Manohana an’i Madagasikara ny UNICEF sy ny Fikambanana maneran-tany ho fanamoràna ny fifanakalozana (GATF) mba hanamoràna ny fanafarana ny fanafody sy ny vokatra mifandraika amin’ny fahasalamana ho an’ny firenena

18 Novambra 2024
Visite au port de Tamatave
UNICEF Madagascar/2024/Cedric Rakotoarisoa

Antananarivo, 18 novambra 2024 –Nandritra ny atrikasa roa natao tao Toamasina sy Antananarivo, dia niara-niasa ny UNICEF sy ny Fikambanana maneran-tany ho fanamoràna ny fifanakalozana (GATF) mba hijery ireo sakana izay mananosarotra amin’ny  fanafarana fanafody sy vokatra mifandraika amin’ny fahasalamana eto Madagasikara ary koa hijery izay vahaolana maharitra mety hamahana izany.

Na eo aza anefa ny ezaka nataon’ireo andrim-panjakana tompon’andraikitra isan-tsokajiny, dia mbola mavesatra sy mandany fotoana ary lafo ny fandaniana amin’ny amin’ny  fanafarana ireo entana tena ilaina. Maro ny sakana  ara-pitantanana, ara-pitaterana sy ara-taratasy, ka miteraka fahatarana amin’ny fahatongavan’ireo fanafody sy fitaovana tena ilaina eny anivon’ny toby ara-pahasalamana. Vokatr’izany dia voafetra ny fahafaha-mitsabo , ary tsy mahazo ny fikarakarana tokony ho azony ny fiaraha-monina na ara-pitsaboana izany, na amin’iireo fitaovana sy ny kojakoja tokony hampiasaina hitsaboana na ny fanampin-tsakafo ara-pahasalamana. Nomena sehatra nandritra ireo andro telo nanaovana ny atrikasa  ireo mpandray anjara avy amin’ny fanjakana, sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka mba handinika ny rafitra misy amin’izao fotoana izao, sy hijery ny fomba azo hanatsarana ny rojo-pamatsiana, ary hikarohana vahaolana hanamoràna ny lamina tokony harahina.

Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ny solontenan’ny Fikambanana maneran-tany ho fanamoràna ny fifanakalozana (GATF) sy ny ekipan’ny UNICEF mba hijery maso ny tena zava-misy eny an-toerana sy ireo antony mety mahatonga ny fahataràna ka hahafahana manamora ny fidiran’ny entana mifandraika amin’ny fahasalamana.

Hampiharin a  mandritra ny taona 2024 sy 2025ireo toro-marika sy soso-kevitra vokatry ny atrikasa. Natao izany mba hanatsarana ny fandrindrana sy ny fahombiazan’ny famoahana ny entana mifandraika amin’ny fahasalamana toy ny fanafody, ny fitaovana sy kojakoja ampiasaina amin’ny fitsaboana, ny fitaovana fampangatsiahana ho an’ny vakisiny ary ireo fitaovana hafa..

Dingana lehibe ity fanatsarana ity raha ho an’ny UNICEF, izay efa mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka rahateo,  satria manampy amin’ny fomba mahomby kokoa ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana sy ara-potoana ireo mpisitraka izany. Ankoatr’izay doa misoroka ny mety ho fahatarana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa toy ny hetsika fanaovam-bakisiny faobe  sy ireo tolotra  ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza koa izany. Ny fanatsarana ny dingana arahina amin’ny fanafarana entana ihany koa dia misoroka fitombon’ny  fandaniana ateraky ny fahatarana amin’ny famoahana entana avy ao anaty kaontenera. Misoroka ny ny mety ho fahasimban’ny entana mifandraika amin’ny fahasalamana nohon’ny ny fijanonany ela ao amin’ny seranana koa izany.

Natao tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa sy fifampiresahana ireo dinika fanatsarana ireo ary nahitana fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny governemanta, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fampandrosoana. Manamafy izany fa ny fiaraha-mientana sy ny ezaka iombonana ihany no ahafahana manatsara ny fahombiazan’ny rojom-pamatsiana sy miantoka fa hahazo vokatra ara-pahasalamana mendrika ny rehetra.

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn