Nanao fanadihadiana ny UNICEF mba hanangonana ny hevitry ny tanora mahakasika ny toe-javatra iainan’ny tovovavy eto Madagasikara
Zoma 11 Oktobra 2024 – Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zatovovavy, amin’ity 11 oktobra ity, dia manao fanadihadiana eny anivon’ny tanora ny UNICEF mikasika ny toe-javatra iainan’ny zatovovavy sy tovovavy eto Madagasikara, amin’ny alàlan’ny sehatra « U-Report ». Hoangonina amin’ny alàlan’ny andiam-panontaniana telo ahitana fanontaniana valo avy ny hevitry ny tanora, ka tafiditra ao anatin’izany ny miralenta, ny fahafantarana ny zon’ny tovovavy ary ny laharam-pahamehana mikasika ny fampiharana ireo zo ireo.
Raha ny marina, eto Madagasikara, ny tovovavy dia maneho ny antsasa-manilan’ny mponina latsaky ny 20 taona, izay tombanana ho 18 tapitrisa mahery ary mahatratra 22%-n’ny vehivavy eto amin'ny firenena. Saingy, tena tsy mahazo tombontsoa izy ireo raha oharina amin’ny ankizilahy sy ny lehilahy ao anatin’ny sehatra maro, toy ny fanambadiana aloha loatra na ny fahasahiranana amin’ny fahazoana fanabeazana manara-penitra. Araka ny antontan'isa farany, efa ho 71%-n’ny tovovavy no miala amin'ny fianarana noho ny fanambadiana aloha loatra (raha ampitahaina amin'ny ankizilahy, izay 28% monja), ary ny 15% amin'ny tovovavy ihany no nahavita fianarana ambaratonga faharoa raha toa ka 16% izany ho an'ny zazalahy[1].
Ny fampiasam-bola ho an’ny tombontsoan’ny tovovavy tanora anefa dia ahafahana manatsara ny fiainan'ny ankizy sy ny mponina amin'ny ankapobeny. Ny UNICEF dia namaritra laharam-pahamehana telo lehibe: ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny sakafo mahasalama ho an'ny zatovovavy, ao anatin’izany ny fahasalamany ara-tsaina ary koa ny zo hahazo fahasalamanaara-pananahana; ny fampiroboroboana ny zon’izy ireo hahazo fanabeazana manara-penitra, ary koa ny fahazoana fahaiza-manao ilaina amin'ny fiainana (fahaizana mametraka ny maha-izy azy, fifandraisana, fifampiraharahana, sns.); ary farany ny fiarovana ny tovovavy tanora amin'ny karazana herisetra, fitrandrahana sy fanararaotana ara-nofo rehetra. Raha tsiahivina dia 11,5%-n’ny tovovavy sy vehivavy 15 ka hatramin’ny 19 taona eto Madagasikara no niharan’ny herisetra ara-nofo. [2]
Ny fanadihadiana U-Report noho izany dia ahafahan'ny olon-drehetra, na lahy na vavy, hizara ny heviny momba ireo teboka telo ireo. Ny vokatra azo avy amin’izany dia hanome fampahalalana sarobidy hahafahana manome tari-dàlana ho an’ny hetsika sy ny fandaharan'asan'ny UNICEF, ny governemanta ary ireo mpiara-miombon'antoka hafa izay manohana ny tovovavy ary mampiroborobo ny zon'izy ireo.
Amin'ny alàlan’ny fandefasana SMS maimaim-poana amin'ny laharana 301, ny tanora rehetra dia afaka mahazo ireo andiam-panontaniana ao amin'ny sehatra U-Report, izay mampivondrona tanora miisa 30.000 eo ho eo amin'izao fotoana izao; ka zazavavy sy zazalahy 14 ka hatramin'ny 35 taona izy ireo, ary vehivavy ny antsasany mahery.
Tsara ny manamarika fa ny UNICEF ihany koa anio dia manohana ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zatovovavy eto Mahajanga; ka ny sehatra isam-paritra ho an’ny tanora, Tafavori no mikarakara izany. Misy loa-bary an-dasy karakaraina ao anatin’izany, mba hiresahana momba ny fahafahan'ny tanora miasa sy ny herisetra atao amin'ny tovovavy.
[1] MICS6 - Madagascar - Education (unicef.org)
[2] Madagascar DHS 2021 – Tatitra farany [FR376] (dhsprogram.com)
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn