Fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fampiasana fitaovam-pibeazana momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy

1. Toe-java-misy sy antony
Ao anatin'ny fampiroboroboana sy fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana mikasika ny tontolo iainana ho an'ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara, dia hanolotra amin'ny fomba ofisialy ireo fitaovam-pifandraisana mifandraika amin’ny lohahevitra EEDD ny 13 Oktobra 2020 ao amin'ny EPP Analamahitsy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha misahana ny fanabeazana mikasika ny tontolo iainana no hanatanterahana izany.
Ireo fitaovana ireo dia novolavolain’ny ekipa teknikan'ny Sampandraharaha misahana ny fanabeazana mikasika ny tontolo iainana sy ireo tale teknika hafa eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony, miaraka amin'ny fanohanan'ny Unicef. Izany fitaovana izany izay ahitana « porte-clés », takelaka fanentanana « planches » ary torolàlana ho an'ny mpampianatra dia hanamora ny fanentanana sy ny fiofanana ho an'ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ny fandaharan'asan'ny UNICEF, ho fanohanana ny Tetipivoarana ho an’ny Fanabeazana « Plan Sectoriel de l’Education » sy ny Drafitra Fisandratan’i Madagasikara, dia hanampy amin'ny fanamafisana ny tohibelin’ny isam-batan'olona sy ny vondrom-piarahamonina, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka hetsika fanohanana ny tontolo iainana sy mampihena ny loza mety ateraky ny fahasimban'ny tontolo iainana, ny fiovaovan'ny toetrandro ary ny loza voajanahary.
Ireo fitaovam-pibeazana ireo dia manampy ihany koa amin'ny fanamafisana ny fahalalana sy ny fandraisan'anjaran'ny mpianatra sy ny mpampianatra amin'ny lafin’ny fanabeazana mikasika ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ka amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana sy ny fampandehanana ireo Sekoly an-dàlana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra « Ecole en route vers la durabilité » eny anivon’ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina amin'ny ambaratonga voalohany sy faharoa eto Madagasikara (T4-T9) no hanatontosana izany.
2. Tanjona
• Mampahafantatra ireo mpisehatra rehetra momba ny fisian'ny fitaovam-pibeazana mikasika ny tontolo iainana sy ny maha-zava-dehibe izany;
• Manamafy ny fahalalana sy ny fandraisan'anjaran'ny mpianatra sy ny mpampianatra mikasika ny fanabeazana momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny fananganana sy ny fampandehanana ireo Sekoly an-dàlana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra « Ecoles en route vers la durabilité » eny anivon’ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina amin'ny ambaratonga voalohany sy faharoa eto Madagasikara.
• Manome antoka fa ireo tompon'andraikitra isan’ambaratonga eny amin'ny sekolim-panjakana sy tsy miankina dia hahatakatra ny hevitry ny hoe Sekoly an-dàlana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra « Ecoles en route vers la durabilité » ary manentana azy ireo mba handray andraikitra mifanaraka amin'izany.
3. Ireo faritra misitraka izany
- Analamanga
- Boeny
- Analanjirofo
- Atsimo Andrefana
- Atsimo Atsinanana
- Anosy
- Vatovavy Fitovinany
- Androy
- Melaky
4. Vokatra andrasana
• Ny hetsika fanentanana sy fanofanana dia sokafan’ny tompon'andraikitra mahefa ao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fomba ofisialy;
• Ireo mpisehatra rehetra ao amin'ny rafi-panabeazam-pirenena dia mahalala ny fisian’ny fitaovam-pibeazana sy ny kojakoja miaraka aminy ary ny maha-zava-dehibe izany;
• Mihamafy ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon'ny mpianatra sy ny mpampianatra mikasika ny EEDD;
• Ny talen'ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina amin'ny ambaratonga rehetra dia mahatakatra ny hevitry ny hoe Sekoly an-dàlana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra « Ecoles en route vers la durabilité » ary mahazo fanentanana mifanaraka amin'izany.
5. Fizotran’ny hetsika - 9H30: Fahatongavan'ireo olona nasaina - 10H00: Andiana lahateny 1- Talen'ny EPP Analamahitsy 2- Talen'ny Fanabeazana ny daholobe sy ny maha-olom-pirenena 3- Solontena maharitry ny UNICEF Madagascar Aorian'ny lahateniny, ny solontena maharitry ny UNICEF dia nanolotra ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ireo fitaovam-pibeazana mikasika ny EESD tamin'ny fomba ofisialy 4- Ramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena -10: 30: Fandefasana horonantsary momba ny fampiasana ireo fitaovana -10.40 : Fitsidihana ny sekoly - 11:00 : Tafatafa amin’ny mpanao gazety
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram