Mba hampitomboana ny fandrakofana vaksiny fanefitry ny COVID-19, i Madagasikara dia notsidihan’ny Fiaraha-miombon’antoka Maneran-tany momba ny Fitsinjarana ireo Vaksiny iadiana amin’ny COVID-19

ANTANANARIVO (Madagasikarar), 12 septambre 2022 – Ny iraka notarihin’ny Mpandrindra ambonin’ny Fiaraha-miombon’antoka Maneran-tany momba ny Fitsinjarana ireo Vaksiny iadiana amin’ny COVID-19 (CoVDP), izay notendren'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Antonio Gueterres ho Sekretera Jeneraly Lefitra tamin'ny 17 febroary 2022, dia tonga eto Madagasikara hanatanteraka fitsidihana ofisialy mandritra ny dimy andro. Miaraka amin’ireo tompon’andraikitra ambony momba ny fanaovam-baksiny avy amin’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny ankizy (UNICEF), ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS), ny Vokovoko Mena sy ny “Croissant-Rouge” (FICR), ny Banky iraisam-pirenenana ary ny Birao Amerikanina ho an'ny Fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) izy.
Ny tanjona fototr'ity iraka ity dia ny fanombanana ireo fandrosoana vita tamin'ny fandrakofana ny vaksiny miady amin'ny COVID-19, ny fikaonan-doha miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Nosy momba ireo vahaolana vaovao ary ny firotsahana amin’ny adisisika iombonana ara-politika mahomby mifandray amin'ny ambaratonga ambony indrindra, ho fanafainganana ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny COVID-19. .
Teto Madagasikara dia nanomboka ny volana Mey 2021 ny fanaovana vaksiny miady amin’ny COVID-19. Tamin’ny fiandohan’ny volana Septambra 2022 dia 1,4 tapitrisa ny olona nahazo ny fatra voalohan’ny vaksiny, izany hoe 5,4%-n’ny mponina rehetra raha toa ka 51% ny tanjona nasiônaly amin’ny taona 2023.
Ho fiatrehana izany fanamby izany sy ho fanentanana ireo sehatra ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-kolontsaina ary ireo sehatra ara-panjakana rehetra; mba hampitomboana ny isan’ny olona vita vaksiny fanefitry ny COVID-19 eto Madagasikara, ilay fitsidihana dia ho voamarik’ireo karazana fihaonana miaraka amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony sy ireo tompon’andraikitry ny governemanta, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, ireo mpisehatra amin'ny maha-olona, ireo fikambanan'ny fiaraha-monim-pirenena, ireo fikambanan'ny mpiasan'ny fahasalamana, ny sehatra tsy miankina, ary koa ireo mpitarika nenti-paharazana sy ireo mpitarika ara-pivavahana, ary ny haino aman-jery. Hidina ifotony any amin’ny Faritra Analamanga sy Atsinanana ihany koa ny delegasiona mba hijery ireo hetsika sy ezaka tanterahina mahakasika ny fanaovana vaksiny, ary mba hahatakatra bebe kokoa ireo sakana lehibe atrehin’ny firenena.
Tamin’ny fahatongavany dia nanamarika Andriamatoa Chaiban fa: « Ny governemanta Malagasy, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana sy ny maha-olona, ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena ary ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony dia tsy mikely soroka mba hanomezana vaksiny ny mponina sy mba handresena ireo sakana goavana amin’ny fanatanterahana izany. Manoloana ny halehiben'ireo fanamby napetraka, anisan'izany ny tataon-doza mitohy ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fihenan'ny fanaovam-baksiny mahazatra ho an'ny ankizy, dia mila mamantatra ireo toe-javatra fanararaotra rehetra isika mba ahafahana mampiditra ny vaksiny fanefitry ny COVID-19 ao anatin’ireo drafitr’asa ara-pahasalamana hafa sy mba hampiasana vola amin'ireo seha-pitantanana ny vaksiny izay ahitana tombontsoa midadasika kokoa eo amin’ny rafitra ara-pahasalamana. Tokony manohy miresaka mazava momba ireo tombontsoa azo amin'ny fanaovana vaksiny iadiana amin’ny COVID-19 ihany koa isika, indrindra ho an'ireo vondrona laharam-pahamehana toy ireo zokiolona, ireo olona marefo ary ireo mpiasan'ny fahasalamana.»
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram