Ady amin'ny COVID 19: Ny UNICEF dia eny amin’ny lohalaharana mba hiantohana ny fahazoana vaksiny ho an'ny Malagasy rehetra

16 Febroary 2022
Chaine de froid
UNICEF/UN0592441/Andrianandrasana

Ny UNICEF dia manohana ny governemanta Malagasy mba hanatrarana ny tanjona amin'ny fanaovam-baksiny olona miisa 9 tapitrisa hatramin'ny Desambra 2022.

Ny UNICEF dia miantoka ny fandraisana ireo vaksiny eto amin'ny tanin'i Madagasikara, ny fatsinjarana izany eny anivon’ireo foibe fanaovana vaksiny miisa 300 manerana ny nosy ary koa ny fitahirizana azy ireny mandra-panatanterahana ny fizarana izany amin’ny mponina. Ny fanajana ny rojo mangatsiaka dia tena fanamby, ary manatontosa ezaka mahasoa ny UNICEF satria resy lahatra izy fa ny vaksiny dia mamonjy aina ary mijanona ho fomba tokana handresena ny valan'aretina.

Voalohany, eny amin’ny lohalaharana ny UNICEF mahakasika ireo ezaka lehibe amin'ny fividianana sy famatsiana vaksinin’ny COVID-19, sady manararaotra ny amin'ny maha mpividy vaksiny lehibe indrindra maneran-tany azy. Nanomboka ny volana mey 2021 dia niara-niasa navitrika tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny UNICEF mba hiantohana ny fahavononan’i Madagasikara handray ireo karazana vaksiny fanefitry ny COVID-19. Hatramin'izao, efa ho fatrana vaksiny 4.050.000, amin'ny karazany rehetra mifangaro, no efa voaray. Ny toerana fitahirizana dia namboarina manokana mba handraisana ireo andiana vakisiny rehetra; anisan’izany ny kaontenera 2 misy vata fampangatsiahana sy fitaovana rojo mangatsiaka miisa 6 ho fitehirizana ny vaksiny Pfizer.

Etsy andaniny, ny 95%-n’ny toerana fanaovana vaksiny napetraky ny fanjakana dia tobim-pahasalamana fototra. Saro-dàlana anefa ny ankamaroan’izy ireny noho ny fahateren'ny làlan’ny fiara sy ny faharatsian'ny làlana. Mba hiantohana ny fisitrahana ara-drariny ho an’ny Malagasy tsirairay dia mirotsaka an-tsehatra ny UNICEF amin’ny fitaterana amin’ny fiaramanidina ireo andiana vaksiny ho an’ny distrika 9 sy tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 158.

Ny fitahirizana ny vaksiny eny anivon’ireo toerana ireo tokoa mantsy dia tena zava-dehibe mandra-piandry ny filàn’ny mponina izany. Nitombo isa ireo CSB nahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro satria 1.622 izany teo aloha ary lasa 1.973 tamin’ny taona 2021. « Efa nanome vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro miisa 793 ny UNICEF tamin’ny taon-dasa vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny GAVI; 130 hafa no natolotry ny Banky iraisam-pirenena. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mba hahafahan’ny mponina misitraka vaksiny tsara kalitao: ho an’ny fanaovam-baksiny mahazatra ny vehivavy bevohoka na ny zaza, ary koa ny fanefitry ny COVID-19, » hoy i Djariatou Sow Sall, manam-pahaizana manokana momba ny vaksiny ao amin’ny UNICEF.

Hatramin'ny 7 febroary 2022, Malagasy efa ho 1.235.000 no nahazo ny fatra voalohany amin'ny vaksiny fanefitry ny COVID-19 fara fahakeliny, ka 11.711 amin’izy ireo no efa nandray ny fatra boost na fatra faha-3. Manodidina ny olona 9 tapitrisa mihoatra ny 18 taona no hatao vaksiny ho an’ity taona 2022 ity. Ankoatra izay dia mbola misy fatra 2.610.114 azo omena ny mponina ihany koa. Manantena ny fahatongavan’ny fatra-na vaksiny 1.000.690 i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona.

Chaine de froid
UNICEF/UN0592438/Andrianandrasana
Chaine de froid
UNICEF/UN0592444/Andrianandrasana
Chaine de froid
UNICEF/UN0592451/Andrianandrasana

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram