Fanombohana ny fandaharanasa “Zara Mira” – tohana ara-bola natao hitsinjovana ankizy mahatratra hatramin’ny 68 000 any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana, ny mikasika ny fandaharanasa “Zara Mira”, tohana ara-bola natao hitsinjovana ny ankizy. Izany no azo notanterahana dia vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, sy ny UNICEF, ary ny Vondrona Eoropeana.
Vondrozo, 5 avrily 2025 – Kaominina vaovao maro ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no hahazo tombontsoa amin’ny fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy “Zara Mira” izay mikendry manokana ny ankizy. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny mikasika io fandaharanasa io. Ka teo anatrehan-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, sy ny lehiben’ny ekipa “fitantanana sy sehatra ara-tsosialy” avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ary Ramatoa Christine Jaulmes, Solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara no nanaovana izany.
Anisan’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona Eoropeana ary tantanan’ny UNICEF ity fandaharanasa ity. Mitentina 116 miliara Ariary (23,2 tapitrisa euros) ny teti-bola natokana hiasana mandritra ny telo taona. Ny fanamafisana ny fiahiana ara-tsosialy, sy ny fiarovana ny ankizy, ary ny fahasalamana eto Madagasikara no tanjon’ny fandaharanasa.
Araka izany dia manodidina ny 68 000 ireo ankizy avy amin’ireo distrika Vondrozo, Midongy ary Befotaka no hisitraka izany tohana ara-bola izany hatramin’ny volana oktobra 2027. Io tohana ara-bola io no hahafahan’ny ray aman-dreniny manatsara ny fiainan’ny zanany sy manome azy ireo ho avy tsara kokoa. Ny ankizy sy ny olon-dehibe manana fahasembanana ihany koa dia misitraka ity tohana ara-bola ity, ho fanohanana ny fiainan’izy ireo andavanandro. Ireto distrika telo ireto no fanampin’ireo kaominina valo hafa any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara misitraka ity fandaharanasa ity teo anelanelan’ny taona 2022 sy 2024.
Tohana ara-bola tsy misy fepetra mitentina 10 000 Ariary isam-bolana ho an’ny ankizy rehetra eo anelanelan’ny 0 sy 17 taona isan-tokantrano no atolotra ao anatin’ity fandaharanasa ity. Toy izany koa ho an’ny vehivavy bevohoka monina ao amin’ireo faritra nosafidiana hanatanterahana ny ny tetikasa. Ho an’ireo ireo olona manana fahasembanana antonony na mafy dia misitraka tohana mitentina 30 000 Ariary fanampiny isam-bolana izy ireo mba hanonerana ny fandaniana mivantana na ankolaka ateraky ny olana ara-pahasembanana eo aminy.
Farany dia misy fanampiana ireo mpisitraka koa hanoroana azy ireo amin’ny fitantanana ny vola omena mba hahasoa ny ankizy tokoa ny tohana omena ary hitondra fiovam-pihetsika eo amin’ny ray aman-dreny. Anisan’izany ohatra ny fampiharana ny Fomba Fanao Fototra ao an-tokantrano (PFE), ny fivoizana ny miralenta, ary ny fampiatiana amin’ny famokarana sy ny fitadiavam-bola.
Izao nony nambaran-dRamatoa Aurélie Razafinjato, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankiana : « Ny fanomezana vola hampiasaina ho an’ny ankizy sy ny fianakaviany dia midika ho fanorenana ho avy tsara kokoa ho azy ireo ka hamolavola olombelona mivelatra kokoa sy firenena miroborobo. », Toy izao no fampahafantarana nataon-dRamatoa Christine Jaulmes, Solontenan’ny UNICEF.« Ny fanomezana vola hampiasaina amin’ny fihiana ara-tsosialy dia fampiasana vola ho an’izay mahasoa ny ankizy. . Anisan’ireo fepetra mahomby indrindra hahafahan’ny ankizy misitraka ny zony ny fandaharanasa Zara Mira. Mba mihena ireo olana ara-bola atrehin’ny fianakaviana na amin’ny resaka fitsaboana izany na ny sakafo sy fanabeazana. Manamafy ihany koa ny fiarovana ny ankizy izany amin’ny alalan’ny fampiasana rafitra mampifandray azy ireo amin’ireo birao mpiahy ny ara-tsosialy, izay manome azy ny kopiam-pahaterahana sy miaro azy amin’ireo herisetra mety hitranga»
Toy izao kosa ny fanambarana nataon-dRamatoa Anna Cichocka, lehiben’ny ekipa “fitantanana sy sehatra ara-tsosialy” ao anatin’ny Vondrona Eoropeana.« Manavao indray ny fidirany an-tsehatra amin’ny fanohanana ny ankizy ny Vondrona Eoropeana. Manome famatsiam-bola hitsinjovana ny maha-olona, ny fampiroboroboana ny toekarena, ary ny fananganana ho avy hahafahan’ny ankizy malagasy tsirairay mivelatra»
Hiara-hiasa ny UNICEF sy ny Vondrona Eoropeana mba hahafahan’ny mponina misitraka bebe kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ao anaty fotoan-tsarotra, sy manamafy ny fahaizan’ny ankizy, ny vehivavy bevohoka ary ny olona manana fahasembanana miatrika ny fotoan-tsarotra raha misy trangan’aretina tampoka, na loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, na olana ara-toekarena. Ho an’ny sehatry ny fahasalamana manokana, dia misy fandaharanasa hoenti-manavao sy manatsara ny tobim-pahasalamana any amin’ny faritra Diana, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, ary Atsimo Atsinanana, ka antenaina fa mihoatra ny eninatapitrisa no hahazo tombontsoa amin’izany.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn