny fanohanana ara-tsosialy ho an'ny ankizy sy ny fahafahana mitovy dia fomba iray izay hampihenana ny fahantran'ny ankizy ary hamporisihina ny fampiasam-bola bebe kokoa amin'ny fahatsaram-pianin’izy ireo ho an'ny fivelarany.

I Tenasoa dia zanaka vavin’i Miza Razie. 14 taona izy ary sembana ara-batana. Tsy afaka mandeha izy ary mandady isan'andro mba hahatongavana any amin'ny toeram-pitrandrahana sy manao ny asany mba hahazoana mika 2 kilao isan'andro. « Tsy fantatro ny niandohan’ny fahasembanana mahazo azy. Tsy tadidiko raha nahazo ny vaksiny mahazatra izy fony mbola kely. Etsy ankilany, tsy maintsy miasa izy satria izany no ahafahanay mampitombo ny fidiram-bolanay, » hoy hatrany i Miza Razie.

Hita taratra amin’ny feony ny zava-mangidy iainany. Tena tia mianatra i Tenasoa saingy tsy afaka mandeha an-tsekoly izy noho ny tsy fahampian’ny fahafahana, satria ny sekoly akaiky indrindra dia 15 km miala amin'ilay toeram-pitrandrahana sady ny làlana dia tena ratsy. Sahala aminy dia maro ireo ankizy miasa amin’ny fitrandrahana mika no tsy mandeha mianatra. Nieritreritra ny hanangana sekoly noho izany ny vondrom-piarahamonina misy an’iTenasoa sy ny fianakaviany ary efa naharesy lahatra tanora iray avy ao an-tanàna mba hampianatra ao. « Efa nanomboka nanangana izany tamin’ny volanay manokana izahay saingy tsy mety vitanay ilay sekoly, » hoy ny fitarainany.

Ankoatr’izany, sarotra ny mahafantatra ny tena taonan’ireo ankizy avy eo an-tanàna miasa isan’andro ao amin’ilay toeram-pitrandrahana. Tsy misy voasoratra anarana ara-panjakana ireo zaza teraka tao. Tsy misy manana kopia nahaterahana ireo ankizy ireo. Ireo renin-jaza roa, anisan’izany i Miza Razie, no misahana ny fanarahana ireo reny sy manao izay hahatomombana ny fiterahana rehetra. « Mila telo andro vao tonga ao amin’ny tanàna lehibe indrindra ao amin’ny kaominina raha misy marary. Dia an-tongotra no anaovana izany satria tsy manana fitaovam-pitaterana izahay, » hoy i Soja Heritsivany, mpitrandraka mika iray hafa.

Tenasoa fille de Miza Razia. Elle a 14 ans et elle n’est jamais allée à l’école. Elle est devenue handicapée car elle n’a pas été vacciné. Malgré son état, elle arrive à travailler sur le site mica en rampant. Elle apparaît eue deux kg par jour et l’argent qu’elle gagne complète sa nourriture quotidienne.
UNICEF Madagascar/2022/Ravelojaona Tenasoa, zanak’i Miza Razia. 14 taona izy ary tsy mbola nandia sekoly. Lasa sembana izy satria tsy vita vaksiny. Na dia misy io toe-javatra iainany io aza dia afaka miasa ihany ao amin’ilay toerana fitrandrahana izy rehefa mandady. Mahavita mitrandraka mika 2kg isan’andro izy, ary ny vola azony amin’izany dia hanampiana ny sakafony.