Ny UNICEF, miaraka amin’ny Ministeran'ny Asa, sy ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, dia manolotra ny torolàlana ho an’ny orinasa rehetra ho fanomezana vahana ny « toeram-piasana manome lanja ny fiainam-pianakaviana »

Rehefa mahazo fanohanana ny ray aman-dreny eny anivon’ny toeram-piasana, ny ankizy tsirairay dia manana fahafahana hahazo fiandohana tsara kokoa eo amin’ny fiainana.

29 Aogositra 2025
Tanànan’i Ambohijafy, faritanin’Analamanga – Vehivavy iray mampinono ny zanany ao an-trano.
UNICEF/UNI58127/Pirozzi Tanànan’i Ambohijafy, faritanin’Analamanga – Vehivavy iray mampinono ny zanany ao an-trano.

Antananarivo, 29 Aogositra 2025 – Androany, ny UNICEF, miaraka amin’ny Ministeran’ny Asa, sy ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny « Groupement des Entreprises de Madagascar », dia nanolotra ny fitaovana ho fanomezana vahana ny « toeram-piasana manome lanja ny fiainam-pianakaviana. » Tsy inona izany fa torolàlana iray izay manampy ny orinasa sy ny andrim-panjakana amin’ny fanatanterahana ny politika fototra entina manamora ny fiainam-pianakavian’ireo mpiasa ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny andro tsy iasana andraisana karama ho an’ny ray aman-dreny, ny fomba fiasa azo iainana sy tsy mamoritra, na ny fanohanana ny fikarakarana ny zaza sy ny fampinonoana. Ity torolàlana ity dia azo ampiharina amin’ny sehatra efatra: birao, orinasa famokarana/fanodinana, asa fambolena ary ny sehatra mamatsy tolotra.

Ny fanatanterahana izany dia mikendry ny hanamorana ny fivelaran’ny ankizy sy hampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Eto Madagasikara, 50%-n’ny mponina dia ankizy, ary 12%-n’ny mponina ihany koa dia ankizy eo anelanelan’ny 0 sy 23 volana. Anatin’ireo taona voalohany eo amin’ny fiainana dia mila omena lanja manokana ny sakafo mahasalama, tontolo feno fitiavana, ary fikarakarana mampivelatra izay hanamafy ny fitombon’ny atidohan’ny zaza ary hanome azy fiandohana tsara kokoa eo amin’ny fiainana. Noho izany, tena zava-dehibe ny fanohanana ny ray aman-dreny mba hamaliana ireo filàna rehetra ireo.

Ny politika fototra eny anivon’ny toeram-piasana dia manan-danja lehibe ihany koa amin’ny fampizakan-tena ny vehivavy. Izany politika izany dia mampitombo ny mety hiverenan'izy ireo hiasa indray aorian'ny fialan-tsasatra ho an'ny ray aman-dreny, ary mamporisika ny fandraisany anjara feno eo amin'ny sehatry ny asa.

Tombontsoa lehibe ho an’ny fanjakana sy ny orinasa ihany koa ity torolàlana ity. Eo anivon'ny tontolo iraisam-pirenena, tokoa mantsy, izay hitakian'ny mpampiasa vola fandraisan’andraikitra ara-tsosialy mazava, ny fametrahana politika manome lanja ny fianakaviana dia lasa fitaovana stratejika enti-mifaninana sy hisarihana famatsiam-bola.

Ny orinasa izay miaro ny ray aman-dreny, manohana ny zaza madinika ary mamporisika ny fandraisana ny vehivavy hiasa, dia mahavita manatanteraka fitsitsiana amin’ny lafin’ny fampidirana mpiasa vaovao, ary misarika talenta sy fampiasam-bola bebe kokoa.

Ny UNICEF dia manentana ireo ministera sy orinasa malagasy mba hanao ny toeram-piasana ho fitaovana mampiroborobo ny fandrosoana ara-tsosialy, ho tombontsoan'ny fianakaviana, ny ankizy ary ny toekarem-pirenena. Mamporisika ny fanjakana sy ny orinasa ihany koa ny UNICEF mba hampihatra ireo politika ireo, ka anisan’izany ny:

  1. Fiantohana ny tsy fisian’ny fanavakavahana mifandraika amin’ny maha-reny sy ny andraikitra ao an-tokantrano.
  2. Fanomezana fotoana fialan-tsasatra ho an’ny reny avy niteraka ary handraisan-karama mandritra ny farafahakeliny enina volana mba hanamafisana ny fampinonoana tsy misy fangarony mandritra izany fotoana izany.
  3. Famaritana fotoana fangalana aina andraisana karama sy toerana mifanaraka amin’ny fampinonoana. Eto Madagasikara, latsaky ny 10% amin’ireo orinasa, ankoatra ny sehatry ny indostrian'ny lamba, no manana izany toerana izany.
  4. Fanohanana ny fahazoana misitraka akanin-jaza mora vidy sy tsara kalitao.
  5. Fanomezana ny mpiasa fahafahana mandamina ny fotoana fiasany.

« Ny maha ray aman-dreny no asa manan-danja indrindra maneran-tany. Andeha isika hanome ny ray aman-dreny ny fotoana sy ny fanohanana ilainy mba hikolokoloany ny zanany, sady ahafahany miantoka ny filaminany ara-bola. Tsy tokony ho tonga amin’ny fanaovana safidy eo amin'ny fianakaviany sy ny asany izy ireo, » araka ny nambaran’i Christine Jaulmes, Solotena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara.

Amin'ny alàlan'ny Foibe Fitantanana ny Asa sy ny Fisafoan-draharaha mikasika ny asa, eny amin’ny lohalaharana ny Ministeran'ny Asa, sy ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) mahakasika ny fampiharana hentitra ny lalàna laharana 2024-014 nivoaka tamin'ny 14 aogositra 2024 mikasika ny Fehezan-dalàna momba ny asa, indrindra ireo fitsipika manokana momba ny fiarovana ny vehivavy mpiasa eo amin'ny sehatra tsy miankina. Anisan’izany ny fiarovana ny maha-reny sy ny fepetra manokana momba ny asan'ny vehivavy.

Ankoatra izany, amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Vondrona mpisehatra manokana (Task Force) iombonan’ny minisitera maro misahana ny Sakafo ho an'ny Zaza menavava sy ny Ankizy (ANJE), ny MTEFoP dia mampiroborobo an-kavitrihana ny zon'ny vehivavy mampinono any anatin'ny orinasa sy any amin'ny toeram-piasana. Amin'izany no anohanany ny fanamafisana ny tontolo iasana mampiaty sy manaja ny filàn'ny fianakaviana.

Naneho ny fahavononany hanohana ny fampiharana ny torolàlana ny MTEFoP mandritra ny taona 2025-2027, tamin'ny alàlan'ny fanofanana ireo mpiasan'ny Fisafoan-draharaha mikasika ny asa, ny fanampiana ireo orinasa, ary ny fanombanana tsy tapaka ny fandrosoana vita. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin'ny vina ho an'ny sehatra matihanina maharitra, mahomby ary mitsinjo ny fahasalaman'ireo mpiasany.

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Mombamomba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny UNICEF Madagasikara sy ny asa ataony, dia tsidiho azafady ny tranonkala:www.unicef.org/madagascar . Araho ihany koa izahay ao amin’ny FacebookTwitterYouTubeLinkedIn