Nitondra fanampiana fanampiny ho an’olona marefo manodidina ny 87.000 isa any atsimo i Japana, mba hahafahan’ny olona misitraka fidiovana sy fahadiovana misimisy kokoa

05 Martsa 2021
Camion citerne eau potable
UNICEF/UN0267543/Raoelison

ANTANANARIVO, 05 Martsa 2021 – Olona 87.000 eo ho eo no hisitraka tetik’asa ho an’ny vonjy taitra izay hanome rano fisotro madio sy fahadiovana ho an’ny mponina marefo tratry ny hain-tany any Atsimon’i Madagasikara. 

Io fanampiana avy amin’ny governemanta japoney io dia hahafahan’ny mponina any amin’ny distrika efatra (Tolagnaro, Amboasary, Ambovombe sy Ampanihy) any amin’ny faritra Androy, Anosy sy Atsimo Andrefana mahazo rano amin’ny alàlan’ny fiarabe mpitatitra rano, mamadika ireo paompy efa nisy ho lasa rafi-pitateran-drano madinika mandeha amin’ny masoandro, misitraka fanampiana ara-pahadiovana ho an’ireo fianakaviana manan-janaka mijaly vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, ary fizarana « kit » ahitana savony sy « eau de javel ». Ho hita ao anatin’ity tetik'asa ity ihany koa ny fanentanana ny vondrom-piarahamonina mikasika ny fampiroboroboana ny fomba fanao tsara amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fahadiovana.

« Nanery ireo mponina marefo hisotro izay rano hitany ny taona maro nisian’ny hain-tany tany Atsimon’i Madagasikara, izay nitarika fiantraika goavana teo amin’ny fahasalaman’izy ireo», hoy i Michel Saint-Lot, solotenan’ny UNICEF eto Madagasikara. « Avy amin’io fanampiana io dia ho azo atao tsara ny hampivoatra ny fiainan’ireo olona izay tena voakasiky ny hain-tany ». 

Io fanomezana vonjy taitra mitentina 400.000 dolara avy amin’ny governemanta japoney io dia hahafahan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miasa mpanatanteraka aminy manome tolotra fototra amin’ny sehatry ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana ho an’olona miisa 86.800, izay zaza ny 24.800 amin’izany, mandritry ny enim-bolana. 

« Manohy ny fanampiana ho an’ny Fanjakana Malagasy i Japana mba hiatrehana ireo fanamby any Atsimo, » hoy Andriamatoa hajaina HIGUCHI Yoshihiro, Ambasadaorin’i Japana. « Nampanantena i Japana fa ho eo anilan’ny mponina any Atsimo mandrakariva, izay tratry ny krizy ara-tsakafo sy tsy fahampian-drano goavana ankehitriny, » hoy hatrany izy.

Ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa dia hisy kamiô mpitatitra rano hitety ireo tanàna any amin’ireo distrika voakasika, ary hitondra rano fisotro madio. Hanamafisana bebe kokoa ny tohi-belin’ireo mponina misitraka ny tetik’asa dia hatsaraina ireo toerana fizarana rano raha ilaina izany ary hisy toerana fizarana rano vaovao ihany koa ho hatsangana. 

42%-n’ireo olona any Atsimon’i Madagasikara no tsy mahazo rano fisotro madio. Ambony kokoa ireo antontan’isa ireo any amin’ny faritr’i Androy izay ahitana salan’isa 62%, ho an’i Atsimo Andrefana dia 68% izany ary 70% ho an’ny faritra Anosy. Vinavinaina ho roa tapitrisa ireo olona tsy mahazo rano fisotro madio any Atsimo, ka ny antsasak'izy ireo dia mila fanampiana vonjy maika.

 

 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram