Ho fampiroboroboana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara, ny sehatra tsy miankina dia mpiantsehatra tsy azo ihodivirana

08 Jolay 2024
Les enfants sont heureux d'être pris en photo
UNICEF/UNI573278/Andriantsoarana

Antananarivo, 8 jolay 2024 - Ny orinasa malagasy dia maneho fidirana an-tsehatra lehibe amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny ankizy amin’ny alàlan’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE). Izany dia isan’ny vokatry ny fanadihadiana mikasika ny fiantraikan’ny asan’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny zon’ny ankizy, izay natolotry ny UNICEF Madagascar androany. Ity fanadihadiana ity, izay mbola tsy fahita teto Madagasikara mihitsy, dia natao mba hanentanana ireo orinasa mahakasika ny andraikitr’izy ireo lehibe amin'ny fiarovana sy fampiroboroboana ny zon'ny ankizy, sady hanomezana azy ireo tolo-kevitra mivaingana ihany koa ho amin'ny fidirana an-tsehatra miaro fandraisana andraikitra. Nifantoka tamin'ny sehatra lehibe valo (8) ny fanadihadiana, anisan'izany ny fambolena, ny indostria madinika sy ny indostria misehatra amin’ny fanamboaran-damba, ny harena ankibon-tany sy ny solika, ny fizahan-tany, ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisan-davitra, ny asa fanorenana, ny angovo ary ny toe-karena.

 

Araka izany dia laharam-pahamehana ho an’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy eto Madagasikara ireo sehatra sosialy efatra lehibe indrindra, izay ilaina amin’ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny fivelaran’ny ankizy, indrindra ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana ary ny sakafo ara-pahasalamana. 60 isan-jaton’ny orinasa eto Madagasikara no manokana tetibola ho an’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy izay manodidina ny 12 tapitrisa ka hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary mahery eo.

Tena tsapa ihany koa ireo fomba fanao mifandraika amin'ny asa maha-olona, ​​amin'ny alàlan'ny fandraisana anjara amin'ny toe-javatra maika. Izany indrindra no mitranga amin’ireo orinasa eo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovao sy ny fifandraisana, ny harena ankibon-tany ary ny indostrian’ny fambolena.

Eny anivon’ny toera-mpiasana, ny orinasa dia mampiditra ny politika mikasika ny zon'olombelona sy ny zon'ny ankizy, indrindra fa ireo izay miasa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Manohana ireo hetsika fanofanana arak’asa ihany koa izy ireo, indrindra eo amin’ireo sehatra mitaky fahaiza-manao ara-teknika toy ny fanamboaran-damba, harena an-kibon-tany ary ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao.

Tamin'ny taona 2012, ny UNICEF dia namoaka fitsipika mitari-dàlana mahakasika ny zon'ny ankizy sy ny orinasa. Tari-dàlana mampivondrona fitsipika miisa 10 izy io, izay ahafahan'ny orinasa mampiroborobo ny zon'ny ankizy amin'ny hetsika andraisany anjara, indrindra eny amin'ny toeram-piasana, eny anivon’ireo sehatra ary ny fiaraha-monina.

Amin'ireo sehatra ireo, ny valin'ny fanadihadiana dia mampiseho fa ny asan'ireo mpandraharaha ara-toekarena eto Madagasikara ireo dia ahitana risika:

  • Eny amin'ny toeram-piasana, amin'ny ankapobeny dia tsara ny fepetra momba ny asa saingy tsy mamela ireo ray aman-dreny handray tanteraka ny andraikitr’izy ireo izany. Tsapa manokana izany noho ireo ora fiasana izay manome teritery, miampy ny tsy fisian’ny politika sy ny fotodrafitrasa ahafahan’ny reny mampinono any amin’ny toeram-piasana. Latsaky ny 10 isanjaton’ny orinasa, ankoatra ny sehatry ny indostria mpanamboatra lamba, no manana toerana natokana ho an’ny fampinonoana.
  • Eny anivon’ireo sehatra, indrindra ny fizahantany, dia tsy maintsy dinihina ny loza ateraky ny fanararaotana sy fitrandrahana ara-nofo. Eo amin'ny sehatry ny teknolojia vaovao sy ny fifandraisana dia tena misongadina ireo loza ateraky ny fiparitahan'ny votoaty tsy mendrika, sy ireo loza mifandraika amin'ny fanorisorenana sy ny fanararaotana an-tserasera.
  • Eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana dia tsy voafehin’ireo orinasa tanteraka ny loza mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny fiarovana ny ankizy monina ao amin’ny vondrom-piarahamonina iasan’izy ireo, indrindra ho an’ny sehatry ny harena an-kibon-tany.

Ny UNICEF dia manao fanentanana ireo orinasa mahakasika ny fanamaivanana ny loza ateraky ny asa ataon'izy ireo amin'ny fiarovana ara-pahasalamana ho an’ny ankizy, ary mahakasika ny fampiasana ity fanadihadiana ity ho toy ny tari-dàlana ho amin’ny fanombanana sy fanatsarana ny fomba fanaon’izy ireo. « Ny fananan’ireo orinasa, ny fanavaozana ary ny fahaiza-manaon’izy ireo dia ilaina mba hahazoana antoka fa ho lasa zo feno ho an'ny ankizy tsirairay ny fisitrahana fanabeazana, fahasalamana, sakafo ara-pahasalamana, rano ary fidiovana, » hoy i Christine Jaulmes, Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara.

 

 

 

Le Représentante de l'UNICEF à Madagascar, Christine Jaulmes
UNICEF Madagascar/2024/Andriantsoarana
Nissi, Partnership Officer de l'UNICEF à Madagascar
UNICEF Madagascar/2024/Andriantsoarana
Présentation de l'étude du secteur privé à Madagascar
UNICEF Madagascar/2024/Andriantsoarana

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram