Concentrateurs d’oxygène” vaovao miisa 200 avy amin’ny UNICEF entina manamafy ny ady amin’ny COVID-19

Antananarivo, 18 Mey 2021 : Nahazo “concentrateurs d’oxygène” vaovao miisa 200 ny UNICEF, ka mararin’ny COVID-19 maneho “forme modérée” no hisitraka izany eny anivon’ny hôpitaly natokana hiandraikitra ny fitsaboana ny COVID-19.
Ity fanomezana avy amin'ny Sampan-draharaha famatsiana ao amin’ny UNICEF any Copenhague ity dia hanampy amin'ny fananganana rafitra fitsaboana azo antoka kokoa ho an'ny toe-pahasalamana mitaky oksizenina medikaly.
Ny UNICEF dia nanolotra tavoahangina oksizenina maherin’ny 700 isan'andro ho an'ireo rafitry ny fahasalamana manerana ny nosy mitsabo ny COVID-19 nandritra izay telo herinandro lasa izay. Tafiditra tao anatin’ny fandraisana anjara amin'ny fiatrehana ny valan’aretina sy ny fiaraha-miasa amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka izany ary notanterahana tamin'ny alàlan'ny fifanarahana miaraka amin'ireo mpamatsy eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Na ny famatsiana oksizenina anaty varingarina na ireo “concentrateurs d’oxygène” dia samy anatin’ny asa fanohanan'ny UNICEF ho an'ny MSANP sy ny governemanta malagasy avokoa ho fiatrehana ny COVID-19. Natao izany mba entina miatrika ny hamehana ary koa manamafy ny rafitra ara-pahasalamana. Mba hanatontosana izany dia nisy fifanarahana mikasika fiaraha-miasa teo amin'ny UNICEF sy ny MSANP / UCP, izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ho fanampin’ny tahirimbola hiatrehana ny hamehana avy amin'ny Firenena Mikambana, ny Governemanta Danoà, ny Sampan-draharahan'ny fanampiana maha-olona Eôropeana sy ny fiarovana sivily (ECHO).
Ny UNICEF tokoa mantsy dia manohana hatrany ny governemanta Malagasy amin'ny fiatrehana ny areti-mandringana amin'ny alàlan'ny fanomezana akora sy fitaovana fitsaboana. Anisan’izany ny famatsiana varingarina ôksizenina sy ny fampanarahana fenitra azy ireo izay nafarana tamin'ny andiany voalohan’ny valan’aretina tamin'ny taona 2020, mba hanampiana ireo olona manana soritr'aretina antonony, mafy ary mahery vaika. Tafiditra ao anatin'io fanohanana io ihany koa ny fanavaozana sy ny fividianana milina mpamokatra oksizenina sasany any amin’ny faritra rehetra eto amin'ny nosy, saingy atao laharam-pahamehana kosa ireo faritra manana taha ambony indrindra amin'ny COVID.
Araka izany, tamin'ny taona 2020, varingarina oksizenina manodidina ny 12 771 izay novatsian'ny UNICEF no nampiasaina tamin'ny fitsaboana mararin'ny COVID-19 tamin’ny alàlan’ny oksizenina, ary “concentrateur d’oxygène” miisa 21 no nalefa teny amin'ny hopitaly ao amin'ny faritra Analamanga, Haute Matsiatra ary Anosy. Ho an'ny andiany faharoa amin’ny valan’aretina, varingarina oksizenina 9 802 eo ho eo hatreto no efa natolotra ny marary amin'ny toeram-pitsaboana sy hopitaly miisa 35 any amin'ny faritra 11 hatramin'ny fiandohan'ny volana Janoary 2021.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram