Fanasan-tànana amin’ny savony: mitohy ny fanentanana eto Antananarivo

29 Aprily 2022
Lavage des mains avec du savon
UNICEF Madagascar/2022/Razafindralambo

Antananarivo, 29 aprily 2022 - Miainga avy eny Mahamasina, manoloana ny kianjan’ny Barea, ny Minisiteran’ny rano sy ny Fahadiovana ary ny Fidiovana, nohon’ny fanohanan’ny UNICEF, dia manohy ny fanentanana nasionaly manodidina ny fanasana tanana amin’ny savony. Tsy ilaina intsony ny mampatsiahy fa ity fihetsika "sakana" ity dia tokony ampiroboroboina noho ny antony samihafa: iray amin'ireo fomba tsara indrindra hiarovana ny tenanao sy ny ankohonanao amin'ny karazana aretina rehetra izany, ary indrindra indrindra ahafahana misoroka ny coronavirus. Ankoatr’izany, izy io  dia tsy lafo vidy nefa ahitam-bokatsoa satria afaka mampihena ny fifindran'ny aretina mitaiza maro mifandraika amin'ny tsy fahampian'ny fahadiovana.

Tafiditra ao anatin’ny dingana fanatanterahana ny hetsika nasionaly « Fahadiovan’ny tànana ho an’ny rehetra » natomboka ny volana oktobra 2021 ity fanentanana ity. Amin’ny lafiny iray, izany fanentanana izany izay manana teny filamatra hoe : « Eo am-pelantanantsika ny ho avy, ndao hiaraka handray andraikitra » dia natao hampatsiahiavana ny maha zava-dehibe ny fanasan-tànana amin'ny savony sy amporisihana ny olona hampihatra izany fomba fiaina ara-pahasalamana izany hatrany. Amin’ny lafiny iray hafa, natao hanentanana ireo mpisehatra rehetra miasa eo amin'ny sehatry ny WASH mba handray anjara bebe kokoa amin'ny fampiroboroboana ny « Fahadiovan’ny tànana ho an’ny rehetra » ihany koa izy io. 

Eto Madagasikara dia mbola misy hatrany ireo sakana izay mahatonga ity fihetsika tsotra ity tsy ho azon'ny olona maro sitrahana:

  • Olona iray amin’ny efatra ihany no manana fitaovana fanasan-tànana misy savony araka ny angona avy amin’ny fanadihadiana MICS[1] tamin’ny taona 2018.
  • Maherin'ny antsasaky ny sekoly no tsy manana rano fisotro madio, savony ary toerana hanasana tanana.
  • Eny anivon’ireo biraom-panjakana sy toerana be olona mivezivezy dia matetika tsy mahavaly ny filàn’ny olona mpampiasa ireo toerana fanasan-tanana efa misy satria efa simba sy tsy miasa intsony izy ireny.

Ho fampahafantarana ny mponina amin’ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana amin’ny savony, dia karakaraina araka izany ny fanentanana eny anivon’n’ireo fokontany be olona eto an-drenivohitra, indrindra eny Anosibe, Isotry, Antanimena ary Analakely. Hetsika maro no voahomana amin’izany, toy ny fampisehoana ny fampiasana ireo fitaovana fanasan-tanana tsy misy fifampikasohana na ireo fihetsika tokony hatao mba hampahomby ny fanasan-tànana amin'ny savony.

Marihina fa tamin’ny volana marsa teo ihany koa no nanatanterahana izany fanentanana izay tao amin’ny tanànan’i Toamasina sy Toliara. Ny Minisiteran’ny Rano, ny Fahadiovana ary ny Fidiovana, miaraka amin’ny fanohanan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, dia nanao hetsika fanentanana tany amin’ireo toerana lehibe tao amin’ireo tanàna ireo, ka teny anivon’ny sekoly, oniversite, tobim-pahasalamana fototra na tsena ary toerana falehan’ny daholobe no nanatontosana izany mba hamporisihana ilay fihetsika tsotra sy mahomby.

 

 

________________________________________

[1] Fanadihadiana isam-bondrona mahasahana tondro maro: Fanadihadiana notontosaina tamin'ny taona 2018.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram