Andro iraisam-pirenena ho an'ny fanairana mahakasika ny aretin’ny bobo : Mivondrona ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka aminy mba hampiroboroboana ny zon'ny olona rehetra voan'ny aretin’ny bobo

Fort-Dauphin, 13 Jona 2022 – Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny fanairana mahakasika ny aretin’ny bobo izao, dia miara-manandratra ny feony ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mba hampahatsiahivana fa tokony hisitraka ny zony ny ankizy tsirairay na inona na inona fahasamihafana misy eo aminy. Io andro io dia vatofantsika tena ilaina mba "hanandratana ny feon'ny" ankizy rehetra voan'ny aretin’ny bobo manerana ny nosy, entina manangana tontolo azo antoka sy voaaro ahafahan'izy ireo mivoatra tanteraka.
Nisafidy ny hampifantoka manokana ny fankalazana amin’ny zon’ny ankizy voan’ny aretin’ny bobo tokoa mantsy i Madagasikara. Ny fitsarana an-tendrony ireo olona voan’ny aretin’ny bobo dia raiki-tapisaka amin’ny fomba fijerin’ny fiarahamonina malagasy, ka mahatonga azy ireo ho lasibatry ny karazana herisetra ara-batana marobe isankarazany. Maherin’ny 13 ireo trangana fakana an-keriny tany amin’ny faritra 3 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (Anosy, Androy, Atsimo Andrefana) voarakitra tao anatin’ny roa taona, izay nahitana famonoana zaza tsy ampy taona iray. Anisan’izany ny tranga miisa 9 mahakasika ny faritra Anosy. Mampanahy ny faritra hafa, anisan’izany ny Atsimo Andrefana sy Menabe fa ao koa ny Haute Matsiatra, Ihorombe, Vatovavy ary Fitovinany izay nahitana trangana herisetra tamin’ny ankizy voan’ny aretin’ny bobo tato ho ato. Amin’izao fotoana izao, tsy ny ankizy ihany no lasibatr’izany trangan-javatra izany fa ny olon-dehibe ihany koa.
“Fotoana izao hanairana antsika tsirairay avy, ho amin’ny fanoloran-tena mahery vaika avy amin’ireo mpisehatra rehetra mba hanohanana ny ezaka efa vitan’ny fanjakana malagasy ho an’ireo vahoaka marefo ireo. Tokony ho tsapantsika ireo fanararaotana tsy tapaka atao amin'ireto olona vitsy anisa ireto vokatry ny angano na finoana sasany izay tsy maintsy ravaintsika amin'ny lafiny ara-tsosialy ary tokony ho melohina mafy", hoy i Awa Ouattara Guedegbe, lehiben'ny Departemanta fanovana fitondran-tena ao amin'ny UNICEF, izay nitondra teny tamin'ny anaran'i Jean-François Basse , Solontenan’ny UNICEF.
Ny fankalazana dia manatevin-daharana ny andiany faha-3 amin'ny fanentanana « Voyage aux pays des droits de l’enfant » na Fitetezana ireo zon’ny ankizy, izay hanentanan’ny UNICEF ny amin'ny fanajana sy fampiroboroboana ny zon'ny ankizy. Izany dia notanterahana taorian'ny fanentanana momba ny fandrindram-piterahana tena ilaina tamin'ny taona 2019 sy ny fankalazana ny andron'ny fanabeazana mampiaty tamin'ny taona 2021.
Hetsika maromaro no natao teto amin’ny tanànan’i Fort-Dauphin, ho fanairana ny sain’ireo mpisehatra rehetra, tamin’ny alàlan’ny fijoroana vavolombelona vitsivitsy avy amin’ireo olona voan’ny aretin’ny bobo, fa eo ihany koa ny fivoriana an-databatra boribory niarahan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’izany. Ny tanjona dia ny hisian’ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ireo olona marefo ireo. Nokarakaraina ny atrikasa fitantarana angano, fanaovana hosodoko mba hanapariahana ilay foto-kevitra sy hanatrarana ny fiaraha-monina manontolo.



Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram