Andao hankalaza ny fahasamihafana!

Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, fitovian-jo ankehitriny ho an'ny hoavy maharitra!

Ny Hasina Ramahenina
Les femmes malgaches
UNICEF/UN0599914/Ramasomanana
08 Martsa 2022

Ho fanamarihana ny Andron’ny Vehivavy amin’ity taona ity dia te hiverina ifotony izahay. Asongadina ny fahasamihafan'ny vehivavy manerana an'i Madagasikara.

Nahoana? - Na dia tena mivoatra tsara aza ny Tolona ho amin’ny zon’ny Vehivavy dia misy ny tsindry mivesatra amin’ny vehivavy, indrindra mahakasika ny endrika ivelany. Izany filàna te hifanaraka amin’ny endrika ara-batana manaraka ny fenitra momba ny hatsaran-tarehy izany dia efa nisy hatrany tao anatin’ny telon-jato taona farafahakeliny manerana izao tontolo izao. Na izany aza, ny fahasorenana amin'ny tsy fahatrarana izany fenitry ny hatsaran-tarehy izany dia mety hitarika ho amin'ny fahaverezan'ny fahatokisan-tena izay miseho matetika amin'ny fahazazàna, ary misy vokany maharitra.

Ary eto Madagasikara? – Tao anatin’ny 60 taona farafahakeliny teto Madagasikara, ny hatsaran’ny volo dia mifandray hatrany amin’ny volo tsotra. Saingy nanomboka tamin'ny taona 2017 dia nitarika ny fiverenana amin'ny volo voajanahary ny vondrom-piarahamonina Curly Aho, izay nahazo aingam-panahy avy amin’ny hetsika iraisam-pirenena iray.

Ankoatra ny bika aman’endrika, indrindra mahakasika ny volo, dia maneho ny harena sy ny fahasamihafan’ny kolontsaina malagasy ity hetsika ity. Manafaka ihany koa ny vehivavy maro izany ary mamela azy ireo hijoro sy hamerina indray ny fahatokisan-tenany mba hahafahan’izy ireo mahatratra tanjona.

 

Ny vehivavy Sakalava, avy any amin’ny Faritra Andrefan’i Madagasikara

Ny vehivavy Antaimoro, avy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasikara

Ny vehivavy Antakarana, avy any amin’ny Faritra Avaratr’i Madagasikara

Ny vehivavy Betsileo, avy any amin’ny faritra Atsimon’ny tanin’ireo razambe

Ny vehivavy Antandroy, avy any amin’ny tendrony atsimon’i Madagasikara

Ny vehivavy Bara, avy any amin’ireo lembalemba any Atsimo

Ny vehivavy Betsimisaraka, avy any amin’ny faritra Atsinanan’i  Madagasikara

Ny vehivavy Merina, avy any amin’ny faritra afovoan-tany

 

Hafatra amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy

 


 

Ny vehivavy Sakalava avy any amin’ny faritra Andrefan'i Madagasikara

Isan’andro dia mitafy “lambahoany” misy sorany izy ireo, izay afatony ao ambany helika. Ny Masonjoany, sary hoso-doko mahafinaritra azo avy amin'ny hazo santal, dia manome endrika ny tarehin’izy ireo ary miaro ny hoditra amin'ny masoandro. Akanjo nentim-paharazana tsotra mifanaraka amin'ny toe-tanin’ilay faritra.

Femme Sakalava
UNICEF/UN0599941/Ramasomanana
Femme Sakalava
UNICEF/UN0599946/Ramasomanana

Ho an’ny vehivavy Sakalava, toy ny lamba landy (ho an'ny lanonana lehibe), ny sobahya dia "lamba" tena sarobidy, mariky ny fiandrianana ary anaovan'ny mpanjaka irery ihany amin'ny fety ara-kolontsaina. Amin’izao fotoana izao, ity fitafy ity dia entina mandritra ny hetsika lehibe toy ny mariazy...

 

Femme Sakalava
UNICEF/UN0599886/Ramasomanana

Ny Vehivavy Antaimoro, avy any amin’ny faritra Atsimo atsinanan'i Madagasikara

Malaza amin'ny fanamboarana « Papier Antaimoro » amin’ny tànana izy ireo. Mikasika ny fitafiany indray dia miavaka amin’ny lambahoany misy tsipitsipika izay afatony eo amin’ny valahany sy ny satroka mololo izay anaovany izy ireo.

Femme Antaimoro
UNICEF/UN0599915/Ramasomanana

Ny vehivavy Antakarana, avy any amin’ny Faritra Avaratr’i Madagasikara

Momba ny fitafy nentim-paharazana, izy ireo dia mitafy “lamba” miady loko toy ny salovana izay lamba nozairina sy afatotra eo amin’ny tratra, ary kisaly izay karazana lamba fitafy atao amin’ny loha sy/na soroka. Amin’izao fotoana izao dia ny vehivavy efa lehibe ihany no manao ireo akanjo nentim-paharazana ireo isan’andro, fa ny tanora kosa dia mitafy azy ireny amin’ny fotoana manokana: fety sy lanonana, filatroana, na fisaonana.

Femme Antakarana
UNICEF/UN0599893/Ramasomanana

Ny vehivavy Betsileo, avy any amin’ny faritra Atsimon’ny tanin’ireo razambe

Malaza amin'ny fahaizany mandray vahiny izy ireo. Mandritra ireo fotoana manokana sy amin'ny andavanandro dia miavaka amin'ny lokony marevaka ny fitafian’izy ireo. Ny lambahoany dia atao manodidina ny valahana, terena tsara mba hanaronana tsara ny vatana rehefa mihetsika ny vehivavy.

Femme Betsileo
UNICEF/UN0599931/Ramasomanana

Ny vehivavy Antandroy, avy any amin’ny tendrony atsimon’i Madagasikara

Malaza amin'ny fahaiza-manaony nentim-paharazana sy miavaka mahakasika ny fanamboarana karipetra Mohair izy ireo. Ny Lamba “Firake” dia akanjo nentim-paharazana manan-danja lehibe ho an’ny Antandroy. Entina amin'ny fotoana manokana: lanonana, fety… Ary izy ireny dia anaovana hatrany miaraka amin'ny firavaka, toy ny "vangovango" sy rojo volafotsy.

Femme Antandroy
UNICEF/UN0599944/Ramasomanana

Ny vehivavy Bara, avy any amin’ireo lembalemba any Atsimo

Izy ireo dia vehivavy be herim-po sy mahay mifandray tsara aman’olona. Amin'ny andavanandro sy mandritra ireo fotoan-dehibe, ny akanjo nentim-paharazana dia miavaka nohon’ny lokony marevaka, ny lambahoany miloko marevaka sy / na lamba "flanelle" miloko isan-karazany izay mifatotra eo amin'ny tratra, na manodidina ny valahana na manarona tanteraka ny vatana. Ny sary eo amin'ny handrina, dia zavakanto vita amin'ny pensilihazo mainty, izay manamarika na manambady na tokatena ilay vehivavy.

Femme Bara
UNICEF/UN0599901/Ramasomanana

Ny vehivavy Betsimisaraka, avy any amin’ny faritra Atsinanan’i  Madagasikara

Mikasika ny akanjo nentim-paharazana, matetika ireo vehivavy ireo dia mitafy salovana izay feheziny manodidina ny tratra na manodidina ny valahana. Ity fitafy tsotra ity dia mety amin'ny toe-javatra rehetra: asa eny an-tsaha, raharaha ao an-tokantrano, ary koa amin'ny fotoana manokana toy ny Tsaboraha (fomba fanomezam-boninahitra ny razana) sy ireo hetsika lehibe hafa.

Femme Betsimisaraka
UNICEF/UN0599900/Ramasomanana

Ny vehivavy Merina, avy any amin’ny faritra afovoan-tany

Mikasika ny fitafy nentim-paharazana, manao akanjo miaraka amin’ny “lamba” hatrany izy ireo, ampiarahana amin’ny karazan-damba isan-karazany: rofia, landihazo, landy, mitovy amin’ny lamba fitafy landy na landihazo, ary indraindray ampiarahina amin’ny elo. Akanjo tsotra izay mifanaraka amin'ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana: fety, fisaonana, fiainana andavanandro.

Couple Merina
UNICEF/UN0603714/Ramasomanana
Femme Merina
Couple merina
Femme Merina
Femme Merina
Femme Merina
Femme Merina

"Ny fanomezan-danja ny tovovavy dia mitarika mankany amin’ny fandrosoana. Manerana izao tontolo izao, ny zazavavy dia miaro ny zony ary manentana mahakasika izany karazana fandrosoana izany. Tokony ho henoina izy ireo. Miankina amin'izany ny fitoniana, ny fandriampahalemana ary ny firoboroboana manerantany.

Amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao, andao isika handray andraikitra ho amin'ny fanarenana aorian'ny valan’aretina, izay mifantoka amin'ny zazavavy, mba hamoronana tontolo ara-drariny sy anjakan’ny fitoviana kokoa ho azy ireo, ary tontolo mamiratra kokoa, milamina ary miroborobo kokoa ho antsika rehetra."

Catherine Russell, Tale Jeneralin'ny UNICEF
Curly Aho Community
UNICEF/UN0599920/Ramasomanana

>> Miverina eny ambony

 

Loharano: Curly Aho