Fampirantiana sary “Araka izay tratran’ny herin’olombelona – Fanaovam-bakisiny ho an’ny rehetra”

06 Desambra 2024
Vernissage de l’exposition photos « Humainement possible – vaccination pour Tous »
UNICEF Madagascar/2024

Antsirabe, 06 Desambra 2024 – .Natao tao Antsirabe – tanànan’ny rano - ny fampirantiana sary mitondra ny lohateny Araka izay tratran’ny herin’olombelona - vakisiny ho an’ny rehetra”. Manoloana ny Gara izay toerana mampiavaka ny tanàna no natao ny  lanonam-panokafana ara-pomba ofisialy, notarihin’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nosoloan’ny fitaleavam—paritr’izany  Minisitera izany tena ary  ny solontenan’ny UNICEF Madagasikara.

Hanentana ny vahoaka ny amin’ny maha-zava-dehibe ny ady atao amin’ny aretina lefa-kozatra no tena tanjona amin’ny fampirantiana ity andian-tsary ity. Manodidina ny telopolo isa eo ho eo ny sary naranty. Natao tao anatin’izany ny fanamafisana ny fanaovana vakisiny tsy tapaka,  ny fanentanana amin’ny fanaovana vakisiny ireo ankizy mbola tsy nahazo na dia tsindrona tokana aza. Ireto sary nampirantiana ireto dia nanasongadina ireo mpiasan’ny fahasalamana sy olom-pirenena mahery fo maniry ny hanaovana vakisiny ny ankizy rehetra manerana ny firenena.  Maneho ny herim-pon’ny vondrom-piaraha-monina sy ny fandraisana anjaran’ireo ray aman-dreny, ary ny ezaka iombonana amin’ny fanentanana sy paikady fanaovana vakisiny ihany koa ny sary.

Tafiditra ao anatin’ny hetsika maneran-tany “ Araka izay tratran’ny herin’olombelona ” izay manentana ny Fanjakana hametraka ho laharam-pahamehana ny fanaovana vakisiny mandritra ny taona 2024 sy hamatsy vola ny ezaka atao ity fampirantiana ity.  . Nanambara ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara fa ho “Taonan’ny Fanaovana Vakisiny » ny taona 2024.

Raha ny ny aretina lefa-kozatra no resahina dia voamarina fa afaka tamin’ity valan’aretina lefa-kozatra zanatany  ity i Madagasikara tamin’ny Jolay 2018. Na izany aza, nanomboka ny volana  Septambra 2020 dia niverina niseho indray ity aretina ity saingy  niova endrika. Nanao hetsika nasionaly fito ny firenena nandritra ny taona 2023 hatramin’ny 2024 mba hanakanana ny fiparitahan’ny tsimok’aretina sy hanamafisana ny fiarovan-tenan’ny mponina.

Ankoatra izany, isan’ireo firenena ahitana zaza  betsaka indrindra  mbola tsy nahazo vakisiny mihitsy (zero daozy) i Madagasikara. Nandritra ny  vanim-potoana 2019 hatramin’ny volana  Desambra 2023 dia maherin’ny iray tapitrisa ny ankizy latsaky ny dimy taona no mbola tsy nahazo na dia vakisiny iray monja aza — izany hoe ankizy iray isaky ny dimy manerana ny firenena no tsy mbola vita vakisiny.

Isan’ireo faritra efatra natao ho laharam-pahamehana tamin’ny fanaovana vakisiny ho an’ny olon-dehibe ny Faritra Vakinankaratra tamin’ny taona 2023. Na izany aza, hatramin’ny faran’ny volana Septambra 2024, dia mbola ambany ny tahan’ny fanarenana ny fanaovam-bakisiny ho an’ireo ankizy tsy mbola nahazo vakisiny mihitsy noho ny havitsian’ny fanaovana vakisiny mahazatra . Ao anatin’ireo tanàna valo tohanan’ny UNICEF amin’ny fomba fiasa “Fanatrarana ny olona nokendrena rehetra” amin’ny sehatry ny fanaovana vakisiny tsy tapaka koa i Antsirabe.

Ho an’ny UNICEF, ny fanohanana ity fampirantiana sary ity dia porofon’ny firaiketam-pony sy ny finiavany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana amin’ny ady atao ho fiarovana ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny. Mpiara-miombon’antoka lehibe ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny UNICEF amin’ny fiantohana fa afaka aterina any  amin’ny toerana rehetra ny vakisiny ary tandrovina  tanteraka ny rojom-pitehirizana ny hatsiaka. Izany ezaka rehetra izany dia miaraka amin’ny fanomezana fanofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana.

Haranty manoloana ny Gara ireo sary ireo mandra-pahatongan’ny 10 Desambra 2024 .

Vernissage de l’exposition photos « Humainement possible – vaccination pour Tous »
UNICEF Madagascar/2024

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar
Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn