Fy, mpampirona ao amin'ny tambajotra sosialy Facebook, dia notendrena ho Mpisolovava ny tanora ao amin’ny UNICEF Madagascar, mba hanandratana ny feon’ny ankizy amin'ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny sy ny ady amin'ny lefakozatra.

18 Jolay 2024
Cérémonie signature contrat Fy, Youth Advocate de l'UNICEF
UNICEF Madagascar/2024/Ramahenina

Antananarivo, 18 jolay 2024 – Rajaonarivelo Mamisoa Fiderana na i Fy, 15 taona, dia niditra ho Mpisolovava ny Tanora eo anivon’ny UNICEF Madagascar. Ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa dia notanterahina niaraka tamin’Atoa Mahamat Nour Molli, Solontena lefitra, lehiben’ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny UNICEF Madagascar.

Amin’ny maha Mpisolovava ny Tanora mikasika ny fanaovam-baksiny azy, ny andraikitr’i Fy dia hanentana ny daholobe ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny sy ny ady amin’ny lefakozatra, ary koa ny adisisika mahakasika ireo hetsika fanaovam-baksiny izay tohanan’ny UNICEF.

Amin'ny alàlan'ny pejiny ao amin'ny tambajotra sosialy Facebook, dia hampiroborobo ny fanaovana vaksiny mahazatra ho an'ny ankizy ihany koa izy, indrindra amin'ny alàlan'ny fanentanana ny besinimaro momba ny hetsika « grand rattrapage » mba hampihenana ny isan'ireo ankizy tsy vita vaksiny, antsoina ihany koa hoe  « zero dose » na ireo ankizy tsy nahazo fatrana vaksiny feno. Raha tsiahivina, i Madagasikara dia anisan’ireo firenena 20 maneran-tany ary firenena 10 afrikanina ahitana zaza tsy vita vaksiny sy tsy nahazo fatram-baksiny feno betsaka indrindra, satria miisa iray tapitrisa eo ho eo ireo ankizy ireo any amin’izany firenena rehetra izany. Ny ankizy « zero dose » dia ireo izay tsy nisitraka vaksiny mihitsy na dia iray aza, ka mahatonga azy ireo ho mora voan'ny aretina azo sorohana amin’ny alàlan’ny vaksiny. Ankoatr'izay, mbola mitohy ny ady amin'ny lefakozatra izay tanterahina amin'ny alàlan'ny hetsika fiadiana io aretina io notontosaina teto Madagasikara nanomboka ny taona 2023.

« Mamonjy aina ny vaksiny! Ary tiako ny hampiasa ny feoko mba hanatsarana ny fahasalaman'ny ankizy sy ny tanora, indrindra amin'ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny sy ny ady amin'ny lefakozatra, » hoy i Fy.

Ny taona 2024 no nambaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ho « Taonan’ny Vaksiny » tamin’ny volana aprily ary mbola ity taona 2024 ity ihany koa no nanamarika ny fidirana an-tsehatra mafonja nasehon’ny vadin’ny Filoham-pirenena, sady Reny mpiahy ny fanaovam-baksiny nanomboka ny volana martsa. Mba hanamafisana bebe kokoa ny fanaovam-baksiny dia zava-dehibe ny fandraisan’andraikitra sy ny fandraisan'anjaran'ireo mpisehatra rehetra, anisan'izany ny tanora.

Amin'ny maha Mpisolovava ny Tanora eo anivon’ny UNICEF an’i Fy dia hanome feo ho an'ny ankizy izy, satria mbola tena mampidi-doza ny aretina azo sorohana amin'ny alàlan’ny vaksiny. Amin'ny maha-mpitari-kevitra tanora azy dia afaka mitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanapariahana vaovao mahasoa mikasika ny vaksiny eo amin'ireo ray aman-dreny sy ny tanora mitovy aminy izy.

Mahafaly ny UNICEF ny hiara-miasa amin’i Fy mba hananganana tontolo tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy tsirairay.

Cérémonie signature contrat Fy, Youth Advocate de l'UNICEF
UNICEF Madagascar/2024/Ramahenina Fy, Mpisolovava ny Tanora eo anivon’ny UNICEF mahakasika ny fanaovana vaksiny, voahodidin'ny fianakaviany nandritra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana nataony
Cérémonie signature contrat Fy, Youth Advocate de l'UNICEF
UNICEF Madagascar/2024/Ramahenina Fy, Mpisolovava ny Tanora eo anivon’ny UNICEF mahakasika ny fanaovana vaksiny, miaraka amin'ny ekipan'ny UNICEF

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram