Vanim-potoana roa samihafa, tolona itovizana: fanabeazana ho an’ny ankizivavy
Ity tantara ity dia miresaka mikasika ireo lafim-piainana sasany iainan’ny ankizivavy, indrinda ireo manazava ireo ady sarotra izay iainan’ny taranaka mifandimby nefa mbola misy hatramin’izao, ka mahatonga ny fiarovana ny zon’izy ireo hitaky ezaka maro.
Mpianatra amin'ny kilasy fahatelo ao amin'ny Kolejy Charles Renel ao Mahajanga, sekoly iray any avaratra andrefan'i Madagasikara i Soraya, 15 taona. Fahenina amin'ireo zanaka fito notezain’ny reniny izy. Louisette Justine no anaran’ny reniny, 45 taona. Nandao ny fianakaviana ny rainy ka voatery nikarakara irery ny zanany i Louisette, raha vao herintaona monja i Samira, zandriny indrindra.
Nitombo tsy tanilan- -dreny i Louisette, ary lehibe tao anatin’ny vanimpotoana tsy nanome lanja loatra ny fanabeazana ny ankizivavy. Tsy navela hianatra izy, ary tsy maintsy niahy ny tenany fony fahakeliny; noho izany dia nofinofiny fahizany ny ho afaka hianatra sy hanana ho avy tsara kokoa ireo zanany vavy any aoriana any. Mivarotra legioma ao amin'ny tsenan’i Mahabibo izy amin’izao fotoana izao mba hoenti-manohana ny zanany.
"Tamin'izany fotoana izany, nivoady tamin’ny tenako aho fa hanao izay rehetra azoko atao mba hahazoako antoka fa afaka hahita fahombiazana amin'ny fianarany ireo ny zanako vavy indray andro any, satria niaina fotoan-tsarotra aho rehefa nihalehibe tsy mba nahazoy fanohanana avy tamin’ny reniko," hoy i Louisette, feno fahavononana ombam-paharetana, tsy mba niraviravy Tanana manoloana ny fanamby maro atrehany.
Ankehitriny, tena mahay I Soraya zanany vavt amin’ny taranja Siansa mikasika ny fiainana sy ny tany, ny matematika ary ny fizik. Izany fitiavany ny taranja Siansa izany dia niteraka faniriana tao aminy ho lasa dokotera na ho mpitana kaotim-bola. Fantany ny zava - tsarotra atrehin'ny tanora zazavavy, anisan'izany ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka aloha loatra ary manao izay azony atao izy mba hahitany fahombiazana amin'ny fianarana.
"Maro ny ankizivavy lasa reny tsy satry na dia mbola kely aza, ka tsy afaka manohy ny fianarany.", hoy Soraya araky ny fizaràna ataon'ny reniny aminy matetika
Fanabeazana amin'ny endriny rehetra
Ny 39%-n'ny vehivavy 20 ka hatramin'ny 24 taona eto Madagasikara dia efa tafiditra anaty tokatrano imaso talohan'ny faha-18 taonany. Sorayia kosa dia ankoatran’ny fianarana dia voaaro noho ireo asa ataony eo anivon’ny fiarahamonina. Skoto mavitrika sady mpikambana ao amin'ny klioban'ny mpianatra tohanan'ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ao amin'ny kolejy misy azy i Soraya, ary mirotsaka an-tsehatra amin’ireo hetsika atao ivelan’ny andro fianarana ka sady miaro azy izany no no manamafy ny firotsahany an-tsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana.
Sonya ny zokiny indrindra sy ny zandriny indrindra amin’ireo iray tampo aminy dia skoto ihany. Samy mianatra izy ireo, kilasy fahafolo sy fahaenina izy ireo. "Na dia eo aza ny fanatontoloana, mila mifantoka amin'ny fianarany ny tovovavy ary mandray anjara amin'ny hetsika toy ny maha skoto, satria izany no afaka hitarika azy ireo ho amin'ny tsara eo amin'ny fiainany." – hoy Rasoanatoandro Roverine Ernestine, filohan’izy ireo.
Mirehareha ny amin'ny zanany vavy i Louisette, indrindra fa i Soraya. Tsapany fa tovovavy tompon'andraikitra izy, ary tandindon’ireo zazavavy indray mihira aminy izay manana fanantenana fa hanana hoavy tsaratsara kokoa..
« Manome aingam-panahy betsaka ho ahy ny reniko. Ny fanapahan-kevitra hentitra ananany dia mandrisika ahy hanome ny tsara indrindra avy amiko mba hahombiazako amin'ny fianarana. " - Soraya, 15 taona
"Heveriko fa tokony hankafy bebe kokoa ny taona maha-zatovo azy ny ankizivavy, indrindra mba hisitraka fanabeazana, sy hampivelatra feno ny fahaiza-manaony." - Sonya, 17 taona
Note : A Madagascar, les programmes pour la promotion des droits des filles sont soutenus par plusieurs bailleurs notamment les comités nationaux pour l’UNICEF aux Etats Unis et en Allemagne, Zonta international et la Fondation Findel.